Nosoratan’i Jaona 13:1-38

  • Nanasa ny tongotry ny mpianany i Jesosy (1-20)

  • Nampahafantarin’i Jesosy hoe mpamadika i Jodasy (21-30)

  • Didy vaovao (31-35)

    • “Raha mifankatia ianareo” (35)

  • Nilaza i Jesosy hoe handa azy i Petera (36-38)

13  Fantatr’i Jesosy talohan’ny fetin’ny Paska fa tonga ny fotoana+ hialany eo amin’izao tontolo izao sy handehanany ho any amin’ny Ray.+ Ary satria efa tia ny mpianany* eo amin’izao tontolo izao izy, dia tiany hatramin’ny farany izy ireo.+  Mbola nisakafo hariva izy ireo tamin’izay. Ary efa nataon’ny Devoly tao am-pon’i Jodasy Iskariota,+ zanak’i Simona, ny faniriana hamadika azy.+  Efa fantatr’i Jesosy koa fa efa nomen’ny Ray ho eo an-tanany ny zava-drehetra, sady avy tany amin’Andriamanitra izy ka hankany amin’Andriamanitra.+  Koa raha mbola nisakafo izy ireo, dia nitsangana izy, ka napetrany ny akanjony ivelany. Dia naka servieta izy, ka nisikinany.*+  Avy eo dia nasiany rano tao anaty koveta. Dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra izy, ka nohamaininy tamin’ilay servieta nisikinany ny tongotr’ireo.  Tonga teo amin’i Simona Petera izy avy eo. Hoy anefa i Petera: “Tompo ô, ianao ve no hanasa ny tongotro?”  Namaly azy i Jesosy hoe: “Amin’izao aloha tsy azonao izay ataoko, fa mbola ho azonao ihany any aoriana any.”  Hoy i Petera: “Tsy ianao mihitsy kosa no hanasa ny tongotro e!” Hoy anefa i Jesosy: “Raha tsy sasako ianao,+ dia tsy ho afaka hiaraka amiko.”*  Dia hoy i Simona Petera: “Tompo ô, tsy ny tongotro ihany àry sasana, fa ny tanako sy ny lohako koa e!” 10  Ary hoy i Jesosy: “Izay efa avy nandro dia efa madio tanteraka, ka ny tongony ihany sisa no mila sasana. Efa madio ianareo, saingy tsy ianareo rehetra.” 11  Fantany mantsy ilay hamadika azy,+ ka izany no nilazany hoe: “Tsy ianareo rehetra no madio.” 12  Rehefa voasasany ny tongotr’izy ireo, dia nanaovany ny akanjony ivelany. Dia naka toerana* teo amin’ny latabatra indray izy, ka niteny hoe: “Azonareo ve ilay nataoko taminareo teo? 13  Ianareo miantso ahy hoe ‘Mpampianatra’ sy ‘Tompo’, ary marina izany satria izany tokoa aho.+ 14  Koa raha izaho Tompo sy Mpampianatra aza nanasa ny tongotrareo,+ dia ianareo koa mba tokony hifanasa* tongotra.+ 15  Fa modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo hoatran’ny nataoko taminareo koa.+ 16  Lazaiko marimarina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony, ary izay irahina tsy lehibe noho ilay naniraka azy. 17  Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao an’izany.+ 18  Tsy ianareo rehetra no resahiko amin’izany, fa fantatro izay nofidiko. Tsy maintsy mitranga anefa izany mba ho tanteraka ny Soratra Masina+ hoe: ‘Ilay niara-nihinana mofo tamiko no nanainga ny voditongony hamely ahy.’*+ 19  Ilazako mialoha ianareo, manomboka izao, amin’izay rehefa tena mitranga izany, dia hino ianareo hoe izaho no izy.+ 20  Lazaiko marimarina aminareo fa izay mandray an’izay irahiko dia mandray ahy,+ ary izay mandray ahy dia mandray an’Ilay naniraka ahy koa.”+ 21  Nitebiteby be i Jesosy rehefa avy nilaza an’izany, ka notsoriny hoe: “Lazaiko marimarina aminareo fa hamadika ahy ny iray aminareo.”+ 22  Dia nifampijery ny mpianatra, ka sahiran-tsaina nieritreritra hoe iza no noresahiny.+ 23  Ary efa teo akaikin’i Jesosy* ny mpianany anankiray tamin’izay,+ dia ilay mpianatra tiany. 24  Koa nanaovan’i Simona Petera fihetsika tamin’ny lohany izy ka noteneniny hoe: “Fa iza, hono, izany resahiny izany?” 25  Niankina teo an-tratran’i Jesosy àry ilay mpianatra tiany, ka nanontany hoe: “Fa iza izany, Tompo ô?”+ 26  Dia namaly i Jesosy hoe: “Ilay homeko ny sombi-mofo atsoboko ao anaty vilia.”+ Natsobony tao anaty vilia àry ilay mofo, dia nalainy ka nomeny an’i Jodasy zanak’i Simona Iskariota. 27  Rehefa nalain’i Jodasy ilay mofo, dia niditra tao aminy i Satana.+ Dia hoy i Jesosy taminy: “Ataovy haingana izay ataonao.” 28  Tsy nisy nahafantatra ny antony nilazany an’izany anefa ireo nisakafo* teo. 29  Nisy aza nieritreritra hoe satria i Jodasy no nitazona ny boatim-bola,+ dia nilaza taminy i Jesosy hoe: “Vidio izay ilaintsika amin’ny fety”, na hoe tokony hanao fanomezana ho an’ny mahantra izy. 30  Tonga dia nivoaka àry izy rehefa nahazo an’ilay sombi-mofo. Efa alina ny andro tamin’izay.+ 31  Rehefa lasa i Jodasy, dia hoy i Jesosy: “Omem-boninahitra ny Zanak’olona izao,+ ary amin’ny alalany no anomezam-boninahitra an’Andriamanitra. 32  Ary Andriamanitra mihitsy no hanome voninahitra azy,+ ary hanome voninahitra azy avy hatrany. 33  Kely sisa no iarahako aminareo, ry zanako malalako. Hitady ahy ianareo, ary izay nolazaiko tamin’ny Jiosy ihany no lazaiko aminareo koa izao, hoe: ‘Izay alehako dia tsy azonareo aleha.’+ 34  Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran’ny nitiavako anareo+ no tokony mba hifankatiavanareo koa.+ 35  Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”+ 36  Hoy i Simona Petera: “Fa ho aiza ianao, Tompo ô?” Dia hoy i Jesosy: “Tsy afaka manaraka ahy any amin’izay alehako ianao izao, nefa hanaraka ahy ihany any aoriana any.”+ 37  Ary hoy i Petera: “Tompo ô, fa maninona aho izao no tsy afaka manaraka anao? Na ny aiko aza ange hafoiko ho anao e!”+ 38  Dia hoy i Jesosy: “Tena hahafoy ny ainao ho ahy tokoa ve ianao? Lazaiko marimarina aminao fa mbola tsy maneno akory ny akoho, dia efa handa ahy intelo ianao.”+

Fanamarihana

Na: “ny azy.”
Na: “nafatony teo amin’ny andilany.”
Abt: “tsy hanana anjara miaraka amiko.”
Na: “nandry ilika.”
Na: “tsy maintsy mifanasa.”
Na: “no lasa nanohitra ahy.”
Abt: “efa nandry ilika teo an-tratran’i Jesosy.”
Na: “nandry ilika teo amin’ny latabatra.”