Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tany

Tany

TANY

Anisan’ireo planeta mihodina amin’ny Masoandro, ka izy no fahadimy amin’ny habe, fa fahatelo amin’ny filaharana avy eo amin’ny Masoandro. Miendrika bola ny Tany fa somary fisaka ny tendrony roa. Asehon’ireo sary azo avy amin’ny zanabolana fa tsy tena boribory tsara ny vohon’ny Tany. Milanja 5,98 × 1024 kg eo ho eo ny Tany, ary 510 000 000 km2 eo ho eo ny velarany. Mahery kelin’ny 40 000 km ny manodidina azy io raha refesina eo amin’ny ekoatera, ary 12 750 km eo ho eo ny savaivony. Rakotry ny ranomasina ny 71 isan-jato eo ho eo ka 149 000 000 km2 eo ho eo sisa no tany maina.

Mihodina amin’ny tenany ny Tany ka izay no mampisy ny andro sy alina. (Ge 1:4, 5) Misy 24 ora ny andro iray, izany hoe raha tazanao eo amin’ny toerana iray eny amin’ny lanitra ny Masoandro, dia 24 ora no lasa mandra-piveriny indray eo amin’iny toerana nahitanao azy iny. Ny taona kosa no amantarana an’ireo fizaran-taona. Ny taona iray refesina avy amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro dia 365 andro sy 5 ora sy 48 minitra ary 46 segondra eo ho eo, izany hoe ny fotoana eo anelanelan’ny ekinôksan’ny lohataona iray (andro ao anatin’ny taona itovizan’ny halavan’ny andro sy ny alina) sy ny ekinôksan’ny lohataona manaraka. Io isa io no arahina ao amin’ny kalandrie mifanaraka amin’ny fihodinan’ny Tany amin’ny Masoandro. Ireo ora sy minitra ary segondra ambiny ireo anefa no manasarotra ny fanamboarana kalandrie marina tsara.

Mitongilana 23° 27ʹ ny Tany rehefa manaraka ny lalana fihodinany amin’ny Masoandro. Mihodina toy ny tandrimo ny Tany, ka izany no tsy mampiovaova mihitsy ny fitongilanany raha ampitahaina amin’ny toeran’ny kintana. Io fitongilanana io koa no mampisy an’ireo fizaran-taona.

Tonga hatrany amin’ny 960 km mahery miala amin’ny Tany ny hatevin’ny atmosfera (rivotra manodidina ny Tany), ary azota, oksizenina, eton-drano, ary gazy hafa no betsaka ao aminy. Antsoina hoe “any ambony tsy taka-maso” ny any ankoatra an’izay.

Ny dikan’ny hoe Tany ao amin’ny Baiboly. ʼErets no teny ilazan’ny Soratra Hebreo ny planeta Tany. Ny ʼerets koa dia manondro ny 1) tany, izay ampifanoherina amin’ny lanitra, na habakabaka (Ge 1:2); 2) tany misy ny firenena iray, faritany (Ge 10:10); 3) tany hitsahina, ny eny ambonin’ny tany (Ge 1:26); 4) olona maneran-tany (Ge 18:25).

Adika hoe “tany” koa ilay teny hoe ʼadamah, izay manondro 1) tany novolena, ka manome vokatra (Ge 3:23); 2) sombin-tany, na tany ananan’ny olona iray (Ge 47:18); 3) tany hitsahina, vovoka (Je 14:4; 1Sa 4:12); 4) ny eny ambonin’ny tany (Ge 1:25); 5) tany misy ny firenena iray, faritany (Le 20:24); 6) tany manontolo, tany misy mponina (Ge 12:3). Toa teny iray tarika ihany ny ʼadamah sy ny hoe ʼadam (Adama), ilay lehilahy voalohany natao avy tamin’ny vovoky ny tany.—Ge 2:7.

Ilay teny grika hoe ge kosa no ampiasain’ny Soratra Grika Kristianina ilazana ny tany azo ambolena (Mt 13:5, 8); ny tany nanamboarana an’i Adama (1Ko 15:47); ny bolantany (Mt 5:18, 35; 6:19); ny tany onenan’ny olona sy ny biby (Lk 21:35; As 1:8; 8:33; 10:12; 11:6; 17:26); ny tany misy ny firenena iray, na faritany (Lk 4:25; Jn 3:22); ny tany hitsahina (Mt 10:29; Mr 4:26); ny moron-dranomasina, ny tanety raha ampifanoherina amin’ny ranomasina na ranobe (Jn 21:8, 9, 11; Mr 4:1).

Ôikomene no teny grika nadika hoe “izao tontolo izao” ao amin’ny Baiboly sasany ary midika hoe “tany onenana” na ‘tany misy mponina.’—Mt 24:14; Lk 2:1; As 17:6; Ap 12:9.

Miankina amin’ny endrika isehoan’ny teny tany am-boalohany, sy ny andinin-teny manodidina àry ny hevitr’ireo teny tsirairay voalaza tetsy aloha ireo.

Nozarain’ny Hebreo ho vazan-tany efatra ny tany. Ao amin’ny Soratra Hebreo ny hoe “eo anoloana” sy “eo anatrehan’ny” dia adika hoe ‘atsinanana’ (Ge 12:8); ny hoe “any aoriana” dia mety hidika hoe “andrefana” (Is 9:12); ny hoe “ilany havanana” dia mety hidika hoe “atsimo” (1Sa 23:24); ary ny ‘ankavia’ dia mety hadika hoe “avaratra.” (Jb 23:8, 9; ampit. Prot.) Nantsoina hoe fiposahan’ny masoandro koa indraindray ny atsinanana amin’ny teny hebreo (Js 4:19), ary filentehan’ny masoandro ny andrefana. (2Ta 32:30) Mety hanondroana toerana koa ny zavatra mampiavaka ny toerana iray. Ilazana ny andrefana, ohatra, indraindray ny “Ranomasina” (Mediterane), satria io no any amin’ny sisiny andrefan’i Palestina.—No 34:6.

Famoronana. “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” (Ge 1:1) Tsotra toy izany no ilazan’ny Baiboly ny fomba nampisy ny Tany. Tsy voalaza ao hoe oviana no noforonina ny lanitra feno kintana sy ny Tany. Tsy mila miady hevitra amin’ny mpahay siansa àry ny manam-pahaizana momba ny Baiboly, rehefa miresaka momba ny taona nisian’ny Tany. Tombanan’ny mpahay siansa mantsy fa 3 500 tapitrisa taona ny vato sasany, ary ny Tany kosa eo amin’ny 4 000-4 500 tapitrisa taona eo ho eo na maherin’izay.

Voafaritra kokoa ny fotoana resahin’ny Genesisy momba an’ireo andro famoronana enina. Tsy ny famoronana an’ireo zavatra nanaovana ny Tany no resahina eo, fa ny nikarakarana sy nanomanana azy io mba ho azon’ny olombelona onenana.

Tsy lazain’ny Baiboly raha namorona zavamananaina tany amin’ny planeta hafa Andriamanitra na tsia. Tsy nahita porofo mihitsy ireo astronoma hoe misy zavamananaina any amin’ny planeta hafa. Ny planeta Tany ihany hatreto no fantatr’izy ireo fa azon’ny zavaboary nofo aman-dra ivelomana.

Antony nanaovana ny Tany. Noho ny sitrapon’i Jehovah no nampisy ny Tany, toy ny zavaboary hafa rehetra ihany. (Ap 4:11) Noforonina haharitra mandrakizay izy io. (Sl 78:69; 104:5; 119:90; Mpto 1:4) Andriamanitra mihitsy no milaza fa Andriamanitra manam-pikasana izy ary tsy maintsy tanteraka ny fikasany. (Is 46:10; 55:11) Nolazainy mazava tsara ny fikasany momba ny Tany. Hoy izy tamin’ny mpivady olombelona voalohany: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” (Ge 1:28) Tsy nisy tsininy mihitsy ny Tany na ny zavatra teo aminy. Namorona ny zava-drehetra nilaina i Jehovah ka hitany fa “tena tsara” izy ireny. “Nanomboka nitsahatra” tamin’ny asa famoronana rehetra teto an-tany izy avy eo.—Ge 1:31–2:2.

Natao honenan’ny olombelona foana koa ny Tany. Hita tamin’ny lalàna nomen’Andriamanitra momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa afaka miaina mandrakizay eto an-tany ny olona. (Ge 2:17) Nanome toky i Jehovah fa “raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hitsahatra mihitsy ny famafazam-boa sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina” (Ge 8:22), ary tsy handringana ny nofo rehetra amin’ny Safodrano intsony izy. (Ge 9:12-16) Nilaza i Jehovah fa nisy antony matoa izy nanao ny Tany. Nomeny honenan’ny olombelona izy io ary mbola hofoanany ny fahafatesana. Ny fikasan’Andriamanitra momba ny Tany àry dia hoe honina eo ny olona lavorary ary ho sambatra sy hiaina mandrakizay.—Sl 37:11; 115:16; Is 45:18; Ap 21:3, 4.

Izany no fikasan’i Jehovah Andriamanitra, ary masina aminy izany ka tsy azo sakanana, araka izao tenin’ny Baiboly izao: “Ary tamin’ny andro fahafito, dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony ... Ary nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy io, satria tamin’izay no nitsaharany tamin’ny asa famoronana rehetra nataony. Eny, voaforon’Andriamanitra ny zava-drehetra nokasainy hatao.” (Ge 2:2, 3) Tsy resahin’ny Genesisy hoe nifarana toa an’ireo andro enina hafa ilay andro fahafito na andro fitsaharana. Nanazava ny apostoly Paoly fa mbola nitohy tamin’ny andron’ny Israelita sy tamin’ny androny ary mbola tsy nifarana ny andro fitsaharan’Andriamanitra. (He 3:7-11; 4:3-9) Natokan’Andriamanitra ho masina ny andro fahafito. Tena hotanterahiny amin’io andro io tokoa ny fikasany momba ny Tany, nefa tsy mila manao asa famoronana fanampiny izy.

Mifanaraka amin’ny siansa ny Baiboly. Milaza ny Joba 26:7 fa ‘ahanton’Andriamanitra eo amin’ny tsy misy ny tany.’ Lazain’ny siansa fa matoa ny Tany tsy miala amin’ny lalany, dia satria mifandanja ny hery misintona ny Tany sy ny hery manosika azy noho izy mihodina amin’ny Masoandro. Mazava ho azy fa tsy hita maso ireny hery ireny. Izany no mahatonga ny Tany hihantona eo amin’ny tsy misy, toy ireo zavatra hafa eny amin’ny habakabaka. Miresaka ny fomba fijerin’i Jehovah toy izao i Isaia rehefa notarihin’ny fanahy: “Izy Ilay mipetraka any amin’ny avo, any ambonin’ity tany boribory ity, ary toy ny valala ny mponina amin’ny tany.” (Is 40:22) Hoy ny Baiboly: ‘Nasian’Andriamanitra faribolana manodidina ny rano.’ (Jb 26:10) Andriamanitra no namoaka didy mametra ny rano tsy hihoatra ka handifotra ny tany maina na hisavoana eny amin’ny habakabaka. (Jb 38:8-11) Boribory no fahitana ny Tany na ny fanambonin’ny rano, avy eny amin’ny misy an’i Jehovah, toy ny fahitantsika ny bikan’ny Volana avy etỳ an-tany ihany. Boribory ny fahitana ny Tany rakotry ny rano nisamboaravoara tamin’ny mbola tsy nipoitra ny tany maina.—Ge 1:2.

Toy ny mpitazana avy etỳ an-tany toa antsika ihany ireo mpanoratra Baiboly rehefa nitantara ny zavatra hitany. Miresaka momba “ny fiposahan’ny masoandro”, ohatra, ny Baiboly. (No 2:3; 34:15) Izany no anakianan’ny sasany ny Baiboly hoe tsy marina ara-tsiansa satria, hono, mihevitra ny Hebreo fa mihodina amin’ny Tany ny Masoandro. Tsy nilaza an’izany mihitsy anefa ireo mpanoratra Baiboly. Hadinon’ireo mpanakiana hoe izy koa aza mba mampiasa teny toy izany, ary feno an’izany ny alimanakan’izy ireo. Fandre matetika, ohatra, ny hoe ‘miposaka ny Masoandro’, ‘milentika ny Masoandro’, ‘mamakivaky ny lanitra ny Masoandro.’ Marina fa ahitana hoe “faran’ny tany” (Sl 46:9), “vazan-tany efatra” (Sl 22:27; Is 11:12), ary “rivotra efatry ny tany” (Ap 7:1) ao amin’ny Baiboly, kanefa tsy midika izany fa nihevitra ny Tany ho efamira ny Hebreo. Matetika no ilazana isa feno ny isa efatra, toy ny ilazantsika ihany hoe “hatrany amin’ny faran’ny tany”, na “hatrany amin’ny vazan-tany efatra”, mba hilazana ny tany manontolo.—Ampit. Ezk 1:15-17; Lk 13:29.

Heviny an’ohatra.  Imbetsaka ny Tany no ampiasaina amin’ny heviny an’ohatra. Noharina tamin’ny trano aorina izy io ao amin’ny Joba 38:4-6, tamin’i Jehovah nanontany an’i Joba momba ny namoronany ny Tany sy ny nandaminany azy io. Tsy nanan-kavaly anefa i Joba. Mampiasa teny an’ohatra koa i Jehovah mba hilazana ny vokatry ny fihodinan’ny Tany. Hoy izy: “Miova endrika toy ny tanimanga asiana tombo-kase ny tany.” (Jb 38:14) Miendrika varingarina kely ny tombo-kase fahiny, ary vita sokitra teo aminy ny sary famantarana ny tompony. Namela soritra ilay izy rehefa nampandalovina teo amin’ny tanimanga mbola mando, na takelaka izany, na fonona takelaka. Toy izany koa fa rehefa mangiran-dratsy ny andro, dia mivoaka avy ao amin’ny alina maizim-pito ny ampahany amin’ny Tany ary miseho tsikelikely ny bikany sy ny lokony arakaraka ny andalovan’ny hazavana eo aminy. Azo oharina amin’ny fitoeran-tongotr’i Jehovah ny Tany satria ambony kokoa noho izy io ny lanitra, izay misy ny seza fiandrianan’i Jehovah. (Sl 103:11; Is 55:9; 66:1; Mt 5:35; As 7:49) Teny an’ohatra koa no ilazana fa any ambanin’ny tany ireo any amin’ny Sheôl na Haides, izany hoe ny fasana.—Ap 5:3.

Ny lanitra sy ny tany ara-bakiteny (2Pe 3:5) dia nampitahain’ny apostoly Petera tamin’ny lanitra sy ny tany an’ohatra (2Pe 3:7). Tsy azo hozongozonina ny lanitra misy ny seza fiandrianan’i Jehovah, ka tsy io àry ilay “lanitra” resahin’ny andininy faha-7. Tsy ny planeta Tany koa ilay “tany” resahin’io andininy io, satria efa nataon’i Jehovah mafy orina tsara ny Tany. (Sl 78:69; 119:90) Nilaza anefa Andriamanitra fa hohozongozoniny (Hg 2:21; He 12:26) sy handositra eo anoloany ny lanitra sy ny tany, ary hatao mafy orina ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao. (2Pe 3:13; Ap 20:11; 21:1) “Lanitra” an’ohatra àry no voaresaka eo, ary ilay “tany” an’ohatra dia ny fitambaran’ny olona eto an-tany, toy ilay voalazan’ny Salamo 96:1.—Jereo LANITRA (Lanitra vaovao sy tany vaovao).

Ilazana fitambaran’olona milamina koa ny tany an’ohatra. Oharina amin’ny ranomasina misamboaravoara kosa ny fitambaran’olona tsy milamina fa mikorontana.—Is 57:20; Jk 1:6; Jd 13; ampit. Ap 12:16; 20:11; 21:1.

Lazain’ny Jaona 3:31 fa ambony kokoa izay avy any ambony raha oharina amin’izay avy amin’ny tany (ge). Ilay teny grika hoe epigeiôs, “eto an-tany”, dia entina hilazana zavatra eto an-tany, hita maso, indrindra fa raha ampifanoherina amin’ny zavatra any an-danitra. Voalaza fa ambany karazana kokoa izy io. Vita avy tamin’ny tany ny olombelona. (2Ko 5:1; ampit. 1Ko 15:46-49.) Afaka mampifaly an’Andriamanitra anefa ny olona rehefa lasa “araka ny fanahy”, izany hoe manaraka ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy. (1Ko 2:12, 15, 16; He 12:9) Lasa mpanota ny olombelona ka zavatra araka ny nofo foana no tadiavin’ny sainy ifantohana. Nataony an-tsirambina na tsy noraharahainy àry ny zavatra araka ny fanahy. (Ge 8:21; 1Ko 2:14) Lasa manana heviny ratsy ny hoe “eto an-tany” amin’izay, satria midika hoe “simba” na “mifanohitra amin’ny fanahy.”—Fi 3:19; Jk 3:15.