Isaia 21:1-17

  • Fanamelohana ny tany efitra any amin’ny ranomasina (1-10)

    • Miambina foana eo amin’ny tilikambo fiambenana (8)

    • “Nianjera i Babylona!” (9)

  • Fanamelohana an’i Doma sy ny lemaka karakaina (11-17)

    • “Ry mpitily ô! Aiza ho aiza amin’ny alina isika izao?” (11)

21  Ny fanamelohana ny tany efitra any amin’ny ranomasina:*+ Tonga toy ny tafio-drivotra mifofofofo any atsimo izany,Ary avy any an-tany efitra, avy any amin’ny tany mampahatahotra.+   Nisy fahitana mahakivy naseho tamiko: Mivadika ny mpivadika,Ary mandringana ny mpandringana. Miakara, ry Elama! Manaova fahirano, ry Media!+ Hatsahatro daholo ny fisentoana vokatry ny nataony.+   Izany no mahatonga ahy hitebiteby be.*+ Marary be tampoka ny hozatro,Hoatran’ny an’ny vehivavy efa ho teraka. Kivy loatra aho ka tsy maheno,Ary sahiran-tsaina loatra ka tsy mahita.   Mitebiteby ny foko. Mihorohoro mafy aho ka mangovitra. Tsy andriko izay hahamaizina ny andro, nefa rehefa tonga izany dia lasa mangovitra indray aho.   Omano ny latabatra ary alamino ny seza! Mihinàna dia misotroa!+ Mitsangàna, ry andriana, ka hosory menaka ny ampinga!   Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Mandehana manendry mpitily, dia asaivo mitantara an’izay zavatra hitany izy.”   Dia nahita kalesin’ady tarihin’ny soavaly roa izy,Sy kalesin’ady tarihin’ny ampondra,Ary kalesin’ady tarihin’ny rameva. Dia nanara-maso tsara izy sady nijery tsara.   Dia niantsoantso toy ny liona izy hoe: “Mijoro mandritra ny andro eto amin’ny tilikambo fiambenana aho, Jehovah ô,Ary mijanona eto amin’ny toeram-piambenako aho isak’alina!+   Jereo ireny tonga ireny! Ireny misy lehilahy mitaingina kalesin’ady tarihin’ny soavaly roa!”+ Dia niteny izy hoe: “Nianjera, nianjera i Babylona!+ Natontany tamin’ny tany daholo ny sary sokitra nataony andriamanitra, ka potipotika!”+ 10  Ry vahoakako voahosihosy toy ny varimbazaha,Ry vokatra* avy eny amin’ny famoloana!+Notantaraiko taminareo izay henoko tamin’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Andriamanitry ny Israely. 11  Ny fanamelohana an’i Doma:* Misy miantso ahy avy any Seira,+ hoe: “Ry mpitily ô! Aiza ho aiza amin’ny alina isika izao? Ry mpitily ô! Aiza ho aiza amin’ny alina isika izao?” 12  Dia hoy ny mpitily: “Efa ho tonga ny maraina, ary ho tonga koa ny alina. Raha te hanontany ianareo, dia manontania. Tongava indray e!” 13  Ny fanamelohana ny lemaka karakaina: Any anaty ala eny amin’ny lemaka karakaina no hatorianareo,Ry andian’olona avy any Dedana.+ 14  Mitondrà rano hitsenana an’izay mangetaheta,Ry mponin’i Tema,+Dia mitondrà mofo ho an’izay mandositra. 15  Fa nandositra sabatra izy ireo, dia sabatra efa voatsoaka tao anaty tranony,Sady nandositra tsipìka efa vonona hitifirana,* sy nandositra ady mahatsiravina. 16  Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Ato anatin’ny herintaona, hoatran’ny taona iasan’ny mpikarama,* dia tsy hanana voninahitra intsony i Kedara.+ 17  Ho vitsy kely sisa no ho tavela amin’ireo mpandefa tsipìka amin’ny miaramilan’i Kedara, fa i Jehovah Andriamanitry ny Israely no efa niteny.”

Fanamarihana

Angamba ny faritr’i Babylonia fahiny.
Abt: “ny andilako hanaintaina be.”
Abt: “zanaka.”
Midika hoe “Fahanginana.”
Na: “efa naforitra.” Abt: “efa nohitsahina.”
Na: “isaina tsara araka ny fanaon’ny mpikarama”, izany hoe ao anatin’ny herintaona katroka.