Samoela Voalohany 31:1-13

  • Maty i Saoly sy ny telo tamin’ny zanany lahy (1-13)

31  Niady tamin’ny Israely ny Filistinina.+ Ary nandositra azy ireo ny lehilahy israelita, ka be dia be no maty niampatrampatra teny amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+  Narahin’ny Filistinina akaiky dia akaiky i Saoly sy ny zanany lahy, ka matin’izy ireo ny zanak’i Saoly, dia i Jonatana+ sy Abinadaba ary Malkisoa.+  Ary vao mainka nihamafy ny fanafihana an’i Saoly. Dia hitan’ireo mpandefa zana-tsipìka izy, ka voan’izy ireo ary naratra mafy.+  Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: “Tsoahy ny sabatrao dia atsatohy amiko, sao dia ho avy hamely ahy ireo tsy mifora ireo+ ka hampijalijaly ahy sy tsy hiantra ahy.” Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Nalain’i Saoly àry ny sabatra, dia nianjerany mba ho voatrobaka izy.+  Rehefa hitan’ilay mpitondra fiadiana fa maty i Saoly,+ dia nianjerany koa ny sabany ka niara-maty taminy izy.  Niara-maty tamin’iny andro iny àry i Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny mpanompony rehetra niaraka taminy.+  Tazan’ny vahoakan’Israely teny amin’ny lohasaha* sy teny amin’ny faritr’i Jordana fa nandositra ny tafiky ny Israely, ary maty i Saoly sy ny zanany. Nandao ny tanànany àry izy ireo ka nandositra.+ Dia tonga ny Filistinina ka nipetraka tao amin’ireny tanàna ireny.  Rehefa tonga haka an’izay zavatra teny amin’ireo faty ny Filistinina ny ampitson’iny, dia nahita ny fatin’i Saoly sy ny zanany telo lahy teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+  Koa notapahin’izy ireo ny lohan’i Saoly, dia nalainy ny fiadiany. Ary naniraka olona handeha eran’ny tanin’ny Filistinina izy ireo, mba hilaza an’ilay vaovao+ tany amin’ireo tranon’ny* sampiny+ sy tamin’ny vahoaka. 10  Dia napetrak’izy ireo tao amin’ny trano nisy an’ireo sarin’i Astarta ny fiadian’i Saoly, fa ny fatiny kosa nahantony teo amin’ny mandan’i Beti-sana.+ 11  Rehefa henon’ny mponin’i Jabesi-gileada+ izay nataon’ny Filistinina tamin’i Saoly, 12  dia niainga ny miaramila rehetra ka nandeha nandritra ny alina. Dia nalain’izy ireo teo amin’ny mandan’i Beti-sana ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany. Ary niverina tany Jabesy izy ireo, ka nodorany tany ireo faty. 13  Nentin’izy ireo ny taolambalony+ avy eo, ka naleviny tao ambanin’ilay hazo tamariska tany Jabesy.+ Ary nifady hanina fito andro izy ireo.

Fanamarihana

Na: “lemaka iva.”
Na: “tempolin’ny.”