Korintianina Faharoa 1:1-24

  • Fiarahabana (1, 2)

  • Mampionona amin’ny fahoriana rehetra Andriamanitra (3-11)

  • Tsy afaka nankany amin’ny tanàna saika nandehanany i Paoly (12-24)

1  Avy amin’i Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy Timoty+ rahalahintsika. Ho an’ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto, anisan’izany ny olona masina rehetra eran’i Akaia,+  Enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka* aminareo sady hanome fiadanana anareo!  Hoderaina anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika,+ Rain’ny fangorahana+ sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra!+  Mampionona* antsika amin’ny fahoriana* rehetra mahazo antsika izy.+ Ary noho isika ampiononin’Andriamanitra,+ dia lasa haintsika koa ny mampionona+ an’izay miatrika fahoriana* isan-karazany.  Fa hoatran’ny iaretantsika fijaliana be noho ny amin’i Kristy,+ no ahazoantsika fampiononana be koa amin’ny alalan’i Kristy.  Koa raha miatrika fahoriana* izahay, dia ho fampiononana sy ho famonjena anareo izany. Ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka izany fampiononana izany no hanampy anareo hiaritra fijaliana mitovy amin’izay mahazo anay koa.  Matoky tanteraka anareo izahay,* satria fantatray fa hoatran’ny ijalianay no ijalianareo koa, ary hoatran’ny hampiononana anay no hampiononana anareo koa.+  Tianay ho fantatrareo mantsy, ry rahalahy, ny zava-tsarotra natrehinay tany amin’ny faritanin’i Azia.+ Nizaka ny tsy eran’ny aina izahay, ka tsy nanampo ny ho velona intsony.+  Hoatran’ny hoe voaheloka ho faty mihitsy izahay. Nitranga izany mba tsy hahatonga anay hatoky ny tenanay, fa hatoky an’Andriamanitra+ izay manangana ny maty. 10  Nanafaka anay tamin’ilay loza saika nahafaty anay mantsy izy, ary mbola hanafaka anay koa. Ary manantena izahay fa mbola hanafaka anay foana izy.+ 11  Afaka manampy anay koa ianareo rehefa mitalaho amim-bavaka ho anay.+ Amin’izay dia betsaka no ho afaka hisaotra an’Andriamanitra noho ny aminay, noho izahay nahazo fanampiana ho valin’ny vavaka nataon’ny maro.+ 12  Fa izao no reharehanay: Madio ny feon’ny fieritreretanay milaza hoe masina sady feno fahatsorana avy amin’Andriamanitra ny fitondran-tenanay teo amin’izao tontolo izao, indrindra fa teo aminareo. Tsy niantehitra tamin’ny fahendren’izao tontolo izao*+ izahay, fa tamin’ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’Andriamanitra. 13  Izay azonareo vakina* sy takatrareo ihany mantsy no soratanay aminareo. Ary manantena aho fa ho takatrareo tsara* foana izany, 14  hoatran’ny nahatakaran’ny sasany taminareo fa reharehanareo izahay. Ary ho reharehanay koa ianareo amin’ny andron’i Jesosy Tompontsika. 15  Matoky an’izany aho ka nikasa ho any aminareo aloha, mba hifalianareo indray.* 16  Fa saika hitsidika anareo aho tamin’izaho ho atỳ Makedonia sy rehefa hiverina avy atỳ Makedonia, dia mba haterinareo lavidavitra aho rehefa ho any Jodia.+ 17  Angaha izaho nivazivazy fotsiny tamin’izaho niteny hoe ho any aminareo? Sa ve manao izay tiako fotsiny aho rehefa misy zavatra eritreretiko hatao, dia miteny aho hoe: “Eny e, eny e”, nefa avy eo hoe “Tsia” indray? 18  Azo itokisana anefa Andriamanitra ary hoatr’izany koa ny teninay taminareo, fa tsy hoe “eny” dia avy eo hoe “tsia.” 19  Tsy hoe “eny” mantsy dia avy eo “tsia” i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra, ilay notorinay sy Silvano* ary Timoty+ taminareo. Amin’i Kristy kosa, rehefa “eny” dia “eny.” 20  Fa na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia lasa “eny” ireny amin’ny alalan’ny Zanany.+ Noho izany, dia amin’ny alalany koa no anaovanay “Amena” amin’Andriamanitra,+ mba hanomezanay voninahitra Azy. 21  Andriamanitra anefa no manome antoka fa samy an’i Kristy na izahay na ianareo, ary Izy no nanosotra antsika.+ 22  Nanisy tombo-kase antsika+ koa izy sady nanome antsika an’ilay antoka ny amin’izay ho avy,* dia ny fanahy+ ao am-pontsika. 23  Ary miantso an’Andriamanitra ho vavolombelona aho, fa te hitsimbina anareo aho matoa mbola tsy tonga any Korinto. 24  Tsy tompon’ny finoanareo izahay+ fa mpiara-miasa kosa mba ho faly ianareo, satria ny finoanareo ihany no ijoroanareo.

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “fitsapana.”
Na: “fitsapana.”
Na: “Mankahery.”
Na: “fitsapana.”
Na: “Mafy orina ny fanantenanay momba anareo.”
Na: “fahendrena araka ny nofo.”
Na mety hoe “Izay efa fantatrareo tsara.”
Abt: “hatramin’ny farany.”
Na mety hoe “mba handraisanareo soa fanindroany.”
Antsoina koa hoe Silasy.
Na: “an’ilay vodiondrim-barotra.”