Nosoratan’i Lioka 14:1-35

  • Lehilahy voan’ny aretina manirano nositranina tamin’ny Sabata (1-6)

  • Mila manetry tena rehefa asaina (7-11)

  • Asao izay tsy afaka mamaly ny nataonao (12-14)

  • Fanoharana momba an’ireo nasaina nefa nitady fialan-tsiny (15-24)

  • Manao kajy an’izay hotakina amin’ny mpianatra (25-33)

  • Sira lasa matsatso (34, 35)

14  Nandeha nisakafo tao an-tranon’ny anankiray tamin’ny lehiben’ny Fariseo i Jesosy, indray Sabata, ary nijery azy tsara ny olona tao.  Ary io fa nisy lehilahy voan’ny aretina manirano* teo anoloan’i Jesosy.  Nanontanian’i Jesosy àry ireo nahay Lalàna sy ny Fariseo hoe: “Azo atao sa tsia ny manasitrana amin’ny Sabata?”+  Tsy niteny tsy nivolana anefa izy ireo. Koa nataon’i Jesosy teo amin’ilay lehilahy ny tanany ary nositraniny izy, dia nasainy nandeha.  Hoy izy avy eo: “Raha latsaka ao anaty lavadrano ny zanakareo na ny ombinareo,+ dia iza aminareo no tsy hisintona azy hivoaka avy hatrany, na dia Sabata aza ny andro?”+  Koa tsy nahita havaly izy ireo.  Dia nilaza fanoharana tamin’ireo nasaina izy, rehefa tsikariny fa nifidy ny toerana mihaja indrindra izy ireo.+ Hoy izy:  “Rehefa misy manasa anao hanatrika fanasambe amin’ny fampakaram-bady, dia aza maka ny* toerana mihaja indrindra.+ Mety ho nanasa olona manan-kaja kokoa noho ianao mantsy izy.  Dia hankeo aminao ilay nanasa anareo, ka hiteny hoe: ‘Omeo an’ity olona ity ny toeranao.’ Dia ho menatra ianao hifindra any amin’ny toerana aoriana indrindra. 10  Fa rehefa misy manasa anao kosa, dia mandehana maka ny toerana aoriana indrindra. Amin’izay rehefa tonga ilay nanasa anao, dia hiteny aminao hoe: ‘Tsy aleo ianao, ry namana, mandroso etsy aloha kokoa?’ Dia hahazo voninahitra eo imason’ireo rehetra niara-nasaina taminao ianao.+ 11  Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”+ 12  Hoy koa izy tamin’ilay nanasa azy: “Rehefa manasa olona hisakafo antoandro na hisakafo hariva ianao, dia aza ny namanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny mpiara-monina aminao manankarena no asaina. Mety hanasa anao koa mantsy ry zareo, ka ho voavaly izay nataonao. 13  Fa ny mahantra sy ny kilemaina sy ny malemy tongotra ary ny jamba kosa no asao,+ rehefa misy fanasana ataonao. 14  Amin’izay dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao ireo. Ary hovaliana ianao amin’ny fitsanganan’ny+ marina.” 15  Naheno an’izany ny iray tamin’ireo nasaina, ka hoy izy tamin’i Jesosy: “Sambatra izay misakafo* ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” 16  Dia hoy i Jesosy taminy: “Nisy lehilahy nanao fanasambe,*+ dia nanasa olona be dia be. 17  Naniraka ny mpanompony izy tamin’ny fotoanan’ny sakafo hariva mba hilaza tamin’ireo nasaina hoe: ‘Tongava fa efa vonona ny zava-drehetra.’ 18  Samy nitady fialan-tsiny+ anefa izy rehetra. Ny voalohany niteny hoe: ‘Nividy saha aho, dia mila mandeha mijery an’ilay izy. Mba ialao tsiny any re aho e!’ 19  Ny iray nilaza hoe: ‘Nividy omby folo aho, dia handeha handinika azy ireo. Mba ialao tsiny any re aho e!’+ 20  Nilaza koa ny anankiray hafa hoe: ‘Vao avy nampaka-bady aho, dia tsy afaka mankany.’ 21  Nankany amin’ilay tompony àry ilay mpanompo ka nitantara an’izany taminy. Dia tezitra ilay tompon-trano, ka hoy izy tamin’ilay mpanompony: ‘Mandehana haingana eny an-dalambe sy eny amin’ny lalankely eto an-tanàna, dia ento atỳ ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny malemy tongotra.’ 22  Rehefa tafaverina ilay mpanompo, dia hoy izy: ‘Vita izay nasainao natao, tompoko, nefa mbola misy toerana.’ 23  Dia hoy ilay tompony: ‘Mandehana mankeny amin’ny lalana any ivelan’ny tanàna, dia ataovy izay hahatongavan’ny olona mba ho feno ny tranoko.+ 24  Fa lazaiko aminareo fa tsy hisy amin’ireny nasaina ireny hanandrana ny sakafo hariva nomaniko.’”+ 25  Ary nisy vahoaka be niaraka tamin’i Jesosy, dia nitodika i Jesosy ka hoy izy tamin’izy ireo: 26  “Raha misy manatona ahy nefa tsy mankahala* ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, ary na ny ainy mihitsy aza,+ dia tsy afaka ny ho mpianatro+ izy. 27  Izay tsy mitondra ny hazo fijaliany* ka tsy manaraka ahy, dia tsy afaka ny ho mpianatro.+ 28  Iza aminareo, ohatra, raha te hanorina tilikambo, no tsy mipetraka aloha manao kajy hoe ohatrinona no ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana an’ilay izy na tsia? 29  Raha tsy manao an’izany izy, dia mety hametraka ny fototra nefa tsy ho afaka hamita an’ilay tilikambo. Dia haneso azy izay rehetra mahita an’izany, 30  ka hiteny hoe: ‘Io olona io nanomboka nanorina tilikambo, nefa tsy nahavita an’ilay izy hatramin’ny farany akory.’ 31  Ary iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy mipetraka aloha maka hevitra raha ho vitany na tsia ny hifanandrina amin’ilay manana miaramila 20 000, nefa ny azy 10 000 monja? 32  Raha tsy ho vitany ny hifanandrina aminy, dia haniraka ambasadaoro hanao raharaham-pihavanana izy, dieny mbola lavitra ilay iray. 33  Toy izany koa fa tsy afaka ny ho mpianatro izay tsy mahafoy ny fananany rehetra.+ 34  “Tsara tokoa ny sira, nefa raha ny sira indray no lasa matsatso, dia inona no hamerenana ny tsirony?+ 35  Tsy mety hatao amin’ny tany na amin’ny zezika ilay izy, ka arian’ny olona fotsiny. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.”+

Fanamarihana

Na: “binabina”, fivontosana vokatry ny ranoka be loatra ao amin’ny vatana.
Na: “mandry ilika eo amin’ny.”
Abt: “mihinana mofo.”
Na: “fanasambe tamin’ny sakafo hariva.”
Na: “tsy kely kokoa ny fitiavany.”
Jereo F.T.