Korintianina Faharoa 3:1-18

  • Taratasy fampahafantarana (1-3)

  • Mpanompon’ny fifanekena vaovao (4-6)

  • Be voninahitra kokoa ilay fifanekena vaovao (7-18)

3  Mila mampahafantatra ny tenanay aminareo indray ve izahay? Sa ve izahay, hoatran’ny sasany, ka hoe mila manome anareo taratasy fampahafantarana ny momba anay, na mila an’izany avy aminareo? 2  Ianareo no taratasinay,+ voasoratra ato am-ponay ary fantatra sy vakin’ny olona rehetra. 3  Miharihary mantsy fa ianareo no taratasin’i Kristy nosoratanay mpanompon’Andriamanitra.+ Tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny fanahin’Andriamanitra velona, ary tsy teo amin’ny takela-bato,+ fa teo amin’ny takelaka nofo, dia ny fo.+ 4  Matoky an’izany izahay eo anatrehan’Andriamanitra, noho ny amin’i Kristy. 5  Izahay akory tsy mihambo hoe noho ny ezaka ataonay no mahatonga anay hahay an’ilay asa, fa Andriamanitra kosa no mahatonga anay hahay an’ilay izy.+ 6  Izy no tena mahatonga anay hahay an’ilay asa ka ho lasa mpanompon’ny fifanekena vaovao,+ izany hoe tsy mpanompon’ny lalàna voasoratra,+ fa mpanompon’ny fanahy. Manameloka ho faty+ mantsy ilay lalàna voasoratra, fa mahavelona+ kosa ny fanahy. 7  Nomena tamim-boninahitra lehibe ilay lalàna mitondra fahafatesana sy nosoratana teo amin’ny vato,+ ka tsy vitan’ny zanak’Israely ny nibanjina ny tarehin’i Mosesy noho ilay voninahitra nampamirapiratra ny tarehiny,+ dia ilay voninahitra tsy maintsy hofoanana. 8  Koa raha izany, tsy vao mainka ve tokony homena amim-boninahitra+ lehibe kokoa ny fanahy?+ 9  Raha be voninahitra+ ilay lalàna nitondra fanamelohana,+ dia vao mainka tokony ho be voninahitra kokoa ilay fanompoana manampy ny olona ho lasa olo-marina!+ 10  Na ilay natao be voninahitra taloha aza lasa tsy manana voninahitra intsony, noho ilay voninahitra tsara kokoa.+ 11  Fa raha ilay tsy maintsy hofoanana aza nomena tamim-boninahitra,+ dia vao mainka tokony ho be voninahitra kokoa ilay maharitra!+ 12  Koa satria manana an’izany fanantenana+ izany isika, dia tena sahy miteny, 13  ary tsy manao hoatran’ny nataon’i Mosesy tamin’izy nanarona lamba ny tarehiny,+ mba tsy hahafahan’ny zanak’Israely hibanjina an’izay hiafaran’ilay tsy maintsy hofoanana. 14  Donto anefa ny sain’izy ireo.+ Mbola tsy nesorina foana mantsy hatramin’izao ilay lamba manarona rehefa vakina ilay fifanekena taloha,+ satria amin’ny alalan’i Kristy ihany no anesorana azy io.+ 15  Raha ny marina, dia misy lamba manarona ny fon’izy ireo+ hatramin’izao, isaky ny vakina izay nosoratan’i Mosesy.+ 16  Rehefa misy olona miverina amin’i Jehovah* anefa, dia esorina ilay lamba manarona.+ 17  I Jehovah* no ilay Fanahy,+ ary any amin’izay misy ny fanahin’i Jehovah* dia misy fahafahana.+ 18  Ary nesorintsika ny lamba manarona ny tarehintsika, ka toy ny fitaratra manome taratry ny voninahitr’i Jehovah* isika. Ovana hitovy endrika aminy àry isika rehetra, ka manome taratra tsikelikely ny voninahiny,* mifanaraka tanteraka amin’ilay fanovana ataon’i Jehovah,* izay Fanahy.*+

Fanamarihana

Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Abt: “avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra.”
Jereo F.F. A5.
Na mety hoe “ataon’ny fanahin’i Jehovah.”