Isaia 39:1-8

  • Olona nirahina avy any Babylona (1-8)

39  Tamin’izany andro izany, dia nandefa taratasy sy fanomezana ho an’i Hezekia+ i Merodaka-baladana mpanjakan’i Babylona, zanak’i Baladana. Henony mantsy hoe narary i Hezekia ary efa sitrana.+ 2  Faly nandray azy ireo* i Hezekia, ka nasehony azy ny tao amin’ny trano fitehirizan-karenany,+ dia ny volafotsy, ny volamena, ny menaka balsama, ny menaka sarobidy hafa, ny fitaovam-piadiany rehetra, ary izay rehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany. Tsy nisy tsy nasehon’i Hezekia azy ny tao an-tranony* sy ny tao amin’ny fanjakany manontolo. 3  Taorian’izay, dia nankao amin’i Hezekia Mpanjaka i Isaia mpaminany, ka nanontany hoe: “Inona no nolazain’ireny olona ireny, ary avy aiza, hono, ry zareo?” Dia hoy i Hezekia: “Avy any an-tany lavitra ry zareo, avy any Babylona.”+ 4  Nanontany indray i Isaia hoe: “Inona no hitan-dry zareo tato an-tranonao?”* Dia hoy i Hezekia: “Hitany daholo izay rehetra ato an-tranoko.* Tsy nisy tsy nasehoko azy ny tao amin’ny fitehirizan-karenako.” 5  Dia hoy i Isaia tamin’i Hezekia: “Henoy ny tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: 6  ‘Ho avy ny andro hitondrana an’izay rehetra ato an-tranonao* any Babylona. Hoentina any koa izay rehetra notehirizin’ny razambenao hatramin’izao. Tsy hisy na inona na inona ho tavela’,+ hoy i Jehovah.+ 7  ‘Hisy hoentina any koa ny zanakao lahy izay haterakao, ka ho lasa tandapa any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona.’”+ 8  Dia hoy i Hezekia tamin’i Isaia: “Mety izany tenin’i Jehovah nolazainao izany.” Hoy koa izy: “Mbola hisy fiadanana sy filaminana* ihany mantsy mandritra ny androm-piainako.”+

Fanamarihana

Abt: “Faly tamin’izy ireo.”
Na: “an-dapany.”
Na: “an-dapanao.”
Na: “an-dapako.”
Na: “an-dapanao.”
Na: “fahamarinana.”