Isaia 38:1-22

  • Narary i Hezekia, ary sitrana (1-22)

    • Hira fisaorana (10-20)

38  Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia.+ Ary tonga tao aminy i Isaia mpaminany+ zanak’i Amoza, ka niteny hoe: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Mamelà hafatra amin’ny ankohonanao, satria ho faty ianao fa tsy ho sitrana.’”+  Dia nitodika tany amin’ny rindrina i Hezekia, ka nivavaka tamin’i Jehovah hoe:  “Mitalaho aminao aho, Jehovah ô! Mba tsarovy+ re aho fa tsy nivadika taminao e, sady nanompo anao tamin’ny foko manontolo!+ Nanao izay tsara teo imasonao koa aho.” Dia nitomany be izy.  Avy eo dia niteny tamin’i Isaia i Jehovah hoe:  “Miverena any amin’i Hezekia+ dia lazao aminy hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida razambenao: “Efa henoko ny vavaka nataonao,+ ary efa hitako ny ranomasonao.+ Hampiako 15 taona àry ny andro hiainanao.+  Ary hovonjeko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria ianao sy ity tanàna ity, ka harovako ity tanàna ity.+  Izao no famantarana avy amin’i Jehovah mba hahalalanao fa hotanterahin’i Jehovah ny teniny:+  Hataoko mihemotra zanatohatra folo ny aloky ny masoandro izay efa nidina teo amin’ny zanatohatr’i* Ahaza.”’”+ Dia nihemotra zanatohatra folo ny aloka izay efa nidina teo amin’ny zanatohatra.  Izao no nosoratan’i Hezekia mpanjakan’ny Joda, rehefa narary izy ary sitrana tamin’ny aretiny: 10  Hoy aho: “Hiditra eo am-bavahadin’ny Fasana* aho,Amin’izao mbola tsy antitra izao. Hesorina amiko ny taona sisa hiainako.” 11  Hoy indray aho: “Tsy hahita an’i Jah* aho. Tsy hahita an’i Jah eto amin’ny tanin’ny velona aho.+ Tsy hahita olombelona intsony aho,Rehefa any amin’ny maty. 12  Nongotana sy nesorina tamiko ny fonenako,+Hoatran’ny tranolain’ny mpiandry ondry. Ahoroko toy ny lamba ahoron’ny mpanenona ny fiainako.Tapahiny ny kofehin’ny fiainako, hoatran’ny mpanenona manapaka kofehy amin’ny lamba. Ataonao tapitra tsikelikely ny aiko, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny alina.+ 13  Miezaka ho tony aho mandra-pahatongan’ny maraina. Hoatran’ny liona izy, ka tapatapahiny foana ny taolako rehetra.Ataonao tapitra tsikelikely ny aiko, hatramin’ny maraina ka hatramin’ny alina.+ 14  Mitaraindraina foana toy ny sidintsidina na ny fitatrala* aho,+Ary mitoreo foana toy ny voromailala.+ Reraka ny masoko mitazana ny eny amin’ny avo:+ ‘Mijaly be aho, Jehovah ô!Mba tohano aho!’*+ 15  Inona àry no holazaiko? Efa niteny tamiko izy ka nanao zavatra. Hanetry tena aho mandritra ny taona rehetra iainako,Satria nangidy loatra ny nanjo ahy. 16  ‘Jehovah ô, ireo zavatra ireo* no mahavelona ny olona rehetra,Ary ireo no mbola mahavelona ny aiko. Hositraninao aho ka harovanao ny aiko.+ 17  Tsy mba niadana aho fa nangidy loatra ny nanjo ahy.Tia ahy anefa ianao,Ka niaro ahy tsy ho any amin’ny lavaky ny fandringanana.+ Narianao any an-damosinao* daholo ny fahotako.+ 18  Fa tsy afaka manome voninahitra anao ny Fasana,*+Ary tsy afaka midera anao ny fahafatesana.+ Izay midina any an-davaka koa tsy afaka manantena intsony ny hahita hoe tsy mivadika ianao.+ 19  Ny velona, ny velona no afaka midera anao,Hoatr’izao ataoko androany izao. Ny ray no afaka mampianatra ny zanany hoe tsy mivadika ianao.+ 20  Vonjeo aho, Jehovah ô!Dia hotendrenay amin’ny zavamaneno ny hirako,+Mandritra ny andro rehetra iainanay ao an-tranon’i Jehovah.’”+ 21  Dia hoy i Isaia: “Mitondrà mofo vita amin’ny aviavy maina noporetina, dia apetaho eo amin’ilay fery mba ho sitrana izy.”+ 22  Efa nanontany i Hezekia talohan’izay hoe: “Inona no famantarana fa hiakatra any an-tranon’i Jehovah aho?”+

Fanamarihana

Angamba natao hamantarana ora ireo zanatohatra ireo.
Jereo F.T.
“Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
Abt: “Aoka ianao ho antoka ho ahy.”
Na mety hoe “vano.”
Izany hoe izay lazain’Andriamanitra sy ataony.
Na: “Nesorinao mba tsy ho hitanao.”
Jereo F.T.