Isaia 2:1-22
2 Izao no hitan’i Isaia zanak’i Amoza momba an’i Joda sy Jerosalema:+
2 Any am-parany any,*Ilay tendrombohitra misy ny tranon’i JehovahDia ho mafy orina sady ho avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra,+Ka hasandratra ho avo noho ireo havoana.Ary hiaraka ho any ny firenena rehetra.+
3 Be dia be ny olona ho any, ka hiteny hoe:
“Avia! Andao isika hiakatra ho any an-tendrombohitr’i Jehovah,Ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba.+
Hampianatra antsika ny lalany izy,Dia handeha amin’ny lalana atorony isika.”+
Fa avy ao Ziona no hivoahan’ny lalàna,*Ary avy ao Jerosalema ny tenin’i Jehovah.+
4 Hamoaka didim-pitsarana eo amin’ireo firenena izy,Ka hanitsy* an’izay tsy mety eo amin’izy ireo.
Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo,Ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka.+
Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena,Sady tsy hianatra ady intsony.+
5 Ry taranak’i Jakoba ô,Andao isika hanaraka ny hazavana avy amin’i Jehovah!+
6 Fa nafoinao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakoba,+Satria lasa feno zavatra avy any Atsinanana ny taniny.Mampiasa herin’ny maizina+ hoatran’ny ataon’ny Filistinina koa izy ireo,Ary feno zanaky ny hafa firenena eo aminy.
7 Feno volafotsy sy volamena ny taniny,Ary tsy mety lany ny harenany.
Feno soavaly koa ny taniny,Sady tsy voaisa ny kalesiny.+
8 Feno andriamanitra tsy misy dikany ny taniny.+
Miankohoka amin’ny zavatra nataon’ny tanany ihany izy ireo,Dia amin’ny zavatra nataon’ny rantsantanany ihany.
9 Manambany ny tenany àry ny olona ka afa-baraka,Dia tsy ho afaka hamela ny helony ianao.
10 Midira ao anaty vatolampy ary miafena ao amin’ny vovoka,Fa mampahatahotra ny fahatezeran’i Jehovah,Ary mamirapiratra ny fahalehibeazany.+
11 Haetry ny mason’ny olona mianjonanjona,*Ary ho lasa ambany* ny olona manambony tena.
Fa i Jehovah irery ihany no hasandratra amin’izany andro izany.
12 Andron’i Jehovah Tompon’ny tafika mantsy izany,+
Ka ho tonga amin’izay mirehareha sy manambony tena,Amin’ny olona rehetra, na ambony izy na ambany,+
13 Amin’ny sedera avo be mijoalajoala rehetra any Libàna,Amin’ny hazo oaka rehetra any Basana,
14 Amin’ny tendrombohitra avo rehetra,Amin’ny havoana rehetra,
15 Amin’ny tilikambo avo rehetra sy ny manda voaro mafy rehetra,
16 Amin’ny sambon’i Tarsisy rehetra+Ary amin’ny sambo mirenty rehetra.
17 Dia haetry ny olona mianjonanjona,Ary ho lasa ambany* ny olona manambony tena.
Fa i Jehovah irery ihany no hasandratra amin’izany andro izany.
18 Hanjavona tanteraka ireo andriamanitra tsy misy dikany.+
19 Dia hiditra any anaty lava-batoSy ao anaty lavaka any ambanin’ny tany ny olona.+Fa mampahatahotra ny fahatezeran’i Jehovah,Ary mamirapiratra ny fahalehibeazany,+Rehefa mitsangana mba hampangovitra sy hampitahotra ny tany izy.
20 Amin’izany andro izany, dia halain’ny olona ny andriamaniny volafotsy sy volamena tsy misy dikany,Izay nataony hiankohofana,Ka hariany any amin’ny voalavo matsoko vava sy ny ramanavy.+
21 Dia hiditra any anaty lava-batoSy any an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo.Fa mampahatahotra ny fahatezeran’i Jehovah,Ary mamirapiratra ny fahalehibeazany,Rehefa mitsangana mba hampangovitra sy hampitahotra ny tany izy.
22 Raha tsy te hahita loza àry ianareo, dia aza matoky olombelona intsony.Fa fofonaina ihany no eo am-bavorony,*
Ka misy dikany inona moa izy?
Fanamarihana
^ Na: “Amin’ny andro farany.”
^ Na: “toromarika.”
^ Na: “handamina.”
^ Na: “miavonavona.”
^ Na: “Ary haetry.”
^ Na: “Ary haetry.”
^ Na: “fofonaina eo am-bavorony ihany izy.”