Isaia 57:1-21

  • Maty ny olo-marina sy ny olona tsy mivadika (1, 2)

  • Toy ny vehivavy mpivaro-tena ny Israely (3-13)

  • Fampiononana ho an’izay manetry tena (14-21)

    • Hoatran’ny ranomasina misamboaravoara ny ratsy fanahy (20)

    • Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy (21)

57  Maty ny olo-marina,Nefa tsy misy miraharaha an’izany. Nindaosin’ny fahafatesana* koa ny olona tsy mivadika,+Nefa tsy misy mahafantatra akory hoe maty ny olo-marinaSatria* tratran’ny loza.   Mahita fiadanana izy. Miala sasatra eo amin’ny farafara vato* izay rehetra manao izay mahitsy.   “Ianareo kosa manatòna etỳ,Ianareo zanaky ny vehivavy mpilalao ody,Dia ianareo zanaky ny mpanitsakitsa-bady sy vehivavy mpivaro-tena.   Maneso an’iza ianareo? Manondro molotra sy mitranga lela amin’iza ianareo? Ianareo angaha tsy zanaky ny fandikan-dalànaSy zanaky ny fitaka,+   Izay manaitra ny filany eny akaikin’ireo hazobe+Sy eny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra,+Sady manao sorona ankizy eny amin’ny lohasaha,*+Eny an-tsefatsefaky ny harambato?   Ny vato malama eny amin’ny lohasaha* no anjaranao.+ Ireny tokoa no anjaranao! Mandraraka fanatitra zava-pisotro amin’izy ireny koa aza ianao sady manolotra fanomezana ho azy.+ Izany ve dia hahafaly* ahy?   Teny amin’ny tendrombohitra avo sy manerinerina ianao no nanamboatra ny fandriananao.+Niakatra teny koa ianao mba hanao sorona.+   Nametraka marika fahatsiarovana tao ambadiky ny varavarana sy tolàna ianao. Nilaozanao aho dia nesorinao ny akanjonao.Dia niakatra ianao ary nataonao malalaka ny fandriananao. Nanao fifanekena tamin’ireny koa ianao. Tia niray fandriana tamin’ireny ianao,+Ary nibanjina ny filahiana.*   Nidina nitondra menaka tany amin’i Meleka* ianao,Dia nitondra zava-manitra be dia be. Nalefanao lavitra koa ny irakao,Ka lasa afaka nidina tany amin’ny Fasana* ianao. 10  Nandehandeha be ianao, dia izany no nandanianao ny herinao.Tsy mba niteny anefa ianao hoe: ‘Tsy misy antenaina intsony!’ Nahazo hery indray ianao, Ka tsy kivy.* 11  Iza no nampihorohoro anao sy natahoranao,Ka nahatonga anao handainga?+ Tsy nahatsiaro ahy ianao,+ Ary tsy nisy na inona na inona nalatsakao tao am-ponao.+ Tsy efa nangina foana ve aho, ka tsy niteny?*+ Na izaho aza anefa tsy mba natahoranao. 12  Hataoko fantatry ny rehetra izay mba lazainao hoe fahamarinanao+ sy asanao,+Ary tsy hahasoa anao ireny.+ 13  Rehefa miantso vonjy ianao,Dia tsy hamonjy anao ny sampy nangoninao.+ Ho lasan’ny rivotra daholo ireny,Sady fofonaina fotsiny dia hahavita hipaoka azy.Fa izay mialoka amiko kosa handova ny tany,Ary ho lasa fananany ny tendrombohitro masina.+ 14  Dia hisy hiteny hoe: ‘Manamboara lalana!+ Manamboara lalana! Omano ny lalana! Esory ny sakantsakana rehetra eny amin’ny lalan’ny vahoakako.’” 15  Fa izao no tenin’ilay Avo, dia Ilay Misandratra,Izay velona* mandrakizay+ sady masina ny anarany:+ “Mipetraka any amin’ny avo sy any amin’ny toerana masina aho,+Nefa koa eo amin’izay torotoro fo sy manetry tena,Satria te hanatanjaka ny sain’izay manetry tena,Sy hanatanjaka ny fon’izay torotoro fo.+ 16  Fa tsy hiady aminy mandrakizay aho,Na ho tezitra foana.+Fa ho reraka noho ny amiko ny sain’ny olona,+Ary ho reraka koa ny zavamananaina nataoko. 17  Tezitra aho satria nanota izy ka naka tombony tsy ara-drariny.+Dia nosaziko izy, ka nafeniko azy ny tarehiko fa tezitra aho. Mbola nikomy foana+ anefa izy ka nanao an’izay mahafinaritra ny fony. 18  Efa hitako ny nataony,Nefa hanasitrana azy aho+ sady hitarika azy.+Dia hampiononiko indray izy+ sy izay* misaona+ miaraka aminy.” 19  “Izaho no mamorona ny teny fiderana.* Hampiadaniko foana izay lavitra sy akaiky”,+ hoy i Jehovah,“Ary hositraniko izy.” 20  “Hoatran’ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony kosa ny ratsy fanahy,Ary mamoaka ahidranomasina sy fotaka ilay ranomasina. 21  Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy”,+ hoy ny Andriamanitro.

Fanamarihana

Na mety hoe “Amin’izay tsy ho.”
Izany hoe maty.
Izany hoe ao am-pasana.
Na: “lalan-driaka.”
Na: “hampionona.”
Na: “lalan-driaka.”
Mety ho fombafomba fanao tamin’ny fanompoan-tsampy.
Na mety hoe “amin’ny mpanjaka.”
Jereo F.T.
Abt: “tsy reraka.”
Na: “ka nanafina ny nataonao?”
Na: “mipetraka.”
Na: “honerako ny fampiononana tsy nomena azy sy tsy nomena an’izay.”
Abt: “ny vokatry ny molotra.”