Hebreo 4:1-16

  • Raha tsy miditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra (1-10)

  • Andao hiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra (11-13)

    • Velona ny tenin’Andriamanitra (12)

  • Jesosy, ilay mpisoronabe ambony (14-16)

4  Mampanantena Andriamanitra hoe mbola hiditra amin’ny fitsaharany isika. Noho izany, dia andao isika hiambina* sao hisy aminareo ho lasa tsy mendrika an’izany fampanantenana izany.+  Isika koa mantsy mba efa nitoriana ny vaovao tsara+ hoatr’azy ireo. Tsy nahasoa azy ireo akory anefa ny zavatra henony, satria tsy mba nanana finoana matanjaka hoatran’ireo olona nihaino izy ireo.  Isika izay mino mantsy no tena miditra amin’ilay fitsaharana. Fa raha ny amin’izy ireo indray, dia efa nilaza izy hoe: “Tezitra àry aho sady nianiana hoe: ‘Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo’”,+ na dia efa hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao aza ny asany no vita.+  Hoy mantsy izy momba ny andro fahafito, ao amin’ny andininy iray: “Ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito.”+  Hoy koa izy ao amin’ny andininy iray: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.”+  Mbola azo atao ny miditra amin’izany fitsaharana izany, ary izay nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny voalohany koa tsy niditra satria tsy nankatò.+  Noho izany àry, dia mbola nifidy andro iray izy ka nilaza tao amin’ny salamon’i Davida, ela be tatỳ aoriana, hoe: “Anio.” Efa voalaza tetsy aloha koa mantsy hoe: “Raha mihaino ny feony ianareo anio, dia aza manamafy ny fonareo.”+  Fa raha tena nentin’i Josoa+ tany amin’ny toeram-pitsaharana izy ireo, dia tsy ho niresaka andro anankiray hafa Andriamanitra taorian’izany.  Mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra+ àry. 10  Fa izay olona niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra, dia nitsahatra tamin’ny asany koa, hoatran’ny nataon’Andriamanitra.+ 11  Andao àry isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana amin’izany fitsaharana izany, sao hisy amintsika ho lasa tsy mankatò hoatr’azy ireo koa.+ 12  Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,+ sady maranitra noho ny sabatra roa lela,+ ary manindrona ka mahavita manavaka an’izay miseho etỳ ivelany sy ny any am-po, sady mahavita manasaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany. 13  Ary tsy misy zavaboary miafina eo imasony,+ fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy mibaribary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.+ 14  Ary manana mpisoronabe ambony isika. I Jesosy Zanak’Andriamanitra+ izany mpisoronabe izany, ary efa lasa nankany an-danitra izy. Andao àry horesahintsika amin’olona foana ny zavatra inoantsika momba azy.+ 15  Fa ny antsika tsy hoe mpisoronabe tsy mba mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika,+ fa mpisoronabe efa notsapaina tamin’ny zavatra rehetra hoatr’antsika koa, nefa tsy nanota.+ 16  Andao àry isika hanatona ny seza fiandrianan’ilay Andriamanitra maneho hatsaram-panahy miavaka, sady ho sahy hiteny+ rehefa manao an’izany. Amin’izay isika hahazo famindram-po ary hanehoana hatsaram-panahy miavaka, mba hanampiana antsika amin’ny fotoana mety.

Fanamarihana

Abt: “hatahotra.”