Ny Taratasy Nosoratan’i Jakoba 2:1-26

  • Manota izay manavakavaka (1-13)

    • Fitiavana, ilay lalàn’ny mpanjaka (8)

  • Maty ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao (14-26)

    • Ny demonia koa mino ka mangovitra (19)

    • Naman’i Jehovah i Abrahama (23)

2  Ry rahalahiko, manam-pinoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika be voninahitra ianareo, nefa nahoana no mbola manavakavaka ihany?+  Raha misy olona manao peratra volamena sy akanjo tsara be, ohatra, tonga ao amin’ny fivorianareo, ary misy mahantra maloto akanjo koa miditra ao,  dia ilay manao akanjo tsara be ve no tianareo kokoa, ka teneninareo hoe: “Mipetraha ianao eto amin’ny toerana tsara eto”, fa ilay mahantra kosa teneninareo hoe: “Mijoroa eo ihany ianao”, na hoe: “Mipetraha etsy ambany etsy, eo akaikin’ny fitoeran-tongotro”?+  Raha izany, tsy efa manavakavaka ve ianareo+ sady lasa mpitsara miangatra?+  Henoy izao, ry rahalahy malala: Tsy izay heverin’izao tontolo izao hoe mahantra ve no nofidin’Andriamanitra hanan-karena amin’ny finoana,+ sy ho mpandova an’ilay Fanjakana nampanantenainy an’izay tia azy?+  Tsy manaja ny mahantra anefa ianareo. Angaha tsy ny mpanankarena no mampijaly anareo+ sy mitaritarika anareo ho any amin’ny fitsarana?  Tsy manevateva an’ilay anarana tsara niantsoana anareo ve izy ireny?  Tena tsara anefa ny ataonareo raha mankatò an’ilay lalàn’ny mpanjaka voalazan’ny Soratra Masina ianareo, dia ilay hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+  Manota ianareo raha mbola manavakavaka foana,+ ary asehon’ny* lalàna hoe mpandika lalàna.+ 10  Na iza na iza mankatò ny Lalàna rehetra, nefa diso amin’ny iray fotsiny, dia lasa meloka amin’izy rehetra izy.+ 11  Fa ilay niteny hoe: “Aza manitsakitsa-bady”,+ no niteny koa hoe: “Aza mamono olona.”+ Raha tsy manitsakitsa-bady ianao nefa mamono olona, dia lasa mpandika lalàna. 12  Asehoy foana amin’izay lazainareo sy ataonareo àry fa hotsarain’ilay lalàna arahin’ny olona afaka* ianareo.+ 13  Hotsaraina tsy misy indrafo mantsy ny olona tsy mpamindra fo. Fa izay mamindra fo no ho tafavoaka rehefa tsaraina.*+ 14  Ry rahalahiko, inona moa ny soa azon’izay milaza hoe manam-pinoana, nefa tsy mampiseho an’izany amin’ny ataony?+ Hahavonjy azy ve izany finoana izany?+ 15  Raha misy rahalahy na anabavy tsy manana akanjo* sady tsy ampy sakafo isan’andro, 16  ary misy aminareo miteny aminy hoe: “Mirary soa e! Enga anie ianareo hafana sy ho voky tsara foana!”, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, dia inona moa ny soa azo avy amin’izany?+ 17  Dia hoatr’izany koa ny finoana: Maty izy io raha tsy aseho amin’ny atao.+ 18  Hisy hiteny anefa hoe: “Ianao mino fotsiny, fa ny ahy kosa ny finoana asehoko amin’ny ataoko. Asehoy ahy amin’izao fotsiny àry ny finoanao, fa ny ahy indray ny finoako hasehoko amin’ny ataoko.” 19  Mino ve ianao fa misy Andriamanitra tokana? Tena tsara izany. Ny demonia koa anefa mba mino ka mangovitra.+ 20  Mba fantatrao moa, ry tsisy saina, fa tsy misy dikany ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao? 21  Tsy nolazaina hoe olo-marina ve i Abrahama raintsika noho izay nataony, rehefa avy nanolotra an’i Isaka zanany teo ambony alitara+ izy? 22  Hitanao fa nasehony tamin’ny zavatra nataony hoe nanam-pinoana izy, ka lasa lavorary ny finoany noho izay nataony.+ 23  Tanteraka àry ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “Naneho finoana an’i Jehovah* i Abrahama, ka nekena* hoe olo-marina.”+ Dia nantsoina hoe naman’i Jehovah*+ izy. 24  Hitanareo àry fa lazaina hoe olo-marina ny olona noho izay ataony, fa tsy noho ny finoany fotsiny. 25  Hoatr’izany koa i Rahaba mpivaro-tena: Tsy nolazaina hoe olo-marina ve izy noho izay nataony rehefa avy nandray tsara an’ireo iraka tonga tao aminy, ka nandefa azy ireo tany amin’ny lalan-kafa?+ 26  Eny tokoa, maty ny vatana raha tsy misy aina,*+ ary maty hoatr’izany koa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.+

Fanamarihana

Na: “melohin’ny.”
Abt: “lalàn’ny fahafahana.”
Abt: “Fa mandresy fitsarana ny famindram-po.”
Abt: “miboridana.”
Jereo F.F. A5.
Na: “nisaina.”
Jereo F.F. A5.
Na: “fofonaina.”