Isaia 62:1-12

  • Homena anarana vaovao i Ziona (1-12)

62  Tsy hangina aho noho ny amin’i Ziona,+Ary tsy hipetra-potsiny aho noho ny amin’i Jerosalema,Raha tsy efa mamirapiratra hoatran’ny hazavana ny fahamarinany,+Ary raha tsy efa mirehitra hoatran’ny fanilo ny famonjena azy.+   “Hahita ny fahamarinanao ny firenena, ry vehivavy,+Ary hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra.+ Dia homena anarana vaovao+ ianao,Ka i Jehovah mihitsy no hanome an’izany.   Ho lasa satroboninahitra tsara tarehy eo an-tanan’i Jehovah ianao,Ho fehilohan’ny mpanjaka, eo am-pelatanan’ilay Andriamanitrao.   Tsy hantsoina intsony hoe vehivavy nilaozam-bady+ ianao,Ary ny taninao tsy hatao intsony hoe tany tsy misy mponina.+ Fa ianao kosa hantsoina hoe Sitrako Izy,+Ary ny taninao hoe Ilay Manambady. Fa hankasitraka anao i Jehovah,Ary ny taninao ho lasa hoatran’ny hoe manambady.   Fa hoatran’ny tovolahy manambady virjiny,Dia hanambady anao koa ny zanakao. Faly be amin’ny ampakarina ny mpampakatra,Dia hoatr’izany koa fa ho faly be aminao ilay Andriamanitrao.+   Efa nanendry mpitily ho eny ambonin’ny mandanao aho, ry Jerosalema ô! Tsy tokony hangina mihitsy izy ireo, na andro na alina. “Ianareo izay miresaka momba an’i Jehovah,Aza mitsahatra mihitsy,   Dia aza avela hitsahatra mihitsy koa izy, raha tsy efa voaoriny mafy i Jerosalema,Ary raha tsy efa ataony midera azy io ny olona eran-tany.”+   Efa nanangana ny tanany ankavanana sy ny sandriny mahery i Jehovah, ka nianiana hoe: “Tsy homeko ho sakafon’ny fahavalonao intsony ny varimbazahanao,Ary tsy hosotroin’ny hafa firenena intsony ny divainao vaovao, izay efa nisasaranao.+   Fa izay mijinja azy ihany no hihinana azy, ka hidera an’i Jehovah.Dia izay mioty azy ihany no hisotro azy ao amin’ny tokotaniko masina.”+ 10  Mivoaha amin’ny vavahady, mivoaha! Karakarao izay lalana halehan’ny olona!+ Manamboara lalambe, manamboara! Esory izay vato eny.+ Manangàna tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena.+ 11  Izao no nolazain’i Jehovah hatrany amin’ny faran’ny tany: “Teneno i Ziona zanakavavy hoe:‘Efa kely sisa dia hovonjena ianao.+ Efa eny aminy ny valisoa homeny,Ary efa any aminy ny karama haloany.’”+ 12  Dia hantsoina hoe vahoaka masina navotan’i Jehovah+ izy ireo.Ary ianao koa hantsoina hoe Ilay Notadiavina, Tanàna Tsy Nilaozana.+

Fanamarihana