Isaia 61:1-11
61 Ny fanahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony no ato amiko,+Satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra i Jehovah.+
Nirahiny hanisy fehy lamba ny ratran’ny torotoro fo aho,Sy hanambara hoe ho afaka ny babo,Ary hampahiratina ny mason’ny voafonja mba tena hahita tsara.+
2 Nirahiny koa aho hitory ny taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana,Sy ny andro famalian’ilay Andriamanitsika,+Mba hampionona an’izay malahelo rehetra,+
3 Sy hanome izay ilain’ireo malahelo noho izay nanjo an’i Ziona,Ka hanome azy fehiloha ho solon’ny lavenona,Menaka mahafalifaly ho solon’ny alahelo,Ary akanjo fiderana ho solon’ny hakiviana.
Hantsoina hoe hazoben’ny fahamarinana izy ireo,Dia hazo nambolen’i Jehovah mba hanomezam-boninahitra* azy.+
4 Dia hamboarin’izy ireo indray ny toerana efa rava taloha,Ary haoriny ny toerana efa tsy nisy mponina hatramin’ny ela,+Haveriny amin’ny laoniny koa ny tanàna rava,+Dia izay toerana tsy nisy mponina nandritra ny taranaka nifandimby.+
5 “Vahiny no ho avy hiandry ny andian’ondrinareo,Ary olona hafa firenena+ no ho mpambolinareo sy mpikarakara ny tanimboalobokareo.+
6 Fa ianareo indray, hantsoina hoe mpisoron’i Jehovah.+Ary hiantso anareo hoe mpanompon’ilay Andriamanitsika izy ireo.
Hihinana ny fananan’ny firenena ianareo,+Ary hirehareha amin’ny voninahitr’izy ireo.*
7 Hahazo anjara avo roa heny ny vahoakako ho solon’ny henatra,Ary tsy ho afa-baraka intsony izy fa hihoby noho ny anjarany.
Hahazo anjara avo roa heny tokoa izy ireo ao amin’ny taniny,+
Dia hifaly mandrakizay.+
8 Fa izaho Jehovah dia tia rariny,+Sady mankahala ny fandrobana sy ny tsy fahamarinana.+
Mendri-pitokisana aho ka homeko foana ny karaman’izy ireo,Ary hanao fifanekena mandrakizay aminy aho.+
9 Ho fantatr’ireo firenena+ ny zanak’izy ireo,*Ary ho fantatry ny vahoaka ny taranany.
Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra hoeIzy ireo no taranaka notahin’i Jehovah.”+
10 Ho faly be aho noho ny amin’i Jehovah,
Ary hiravoravo aho noho ny amin’ilay Andriamanitro.+
Efa nampanaoviny ahy toy ny akanjo mantsy ny famonjena,+Ary efa nampitafiany ahy toy ny akanjo lava* ny fahamarinana,Ka hoatran’ny mpampakatra manao fehiloha mitovy amin’ny an’ny mpisorona+ aho,Ary hoatran’ny ampakarina manao firavaka.
11 Mampitsiry voa ny tany,Ary mampitsimoka an’izay nafafy teo aminy ny tanimboly.Dia hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah Tompo Fara Tampony,Satria hataony mitsiry eo anatrehan’ny firenena rehetra ny fahamarinana+ sy fiderana.+
Fanamarihana
^ Na: “hahatsara tarehy.”
^ Na: “harenan’izy ireo.”
^ Abt: “taranak’izy ireo.”
^ Na: “akanjo tsy misy tanany.”