Isaia 8:1-22

  • Hanafika ny Asyrianina (1-8)

    • Mahera-salala-hasi-baza (1-4)

  • Aza matahotra: “Manampy antsika Andriamanitra!” (9-17)

  • Famantarana i Isaia sy ny zanany (18)

  • Jereo ny lalàna fa aza manontany demonia (19-22)

8  Ary hoy i Jehovah tamiko: “Makà takela-kazo+ lehibe dia izao soratana amin’ny penina tsotra:* ‘Mahera-salala-hasi-baza.’*  Aleo hisy vavolombelona mendri-pitokisana hanamafy an’izany an-tsoratra* ho ahy, dia i Oria+ mpisorona sy Zakaria zanak’i Jeberekia.”  Ary nanao firaisana tamin’ilay* mpaminanivavy* aho. Dia bevohoka izy ka nitera-dahy.+ Ary hoy i Jehovah tamiko: “Ataovy hoe Mahera-salala-hasi-baza ny anarany,  fa raha mbola tsy mahay miantso hoe ‘Dada’ sy ‘Neny’ ilay zaza, dia hoentin’ny olona ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria ny fananan’i Damaskosy sy ny zavatra nobaboina tany Samaria.”+  Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:   “Satria ity vahoaka ity nanda ny ranon’i Siloa,* izay mikoriana moramora,+Sady faly noho ny amin’i Rezina sy ny zanak’i Remalia,+   Dia hampiakarin’i Jehovah hamely azyNy mpanjakan’i Asyria+ sy ny voninahiny rehetra.Hoatran’ny rano be mikoriana mafy avy any amin’ny Renirano* izy, Ary ho tondraka be,Ka hihoatra ny morony rehetra ny rano,   Dia hibosesika eran’i Joda. Hiakatra be izy ary hiparitaka, ka hisondrotra hatreny amin’ny vozona.+Handrakotra ny sakan’ny taninao ny elany rehefa mivelatra,Ry Imanoela ô!”*+   Mameleza, ry firenena, nefa ho torotoro ihany ianareo. Mihainoa ianareo rehetra avy any lavitra any! Miomàna hiady,* nefa ho torotoro ihany ianareo!+ Miomàna hiady, nefa ho torotoro ihany ianareo! 10  Manaova tetika, nefa tsy hahomby izany! Lazao izay tianareo hotenenina, nefa tsy ho tanteraka izany,Satria manampy antsika Andriamanitra!*+ 11  Nanohana ahy ny tanana matanjak’i Jehovah, ka izao no nolazainy tamiko mba hisakanana ahy tsy hanaraka ny fanaon’ity vahoaka ity: 12  “Aza ataonareo hoe fikomiana ny zavatra lazain’ity vahoaka ity hoe fikomiana. Aza matahotra an’izay atahorany,Ary aza mihorohoro amin’izany. 13  I Jehovah Tompon’ny tafika no tokony ho masina aminareo.+Izy no tokony hatahoranareo,Ary Izy no tokony hampangovitra anareo.”+ 14  Dia ho lasa toy ny toerana masina Izy,Nefa koa ho vato hamelezana,Sady ho vatolampy mahatafintohina+Ho an’ny fanjakana roan’ny Israely,Ary ho fandrika sy vela-pandrikaHo an’ny mponin’i Jerosalema. 15  Maro amin’izy ireo no ho tafintohina sy ho lavo ary ho torotoro.Ho voafandrika sy ho voasambotra izy ireo. 16  Ahoròny ny taratasy fanamafisana,*Ary asio tombo-kase any amin’ny mpianatro ny lalàna!* 17  Izaho hanantena foana* an’i Jehovah,+ izay manafina ny tarehiny amin’ny taranak’i Jakoba.+ Dia hanantena Azy aho. 18  Ireto izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy!+ Famantarana+ sy fahagagana eo amin’ny Israely izahay, famantarana sy fahagagana avy amin’i Jehovah Tompon’ny tafika izay mipetraka eo amin’ny Tendrombohitra Ziona. 19  Mety hisy hiteny anareo hoe: “Manontania mpamoha angatra na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.” Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany? Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?+ 20  Ny lalàna sy ny taratasy fanamafisana* kosa no tokony hojereny. Tsy hahita ny hazavana*+ izy ireo, rehefa tsy mifanaraka amin’ity teny ity ny zavatra lazainy. 21  Ary samy hivezivezy ao amin’ilay tany ny olona efa mijaly sady noana.+ Hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamaniny izy rehefa mijery ambony, satria noana sady tezitra. 22  Hiondrika hijery ny tany indray izy, dia tsy hahita afa-tsy fahoriana, haizina, haizim-pito, fotoan-tsarotra, ary andro manjombona tsy misy mangirana.

Fanamarihana

Abt: “penin’ny olombelona mety maty.”
Mety hidika hoe “Nihazakazaka Haka Babo, Nandeha Haingana Handroba.”
Na: “hijoro ho vavolombelona; hanamarina.”
Abt: “nanakaiky an’ilay.”
Izany hoe ny vadin’i Isaia.
Lakandrano fahiny i Siloa.
Izany hoe Eofrata.
Jereo Is 7:14.
Na: “Misikìna.”
Imanoela no teny hebreo nadika hoe “Manampy antsika Andriamanitra.” Jereo Is 7:14; 8:8.
Na: “fanamarinana.”
Na: “toromarika.”
Na: “hiandry mafy.”
Na: “fanamarinana.”
Abt: “hazavan’ny maraina.”