Ohabolana 31:1-31

  • TENIN’I LEMOELA MPANJAKA (1-31)

    • Iza no nahita vady tsara? (10)

    • Mazoto miasa sady miasa mafy (17)

    • Tsara fanahy rehefa miteny (26)

    • Midera azy ny vady aman-janany (28)

    • Mihelina ny hatsaram-bika sy hatsaran-tarehy (30)

31  Izao no tenin’i Lemoela Mpanjaka, izany hoe ny hafatra mafonja nolazain’ny reniny mba hampianarana azy:+   Inona no holazaiko aminao, anaka?Inona no holazaiko, ry ilay naloaky ny kiboko,Ilay zanaka azoko tamin’ny voady?+   Aza mandany ny herinao amin’ny vehivavy,+Ary aza manaraka fomba fiaina ratsy, fa izany no mahatonga ny mpanjaka ho ripaka.+   Tsy tsara ho an’ny mpanjaka, ry Lemoela ô,Tsy tsara ho an’ny mpanjaka ny misotro divay,Na ho an’ny mpitondra ny manontany hoe: “Aiza ny toakako?”+   Sao hisotro izy dia hanadino ny didy efa navoaka,Ka hanitsakitsaka ny zon’ny madinika.   Omeo toaka izay efa ho faty,+Ary omeo divay izay kivy be.+   Aleo izy hisotro dia ho hadinony ny fahantrany,Ary aleo izy tsy hahatsiaro intsony ny fahoriany.   Mitenena mba hiaro an’izay tsy afaka miteny,Ary arovy ny zon’izay rehetra efa ho faty.+   Mitenena ka mitsarà araka ny rariny.Arovy ny zon’ny* madinika sy ny mahantra.+ א [Alefa] 10  Iza no nahita vady tsara?*+ Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina* izany vehivavy izany. ב [Beta] 11  Matoky azy amin’ny fony manontolo ny vadiny,Sady manana an’izay rehetra ilainy. ג [Gimela] 12  Tsara ny ataon’ilay vehivavy aminy fa tsy ratsy,Mandritra ny androm-piainany. ד [Daleta] 13  Mitady volonondry sy lamba rongony ilay vehivavy,Ary mahafinaritra azy ny miasa amin’ny tanany.+ ה [He] 14  Hoatran’ny sambon’ny mpivaro-mandeha izy,+Ka mitondra ny sakafony avy any lavitra. ו [Vao] 15  Mifoha koa izy na dia mbola alina aza,Ka manome sakafo ho an’ny ankohonanySy anjara sakafo* ho an’ny mpanompovaviny.+ ז [Zaina] 16  Mandinika tsara aloha izy vao mividy saha.Ny asa mafy nataony* no ahafahany mamboly voaloboka. ח [Heta] 17  Miomana hiasa mafy izy,*+Ka hatanjahiny ny sandriny. ט [Teta] 18  Hitany fa ahazoany tombony ny varotra ataony,Ary tsy maty jiro izy mandritra ny alina. י [Yôda] 19  Alainy ny fitazonana kofehy mbola tsy voafoly,*Ary tazoniny koa ny ampela.*+ כ [Kafa] 20  Manatsotra ny tanany hanampy ny madinika izy,Sady malala-tanana amin’ny mahantra.+ ל [Lameda] 21  Tsy manahy ny amin’ny ankohonany izy rehefa latsaka ny lanezy,Satria manao akanjo mafana* daholo izy mianakavy. מ [Mema] 22  Izy ihany no manamboatra ny lambam-pandrianany, Ary lamba rongony sy volonondry volomparasy ny akanjony. נ [Nona] 23  Be mpahafantatra eo am-bavahadin’ny tanàna ny vadiny,+Eo amin’ilay toerana iarahany mipetrapetraka amin’ny anti-panahy* ao amin’ilay tany. ס [Sameka] 24  Manamboatra akanjo rongony* izy, dia mivarotra an’izany.Mamatsy fehikibo ho an’ny mpivaro-mandeha koa izy. ע [Aina] 25  Hery sy voninahitra no akanjony,Ary feno toky izy miandrandra ny hoavy.* פ [Pe] 26  Hita hoe hendry izy rehefa miteny,+Ary ny lalàn’ny hatsaram-panahy no eo am-bavany.* צ [Tsade] 27  Manara-maso an’izay mitranga ao an-tokantranony izy,Ary tsy mihinana ny mofon’ny hakamoana.+ ק [Kôfa] 28  Mitsangana ny zanany, ka milaza azy hoe sambatra.Mitsangana koa ny vadiny, ka midera azy hoe: ר [Resa] 29  Betsaka ny vehivavy mahay,*Fa ianao mbola mihoatra noho izy rehetra. ש [Shina] 30  Mety hamitaka ny hatsaram-bika, ary mety hihelina* ihany ny hatsaran-tarehy,+Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hoderaina.+ ת [Tao] 31  Omeo valisoa izy noho izay ataony,*+Ary aoka hidera azy eny am-bavahadin’ny tanàna ny asany.+

Fanamarihana

Na: “Miadia ho an’ny.”
Na: “mahay?”
Jereo F.T.
Na mety hoe “asa.”
Na: “Ny karamany.” Abt: “Ny vokatry ny tanany.”
Abt: “Sikinany hery ny andilany.”
Hazokely fampiasan’ny mpanenona.
Izany hoe mbola tsy tena kofehy fa vohavoha mbola miboraboraka.
Abt: “roa sosona.”
Jereo F.T.
Na: “akanjo anatiny vita amin’ny lamba rongony.”
Na: “ihomehezany ny andro ho avy.”
Na: “Ary tsara fanahy izy rehefa mampianatra.” Abt: “Eo amin’ny lelany ny lalàn’ny fitiavana sy tsy fivadihana.”
Na: “tena tsara.”
Na: “mety ho zava-poana.”
Abt: “Omeo avy amin’ny vokatry ny tanany izy.”