Zefania 2:1-15

  • Mitadiava an’i Jehovah dieny mbola tsy tonga ny andro fahatezerany (1-3)

    • Tadiavo ny fahamarinana sy ny fandeferana (3)

    • “Angamba ho voaro ianareo” (3)

  • Fanamelohana an’ireo firenena manodidina (4-15)

2  Miangòna ianareo,+Miangòna, ry firenena tsy mahalala menatra.+   Dieny mbola tsy mihatra ny didy,Dieny mbola tsy mandalo haingana hoatran’ny akofa ny andro,Dieny mbola tsy mihatra aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah,+Ary dieny mbola tsy tonga aminareo ny andro fahatezeran’i Jehovah,   Dia mitadiava an’i Jehovah+ ianareo mpandefitra* rehetra eto an-tany,Izay mankatò ny didiny ara-drariny.* Tadiavo ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana.* Angamba* ho voaro* ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+   Fa tsy hisy hipetraka intsony ao Gaza,Ary tsy hisy mponina ao Askelona.+ I Asdoda indray horoahina amin’ny andro antoandro be,*Ary i Ekrona hongotana.+   “Hahita loza ny olona mipetraka any amoron-tsiraka, dia ny firenen’ny Keretita!+ Manameloka anareo ny tenin’i Jehovah. Horavako ianao, ry Kanana tanin’ny Filistinina ô,Mba tsy hisy mponina intsony.   Ary ho lasa toerana be vilona ny morontsiraka,Ka hisy lavadrano ho an’ny mpiandry ondry sy vala* ho an’ny ondry.   Eo no ho lasa faritra hipetrahan’ny sisa amin’ny taranak’i Joda,+Ka eo izy ireo no hiraoka ahitra. Ao amin’ireo trano any Askelona izy ireo no hitsotsotra rehefa hariva. Hikarakara azy mantsy i Jehovah Andriamaniny,Ka hampody an’izay babo tamin’izy ireo.”+   “Efa henoko nanala baraka ny vahoakako i Moaba,+ ary nanambanimbany azy ireo ny Amonita,+Ka nanesoeso azy sy nirehareha hoe haka ny taniny.+   Raha mbola velona koa àry aho”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely,“Dia ho lasa hoatran’i Sodoma i Moaba,+Ary hitovy amin’i Gomora ny taranak’i Amona,+Ka ho lasa toerana feno tsilo sy lavaka fakana sira, ary ho ngazana mandrakizay.+ Horobain’ny sisa amin’ny vahoakako izy ireo,Ary ho lasan’ny sisa amin’ny vahoakako ny fananany. 10  Izany no ho valin’ny fireharehany,+Satria nanesoeso izy ireo sady nanandra-tena hiady tamin’ny vahoakan’i Jehovah Tompon’ny tafika. 11  Hampahatahotra* i Jehovah rehefa mamely an’ireo,Fa hofoanany* daholo ny andriamanitra rehetra eny ambonin’ny tany.Dia hiankohoka eo anatrehany* ny firenena any amin’ny nosy rehetra,+Any amin’izay misy azy avy. 12  Ho fatin’ny sabatro koa ianareo, ry Etiopianina.+ 13  Hanatsotra ny tanany mianavaratra izy ka handrava an’i Asyria.Ary hataony tsy misy mponina i Ninive,+ ka ho maina be hoatran’ny tany karakaina. 14  Hisy andiam-biby hatoritory ao, dia ny karazana bibidia rehetra.* Hisy gisandrano sy sokina hatory eo amin’ireo tendron’ny andry nirodana, Ary hisy feo mihirahira eo am-baravarankely. Hisy zavatra potipotika eo an-tokonana,Fa hataony miharihary ny takela-kazo sedera. 15  Io ilay tanàna nirehareha sy tsy nanana ahiahy,Izay nieritreritra hoe: ‘Izaho no ambony indrindra, ary tsy misy mitovy amiko.’ Dia lasa mihorohoro ny olona rehefa mahita an’izay manjo azy,Ary lasa toerana fatoritorian’ny bibidia izy. Haneso* azy daholo izay rehetra mandalo, ka hanambana totohondry azy.”+

Fanamarihana

Na: “manetry tena.”
Abt: “ny didim-pitsarany.”
Na: “fanetren-tena.”
Na: “Mety.”
Na: “voafina.”
Na: “amin’ny mitataovovonana.”
Na: “vala vita amin’ny vato.”
Na: “hanompo azy.”
Na: “hataony lasa mahia kely.”
Na: “Hampihorohoro.”
Abt: “ny bibidia rehetra any amin’ny firenena.”
Abt: “Hisioka.”