Isaia 10:1-34

  • Hamely ny Israely ny tanan’Andriamanitra (1-4)

  • Asyria, ilay tsorakazo hampiasain’i Jehovah (5-11)

  • Hosazina i Asyria (12-19)

  • Hiverina ny sisa amin’ny taranak’i Jakoba (20-27)

  • Hotsarain’i Jehovah i Asyria (28-34)

10  Hahita loza izay mamoaka fitsipika mampidi-doza,+Dia izay tsy mitsahatra mamorona didy mampahory,  2  Mba tsy hihainoana ny fitorian’ny mahantra,Na hanomezana rariny ny madinika eo amin’ny vahoakako,+Ka halain’izy ireo ny fananan’ny mpitondratena,Ary horobainy ny kamboty ray!+  3  Dia ahoana no hataonareo amin’ny andro fitsarana,*+Rehefa tonga ny fandravana avy any lavitra?+ Any amin’iza ianareo no handositra hitady fanampiana,+Ary havelanareo aiza ny harenanareo?*  4  Tsy hisy ho azo atao afa-tsy ny mihohoka miaraka amin’ireo gadra,Na ny mitsitra miaraka amin’ireo voavono. Noho izany rehetra izany, dia mbola tezitra foana Izy,Ka mbola manatsotra ny tanany mba hamely.+  5  “Jereo ny Asyrianina!+Izy no tsorakazo hampiasaiko mba hanehoako ny fahatezerako,+Ary ny tehina eny an-tanany no hoentiko hanasaziana.  6  Hirahiko hamely firenena mpikomy* izy,+Hamely vahoaka nampahatezitra be ahy.Hasaiko maka babo be dia be sy mandroba zavatra maro koa izy,Ary manosihosy an’ireny toy ny fanosihosy fotaka eny an-dalana.+  7  Tsy te hanao an’izany anefa izy,Ary tsy hitetika hanao an’izany ny fony,Fa efa ao am-pony ny handringanaSy handripaka firenena be dia be fa tsy vitsy.  8  Milaza mantsy izy hoe:‘Tsy mpanjaka daholo koa angaha ireo andrianako?+  9  Tsy hoatran’i Karkemisy+ ihany ve i Kalno?+ Tsy tahaka an’i Arpada+ ihany ve i Hamata?+ Ary tsy hoatran’i Damaskosy+ ihany ve i Samaria?+ 10  Nalaiko ny fanjakan’ireo andriamanitra tsy misy dikany,Izay nanana sary sokitra betsaka noho ny tany Jerosalema sy Samaria.+ 11  Koa tsy hataoko amin’i Jerosalema sy ny sampiny veIzay efa nataoko tamin’i Samaria sy ny andriamaniny tsy misy dikany?+ 12  “Rehefa vitan’i Jehovah daholo ny asany eo amin’ny Tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema, dia hosaziny* ny mpanjakan’i Asyria, satria maniratsira sy mirehareha ary manambony tena.+ 13  Miteny mantsy izy hoe:‘Ho vitako izany noho ny herin-tsandrikoSy noho ny fahendreko, fa hendry aho. Ary hofoanako ny sisin-tanin’ireo firenena,+Sady horobaiko ny harenany.+Dia hifehy an’ireo mponina aho, hoatran’ny ataon’ny lehilahy matanjaka.+ 14  Ho toy ny lehilahy maka tranom-borona aho,Ka halaiko ny harenan’ireo firenena.Ary ho tahaka ny olona manangona atody nilaozana aho,Ka hangoniko ny zava-drehetra eto an-tany. Dia tsy hisy vorona ho afaka hikopaka elatra na hanoka-bava na hikiakiaka.’” 15  Ny famaky ve dia hanandra-tena ho ambony noho izay mikapa aminy? Ny tsofa ve dia hihevi-tena ho ambony noho izay manatsofa aminy? Ny tehina+ ve dia ho afaka hanetsiketsika an’ilay manainga azy? Ary ny tsorakazo ve dia ho afaka hanainga an’ilay mitazona azy?* 16  Izao àry no hataon’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay tena Tompo:Handefasany aretina mankahia ireo matavy eo aminy,+Ary handrehetany afo miredareda eo ambanin’ny voninahiny.+ 17  Ho lasa afo+ ilay Fahazavan’ny Israely,+Ary ho lasa lelafo Ilay Masiny.Hiredareda izy io, ka holevoniny ao anatin’ny iray andro ny ahidratsy sy ny tsilon’i Asyria. 18  Hofoanany tanteraka ny ala sy ny saham-boankazo tsara tarehin’i Asyria,Ka ho lasa hoatran’ny olona marary lanin’ny aretina.+ 19  Ho vitsy kely ny hazo sisa tavela ao amin’ny alany,Ka na ny ankizy kely aza hahavita hanoratra ny isany. 20  Amin’izany andro izany, dia tsy hiantehitra amin’ilay namely azy intsony+Ireo sisa tavela amin’i Israely,Sy izay sisa miangana amin’ny taranak’i Jakoba.Fa hiantehitra amin’i Jehovah, Ilay Masin’ny Israely, kosa izy ireo,Sady tsy hivadika aminy. 21  Izay sisa miangana no hiverina amin’ilay Andriamanitra Mahery,Dia izay sisa amin’ny taranak’i Jakoba.+ 22  Ry Israely ô, na betsaka aza ny vahoakanao,Hoatran’ny fasika any an-dranomasina,Dia ny sisa amin’izy ireo ihany no hiverina.+ Efa tapaka hoe haringana ny vahoaka,+Ka hampiharina tanteraka aminy ny rariny.*+ 23  Efa tapa-kevitra ny handringana i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony,Ka hampiharina amin’ilay tany manontolo izany.+ 24  Izao àry no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony: “Ry vahoakako mipetraka ao Ziona ô! Aza matahotra noho ny amin’ny Asyrianina, izay namely anareo tamin’ny tsorakazo, sady nanainga ny tehiny+ hamelezana anareo toy ny nataon’i Ejipta.+ 25  Fa kely sisa dia hifarana ny fanamelohana, dia ho tezitra amin’i Asyria indray aho ka handringana azy.+ 26  Hanambana azy amin’ny karavasy i Jehovah Tompon’ny tafika,+ toy ny tamin’izy nandresy ny Midianina teo akaikin’ny harambaton’i Oreba.+ Ho eo ambony ranomasina ny tehiny, ka hingainy toy ny nataony tamin’i Ejipta.+ 27  Amin’izany andro izany, dia hiala tsy ho eo an-tsorokao+ ny entana nampitondrain’i Asyria,Ary hiala tsy ho eo am-bozonao ny ziogany.+Dia hopotipotehina+ ilay zioga, noho ny fisian’ny menaka.”* 28  Tonga ao Aiata+ i Asyria,Ary mandalo an’i Migrona.Dia apetrany ao Mikmasy+ ny entany. 29  Ary mandeha eo amin’ny toerana fiampitana izy,Ka matory ao Geba.+Mihorohoro i Rama, ary mandositra i Gibea+ tanànan’i Saoly.+ 30  Manaova antsoantso sy kiakiaka mafy, ry zanakavavin’i Galima! Mihainoa, ry Laisy Sy Anatota,+ izay mampalahelo! 31  Mandositra i Madmena, Ary mitady fialofana ny mponin’i Gebima. 32  Hijanona ao Noba+ i Asyria amin’izay andro izay. Hambanany totohondry ny tendrombohitr’i Ziona zanakavavy,Dia ilay havoanan’i Jerosalema. 33  Manapaka an’ireo sampan-kazo i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay tena Tompo,Ka midaraboka mafy ireny.+Kapaina ireo hazo faran’izay avo,Ary aetry izay ambony. 34  Kapainy amin’ny fitaovana vy* ireo kirihitra any an’ala,Ary hisy mahery handavo an’i Libàna.

Fanamarihana

Na: “fanasaziana.”
Na: “voninahitrareo.”
Na: “mpivadi-pinoana.”
Abt: “hosaziko.”
Na: “an’ilay tsy vita amin’ny hazo?”
Na: “sazy.”
Mety ho menaka nandrehetana afo ilay izy, na menaka nanosorana ny olona iray ho mpanjaka.
Na: “famaky.”