Isaia 18:1-7
-
Fanamelohana an’i Etiopia (1-7)
18 Hahita loza ilay tany feno bibikely manana elatra,*Dia ilay tany any amin’ny faritry ny reniranon’i Etiopia!+
2 Io tany io no mandefa iraka handeha eny ambony ranomasina,Sy handeha lakan-jozoro eny ambony rano, ka miteny hoe:
“Ry iraka haingam-pandeha!Mandehana any amin’ny firenena lava ranjanana sy malama hoditra,*Any amin’ny vahoaka atahoran’ny olona hatraiza hatraiza,+Sady firenena matanjaka sy mpandresy.*Lasan’ny renirano koa ny taniny.”
3 Ry mponina rehetra ao amin’ilay tany, sy ianareo mipetraka etỳ ambonin’ny tany!Izay hitanareo dia ho toy ny tsato-kazo famantarana atsangana eny an-tendrombohitra.Ary haheno feo toy ny feon’anjombona ianareo.
4 Fa izao no nolazain’i Jehovah tamiko:
“Ho tony aho, sady hijery eo* amin’ny toerana onenako,Hoatran’ny hafanana mandoro sy ny hazavan’ny masoandro,Ary hoatran’ny ando mirotsaka ao anatin’ny hafanana amin’ny fotoam-pijinjana.
5 Fa alohan’ny fijinjana,Rehefa mivelatra tanteraka ny felam-boaloboka ka lasa voaloboka masaka ny voniny,Dia hotapahina amin’ny antsy fandrantsanam-boaloboka ny tsimoka,Ary hotapahina sy hesorina koa ny sakelika.
6 Havela ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra daholo ireny,Ary ho an’ny bibidia etỳ an-tany.
Ho eny foana ny vorona mpihaza, mandritra ny fahavaratra,Ary ho eny foana koa ny bibidia rehetra etỳ an-tany, mandritra ny fotoam-pijinjana.
7 Amin’izay fotoana izay, dia hisy fanomezana haterina any amin’i Jehovah Tompon’ny tafika,Dia fanomezana avy any amin’ny firenena lava ranjanana sy malama hoditra,*Avy any amin’ny vahoaka atahoran’ny olona hatraiza hatraiza,Avy any amin’ny firenena matanjaka sy mpandresy.*Lasan’ny renirano koa ny taniny,Ka tonga any amin’ny toerana mitondra ny anaran’i Jehovah Tompon’ny tafika, dia ny Tendrombohitra Ziona.”+
Fanamarihana
^ Na: “manana elatra manenoneno.”
^ Abt: “firenena nohalavaina sy nohalamaina.”
^ Na: “firenena mafy toto izay manitsakitsaka.”
^ Na mety hoe “avy eo.”
^ Abt: “firenena nohalavaina sy nohalamaina.”
^ Na: “firenena mafy toto izay manitsakitsaka.”