Isaia 59:1-21
59 Tsy hoe fohy loatra ny tanan’i Jehovah ka tsy mahavonjy,+Na hoe donto* loatra ny sofiny ka tsy maheno.+
2 Tsy izany, fa ny fahadisoanareo ihany no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo.+
Ny fahotanareo ihany koa no mahatonga azy hanafina ny tarehiny tsy ho hitanareo,Ka tsy mety mihaino anareo izy.+
3 Fa mihosin-dra ny felatananareo,+Ary feno fahadisoana ny rantsantananareo.
Mandainga ny molotrareo,+ ary mingonongonona zavatra tsy marina ny vavanareo.
4 Tsy misy olona miantsoantso mba hiaro ny fahamarinana,+Ary tsy misy milaza ny marina izay mankany amin’ny fitsarana.
Zavatra tsisy dikany* no ianteheran’izy ireo,+ ary zavatra tsisy ilana azy no teneniny.
Teti-dratsy no miforona ao an-kibony, ka zava-doza+ no aterany.
5 Mikotrika atodina bibilava misy poizina izy ireo,Ary manenona tranon-kala.+
Ho faty izay mihinana ny atodiny,Ary bibilava misy poizina no foy avy ao amin’ny atody nopotipotehina.
6 Tsy ho azo atao fitafiana ny tranon-kalany,Ary tsy ho azony irakofana ny zavatra vitany.+
Mampidi-doza ny zavatra ataony,Ary mahery setra foana ny tanany.+
7 Mihazakazaka hanao ratsy ny tongony,Ary maika handatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izy ireo.+
Zava-dratsy no eritreretiny,Ary fandringanana sy fandravana no eny amin’ny lalany.+
8 Tsy fantany ny lalan’ny fiadanana,Ary tsy misy rariny eny amin’ny lalany.+
Ataony miolakolaka ny lalana alehany,Ka tsy hahita fiadanana+ mihitsy izay mandeha eny.
9 Izany no mahatonga ny rariny ho lavitra anay,Sy ny fahamarinana tsy hahatratra anay.
Manantena hazavana foana izahay nefa haizina no hitanay,Ary manantena andro mazava nefa mbola mandeha ao anatin’ny haizim-pito ihany.+
10 Mitsapatsapa manara-drindrina toy ny jamba izahay,Ka mitsapatsapa toy ny olona tsy manana maso.+
Tafintohina izahay amin’ny mitataovovonana, hoatran’ny amin’ny takariva maizimaizina ihany,Ary hoatran’ny maty izahay rehefa miaraka amin’ireo mahery.
11 Mierona toy ny orsa izahay rehetra,Ary mitoreo sy malahelo toy ny voromailala.
Manantena rariny izahay nefa tsy misy izany,Ary manantena famonjena nefa lavitra anay izany.
12 Imbetsaka mantsy izahay no mikomy eo anatrehanao,+Ary samy miampanga anay ny fahotanay.+
Fantatray tsara fa mikomy foana izahay,Sady manao fahadisoana imbetsaka.+
13 Mandika lalàna sy mandà an’i Jehovah izahay,Ary manome lamosina an’Andriamanitray.
Mifampiresaka foana izahay hoe hampijaly sy hikomy.+Mamorona lainga ao am-ponay koa izahay,+ ka mingonongonona teny tsy marina.
14 Dia mihemotra ny rariny,+Ary mijanona eny lavitra eny ny hitsiny.+Tafintohina eny amin’ny tany malalaky ny tanàna mantsy ny fahamarinana,*Ary tsy tafiditra eny ny fahitsiana.
15 Foana tsy misy intsony ny fahamarinana,*+Ary misy mandroba izay olona mifady ny ratsy.
Nahita an’izany i Jehovah ka tena tsy faly,*Satria tsy nisy intsony ny rariny.+
16 Hitany fa tsy nisy olona mba hanampy,Ary gaga izy fa tsy mba nisy mpanelanelana.Ny sandriny àry no nampiasainy mba hamonjy,*Ary ny fahamarinany ihany no nanohana azy.
17 Dia nanaovany hoatran’ny akanjo mifono vy ny fahamarinana,Ary nataony teo amin’ny lohany ny fiarovan-doha, izany hoe ny famonjena.*+
Notafiny koa ny valifaty,+Ary nanaovany hoatran’ny akanjo* ny zotom-po.
18 Araka izay ataon’ny olona ihany no hamaliany azy:+
Ho tezitra amin’ny fahavalony izy, ary hamaly an’ireo miady aminy.+
Hovaliany araka izay sahaza azy koa ireo nosy.
19 Dia hatahotra ny anaran’i Jehovah ny avy any amin’ny filentehan’ny masoandro,Ary hatahotra ny voninahiny ny avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.Fa ho avy toy ny renirano misasasasa izy,Ka ny fanahin’i Jehovah no mitarika azy.
20 “Ho tonga any Ziona+ ilay Mpanavotra,+Ho tonga any amin’izay tsy mandika lalàna intsony amin’ny taranak’i Jakoba”,+ hoy i Jehovah.
21 “Izao no fifanekena ataoko amin’izy ireo”,+ hoy i Jehovah: “Ny fanahiko izay ao aminao sy ny teniko nataoko teo am-bavanao, dia tsy hesorina eo am-bavanao, na eo am-bavan’ny zanakao,* na eo am-bavan’ny zafikelinao,* manomboka izao ka ho mandrakizay”, hoy i Jehovah.
Fanamarihana
^ Abt: “mavesatra.”
^ Na: “Zavatra poakaty.”
^ Na: “fanaovana ny marina.”
^ Na: “fanaovana ny marina.”
^ Abt: “ka ratsy teo imasony izany.”
^ Na: “hitondra fandresena ho azy.”
^ Na: “fandresena.”
^ Na: “akanjo tsy misy tanany.”
^ Abt: “taranakao.”
^ Abt: “taranaky ny taranakao.”