Zefania 2:1-15

  • Mitadiava an’i Jehovah dieny mbola tsy tonga ny andro fahatezerany (1-3)

    • Tadiavo ny fahamarinana sy ny fandeferana (3)

    • “Angamba ho voaro ianareo” (3)

  • Fanamelohana an’ireo firenena manodidina (4-15)

2  Miangòna ianareo,+Miangòna, ry firenena tsy mahalala menatra.+  2  Dieny mbola tsy mihatra ny didy,Dieny mbola tsy mandalo haingana hoatran’ny akofa ny andro,Dieny mbola tsy mihatra aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah,+Ary dieny mbola tsy tonga aminareo ny andro fahatezeran’i Jehovah,  3  Dia mitadiava an’i Jehovah+ ianareo mpandefitra* rehetra eto an-tany,Izay mankatò ny didiny ara-drariny.* Tadiavo ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana.* Angamba* ho voaro* ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+  4  Fa tsy hisy hipetraka intsony ao Gaza,Ary tsy hisy mponina ao Askelona.+ I Asdoda indray horoahina amin’ny andro antoandro be,*Ary i Ekrona hongotana.+  5  “Hahita loza ny olona mipetraka any amoron-tsiraka, dia ny firenen’ny Keretita!+ Manameloka anareo ny tenin’i Jehovah. Horavako ianao, ry Kanana tanin’ny Filistinina ô,Mba tsy hisy mponina intsony.  6  Ary ho lasa toerana be vilona ny morontsiraka,Ka hisy lavadrano ho an’ny mpiandry ondry sy vala* ho an’ny ondry.  7  Eo no ho lasa faritra hipetrahan’ny sisa amin’ny taranak’i Joda,+Ka eo izy ireo no hiraoka ahitra. Ao amin’ireo trano any Askelona izy ireo no hitsotsotra rehefa hariva. Hikarakara azy mantsy i Jehovah Andriamaniny,Ka hampody an’izay babo tamin’izy ireo.”+  8  “Efa henoko nanala baraka ny vahoakako i Moaba,+ ary nanambanimbany azy ireo ny Amonita,+Ka nanesoeso azy sy nirehareha hoe haka ny taniny.+  9  Raha mbola velona koa àry aho”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely,“Dia ho lasa hoatran’i Sodoma i Moaba,+Ary hitovy amin’i Gomora ny taranak’i Amona,+Ka ho lasa toerana feno tsilo sy lavaka fakana sira, ary ho ngazana mandrakizay.+ Horobain’ny sisa amin’ny vahoakako izy ireo,Ary ho lasan’ny sisa amin’ny vahoakako ny fananany. 10  Izany no ho valin’ny fireharehany,+Satria nanesoeso izy ireo sady nanandra-tena hiady tamin’ny vahoakan’i Jehovah Tompon’ny tafika. 11  Hampahatahotra* i Jehovah rehefa mamely an’ireo,Fa hofoanany* daholo ny andriamanitra rehetra eny ambonin’ny tany.Dia hiankohoka eo anatrehany* ny firenena any amin’ny nosy rehetra,+Any amin’izay misy azy avy. 12  Ho fatin’ny sabatro koa ianareo, ry Etiopianina.+ 13  Hanatsotra ny tanany mianavaratra izy ka handrava an’i Asyria.Ary hataony tsy misy mponina i Ninive,+ ka ho maina be hoatran’ny tany karakaina. 14  Hisy andiam-biby hatoritory ao, dia ny karazana bibidia rehetra.* Hisy gisandrano sy sokina hatory eo amin’ireo tendron’ny andry nirodana, Ary hisy feo mihirahira eo am-baravarankely. Hisy zavatra potipotika eo an-tokonana,Fa hataony miharihary ny takela-kazo sedera. 15  Io ilay tanàna nirehareha sy tsy nanana ahiahy,Izay nieritreritra hoe: ‘Izaho no ambony indrindra, ary tsy misy mitovy amiko.’ Dia lasa mihorohoro ny olona rehefa mahita an’izay manjo azy,Ary lasa toerana fatoritorian’ny bibidia izy. Haneso* azy daholo izay rehetra mandalo, ka hanambana totohondry azy.”+

Fanamarihana

Na: “manetry tena.”
Abt: “ny didim-pitsarany.”
Na: “fanetren-tena.”
Na: “Mety.”
Na: “voafina.”
Na: “amin’ny mitataovovonana.”
Na: “vala vita amin’ny vato.”
Na: “hanompo azy.”
Na: “hataony lasa mahia kely.”
Na: “Hampihorohoro.”
Abt: “ny bibidia rehetra any amin’ny firenena.”
Abt: “Hisioka.”