Isaia 12:1-6
12 Hiteny tokoa ianao amin’izany andro izany hoe:
“Misaotra anao aho, Jehovah ô,Fa na dia tezitra tamiko aza ianao,Dia nitony tsikelikely ny fahatezeranao, ary nampionona ahy ianao.+
2 Andriamanitra no mpamonjy ahy.+
Hatoky aho ka tsy hatahotra be,+Fa i Jah* Jehovah no tanjako sy heriko,Ary izy no lasa mpamonjy ahy.”+
3 Ho faly ianareo rehefa manovo ranoAo amin’ny loharanon’ny famonjena.+
4 Hiteny ianareo amin’izany andro izany hoe:
“Misaora an’i Jehovah, ary miantsoa ny anarany.Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony,+
Ary torio hoe misandratra ny anarany.+
5 Manaova hira fiderana* ho an’i Jehovah,+ fa nanao zavatra miavaka izy,+
Ary ampahafantaro eran-tany izany.
6 Mihorakoraha sy mihobia, ry mponin’i Ziona,Fa lehibe Ilay Masin’ny Israely eo anivonareo.”