Isaia 50:1-11
50 Izao no tenin’i Jehovah:
“Izaho angaha nanome taratasy fisaraham-panambadiana+ ho an’ny reninareo, tamin’izy noroahiko?
Iza tamin’ireo tokony handoavako trosa no nivarotako anareo?
Nanao fahadisoana+ ange ianareo dia izany no antony nivarotana anareo e!Ary nanota ianareo dia noroahina ny reninareo.+
2 Nahoana àry no tsy nisy olona teto rehefa tonga aho?
Ary nahoana no tsy nisy namaly rehefa niantso aho?+
Angaha ny tanako fohy loatra ka tsy mahavita manavotra,Sa izaho tsy manan-kery hamonjena?+
Teneniko mafy fotsiny ny ranomasina dia ritra,+Ary ovako ho tany efitra ny renirano.+
Matin’ny hetaheta ny trondrony,Dia lo fa tsy misy rano.
3 Ampitafiako haizina ny lanitra,+Ary rakofako lamba gony.”
4 I Jehovah Tompo Fara Tampony efa nampianatra ny lelako hahay hiteny,*+Mba hahafantarako an’izay tokony* holazaina amin’ny* olona reraka.+
Mamoha ahy isa-maraina izy,Ka fohaziny ny sofiko mba hihaino hoatran’ny olona ampianarina.+
5 Nanokatra ny sofiko i Jehovah Tompo Fara Tampony.Dia izaho tsy mba nikomy,+
Na nivily lalana.+
6 Natolotro tamin’ny olona nikapoka ahy ny lamosiko,Ary ny takolako natolotro tamin’ireo nanongotra ny volombavako.
Ny tarehiko koa tsy mba nafeniko tamin’ny olona nanala baraka sy nandrora ahy.+
7 Hanampy ahy anefa i Jehovah Tompo Fara Tampony,+
Ka tsy ho menatra aho.
Noho izany, dia tapa-kevitra ny ho hentitra aho,*+Ary fantatro fa tsy ho afa-baraka aho.
8 Akaiky ahy Ilay milaza hoe marina aho.
Iza no afaka miampanga ahy?*+
Aleo izahay hifanatrika.*
Iza no mitory ahy any amin’ny fitsarana?
Aleo izy hanatona ahy.
9 Hanampy ahy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
Iza no hilaza fa meloka aho?
Ho lasa hoatran’ny akanjo tonta izy rehetra,
Ary hoatran’ny akanjo lanin’ny bibikely.*
10 Iza aminareo no matahotra an’i JehovahSy mihaino ny tenin’ny mpanompony?+
Iza no nandeha tao anatin’ny haizim-be tsy nisy hazavana?
Asaivo mitoky amin’ny anaran’i Jehovah sy miantehitra amin’ilay Andriamaniny izy.
11 “Ianareo rehetra izay mandrehitra afoSy mampisy pitik’afo,Mandehana amin’ny hazavan’ny afonareoSy eo amin’ny pitik’afo alefanareo.
Dia izao no sazy hampihariko aminareo:
Hiampatrampatra ao anatin’ny fanaintainana faran’izay mafy ianareo.
Fanamarihana
^ Abt: “teny.”
^ Na mety hoe “hampaherezana ny.”
^ Abt: “nanome ahy ny lelan’ny efa nampianarina.”
^ Abt: “manao ny tarehiko ho toy ny vatoafo aho.”
^ Na: “miady amiko.”
^ Na: “samy hitsangana.”
^ Abt: “samoina”, any Israely. Bibikely manana elatra, mitovitovy amin’ny lolo.