Isaia 56:1-12

  • Hotahina ny hafa firenena sy ny lehilahy novosirina (1-8)

    • Trano fivavahana ho an’ny olona rehetra (7)

  • Mpitily jamba, alika moana (9-12)

56  Izao no tenin’i Jehovah: “Manaova foana ny rariny,+ ary manaova ny marina.Fa tsy ho ela aho dia hamonjy,Ary efa haharihary ny fahamarinako.+   Sambatra ny olona manao an’izany,Sy ny zanak’olombelona mifikitra mafy amin’izany,Sady mitandrina sy tsy manazimbazimba ny Sabata,+Ary mifehy ny tanany tsy hanao ratsy mihitsy.   Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah+ dia tsy tokony hiteny hoe:‘Tsy maintsy hesorin’i Jehovah tsy ho anisan’ny vahoakany aho izao.’ Ny lehilahy novosirina koa tsy tokony hiteny hoe: ‘Indrisy fa hazo maina aho!’”  Fa izao no tenin’i Jehovah: “Izay lehilahy novosirina ka mitandrina ny sabatako sy mifidy ny hanao izay sitrako ary mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,   Dia homeko tsangambato sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako.Zavatra tsara kokoa noho ny zanakalahy sy zanakavavy izany. Anarana maharitra mandrakizay no homeko azy,Dia anarana tsy hofoanana mihitsy.   Izay hafa firenena miandany amin’i Jehovah mba hanompo azy,Sy mba ho tia ny anaran’i Jehovah,+Ary mba ho mpanompony,Izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manazimbazimba azy,Sady mifikitra mafy amin’ny fifanekena nataoko,   Dia hoentiko any amin’ny tendrombohitro masina+ koa,Ary hampifaliko ao amin’ny trano fivavahana amiko. Hekeko izay fanatitra dorana manontolo sy sorona ataony eo ambony alitarako. Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny olona rehetra.”+  Hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, izay manangona an’ireo Israelita efa niparitaka:+ “Ankoatra an’izay efa voangona, dia hanangona olon-kafa ho eo amin’izy ireo koa aho.”+   Tongava daholo ka mihinàna, ry bibidia rehetra any an-tsaha,Dia ianareo bibidia rehetra any an’ala.+ 10  Jamba+ ny mpitiliny, ka tsy misy mahatsikaritra an’izay mety hitranga.+ Alika moana izy rehetra ka tsy mahavovò,+ Fa misefosefo fotsiny sy mitsilailay ary tia matoritory. 11  Alika mirangorango izy ireo,Sady tsy mety voky mihitsy. Mpiandry ondry tsy mahay na inona na inona koa izy ireo,+ Ary samy manaraka ny lalany avy.Samy te hahazo tombony azo tamin’ny tsy rariny izy rehetra ka miteny hoe: 12  “Avia, fa haka divay aho.Andao hisotro toaka mandra-pahamamo.+ Mbola ho toy ny androany ihany ny rahampitso, ary mbola ho tsara lavitra mihitsy aza.”

Fanamarihana