Isaia 16:1-14

  • Fanamelohana an’i Moaba: Tohiny (1-14)

16  Andefaso ondrilahy ny mpitondra eo amin’ilay tany,Dia ondry avy any Sela hamakivaky ny tany efitraHatrany amin’ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy.   Hoatran’ny voro-manidina voaroaka ao amin’ny akaniny,+Dia ho toy izany ny zanakavavin’i Moaba eny amin’ny toerana fiampitana an’i Arnona.+   “Manomeza torohevitra, dia tanteraho ilay fanapahan-kevitra. Ataovy maizina be hoatran’ny amin’ny alina ny alokao amin’ny mitataovovonana. Afeno ny olona miparitaka, ary aza mamadika an’izay mandositra.   Enga anie ka hipetraka ao aminao izay vahoakako miparitaka, ry Moaba! Ataovy lasa toerana fiafenany ianao, satria ho avy ny mpandringana azy.+ Tsy hisy mpampijaly intsony,Ary ho tapitra ny fandringanana.Haripaka tsy hisy eto an-tany intsony koa izay manao tsinontsinona olona.   Hatao mafy orina ny seza fiandrianana, Dia ho be fitiavana sy tsy hivadika ary ho mendri-pitokisana ilay mpanjaka hipetraka eo, ao amin’ny tranolain’i Davida.+Hitsara araka ny rariny izy, ary hampihariny haingana izay mahitsy.”+   Efa henonay ny fireharehan’i Moaba, fa mirehareha be izy.+Manambony tena sy mirehareha izy sady romotra.+Miteniteny foana anefa izy ka tsy hahavita na inona na inona akory.   Hidradradradra àry i Moaba noho ny fahoriany,Hidradradradra daholo ny olona any.+ Hitaraindraina izay ampijalina, satria malahelo ny mofo vita amin’ny voaloboka maina any Kira-haresa.+   Malazo ny voly eny amin’ny tanimboly mikitohatohatr’i Hesbona.+Malazo koa ny voalobok’i Sibma.+Nohitsakitsahin’ny mpitondran’ireo firenena ny sampany mena midorehitra.*Tonga hatrany Jazera ireny sampany ireny,+Ary nisandrahaka hatrany an-tany efitra. Nandrobona ny tsimok’ireny, ka tonga hatrany amin’ny ranomasina.   Hitomany noho ny voalobok’i Sibma àry aho, hoatran’ny itomaniako an’i Jazera. Hataoko kotsan’ny ranomasoko ianareo, ry Hesbona sy Elale,+Satria tsy mihorakoraka intsony ny mpioty voankazo masaka fahavaratra sy ny mpijinja.* 10  Tsy misy mifalifaly sy miravoravo intsony eny amin’ny saham-boankazo,Ary tsy misy mihirahira sy mihorakoraka intsony eny an-tanimboaloboka.+ Tsy manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazam-boaloboka intsony ny olona mpanao an’izany,Satria natsahatro tanteraka ny horakoraka.+ 11  Mipararetra ny foko noho ny amin’i Moaba,+Ka mangovitra hoatran’ny harpa tendrena.Mangovitra koa ny any anatiko lalina any, noho ny amin’i Kira-haresa.+ 12  Tsy hahavita na inona na inona i Moaba, na dia mandrera-tena eny amin’ny toerana avo aza, sady mandeha mivavaka eny amin’ny toerany masina.+ 13  Izany no efa nolazain’i Jehovah momba an’i Moaba. 14  Hoy indray i Jehovah izao: “Ato anatin’ny telo taona, hoatran’ny taona iasan’ny mpikarama,* dia hatao afa-baraka i Moaba, ary hisahotaka be ny olona ao aminy. Ho vitsy kely sisa sady tsy hatanjaka ny olona tavela ao.”+

Fanamarihana

Na: “ny sampany feno voaloboka mena.”
Na mety hoe “Satria mihorakoraka ireo mpiady, mandritra ny fiotazanareo voankazo masaka fahavaratra sy ny fijinjana ataonareo.”
Na: “isaina tsara araka ny fanaon’ny mpikarama”, izany hoe ao anatin’ny telo taona katroka.