Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Batisa

Batisa

BATISA

Midika hoe fandrobohana sy fandentehana ao anaty rano ary fiakarana avy ao ny teny grika hoe baptisma, izay avy amin’ny matoanteny hoe baptô, midika hoe ‘manatsoboka.’ (Jn 13:26) Mitovy ny hoe “mandroboka” sy “manao batisa” ao amin’ny Baiboly. Izao, ohatra, no nandikan’ny Baiboly Masina, Dikan-teny Nohatsaraina, ny Romanina 6:3, 4: “Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa (naroboka) ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa (naroboka) ho amin’ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy isika rehefa natao batisa (naroboka) ho amin’ny fahafatesany.” Endriny hafa amin’ny hoe “mandroboka” no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ny Eksodosy 12:22 sy ny Levitikosy 4:6. Toy ny hoe “alevina” vetivety ny olona aroboka ao anaty rano, ary avy eo avoaka avy ao indray.

Handinika karazana batisa efatra isika: 1) Batisan’i Jaona, 2) batisa ao anaty rano nataon’i Jesosy sy ny mpianany, 3) batisa ho amin’i Kristy Jesosy sy ho amin’ny fahafatesany, ary 4) batisa amin’ny afo.

Batisan’i Jaona. I Jaona, zanak’i Zakaria sy Elizabeta (Lk 1:5-7, 57), no voalohany nomen’Andriamanitra alalana hanao batisa ao anaty rano. “Jaona Mpanao Batisa” (Mt 3:1; Mr 1:4) no nahalalan’ny olona azy satria ny batisa na fandrobohana ao anaty rano no tena nataony, ka nisarika ny sain’olona izany. Andriamanitra no nanendry azy hitory sy hanao batisa, fa tsy nanendry tena izy. Nilaza mantsy ny anjely Gabriela fa nofidin’Andriamanitra i Jaona. (Lk 1:13-17) Naminany koa i Zakaria rehefa feno fanahy masina fa ho mpaminanin’ny Avo Indrindra i Jaona, ary hanomana ny lalan’i Jehovah. (Lk 1:68-79) Nohamafisin’i Jesosy fa Andriamanitra tokoa no nanendry an’i Jaona hitory sy hanao batisa. (Lk 7:26-28) Hoy kosa i Lioka: “Tonga tamin’i Jaona zanak’i Zakaria ny fanambaran’Andriamanitra, tany an-tany efitra. Koa ... nitory ny batisa” izy. (Lk 3:2, 3) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Nisy lehilahy iray nirahina ho solontenan’Andriamanitra: Jaona no anarany.”—Jn 1:6.

Mazava kokoa ny hevitry ny batisan’i Jaona, rehefa ampitahaina ny fomba nandikan’ny Baiboly samihafa ny Lioka 3:3. “Nitory ny batisa izay mariky ny fibebahana hahazoana famelan-keloka” (TV); “batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka” (Prot.); “batemim-pibebahana ho famelan-keloka” (Kat.) i Jaona; “Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo” (DIEM). Tsy ny batisan’i Jaona àry no nanala ny fahotan’ny olona, fa ny fibebahan’izy ireo sy ny fiovany, izay nasehony tamin’ny alalan’ny batisa.

Tsy fanadiovana manokana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jaona mpanompony ilay batisa. Fampisehoana ampahibemaso kosa ilay izy fa nibebaka ny olona iray nandika ny Lalàna (izay tokony hitarika azy ho amin’i Kristy). (Ga 3:24) ‘Nanomana vahoaka ho an’i Jehovah’ àry i Jaona, “eny, vahoaka voaomana” (Lk 1:16, 17), mba ‘hahitan’izy ireo ny fomba hitondran’Andriamanitra famonjena.’ (Lk 3:6) Efa naminany momba izany i Isaia sy Malakia.—Is 40:3-5; Ml 4:5, 6.

Misy manam-pahaizana milaza fa mifanitsy amin’ny fombafomba fidiovana notakin’ny Lalàna (Ek 29:4; Le 8:6; 14:8, 31, 32; He 9:10), na nataon’ny olona (Ge 35:2; Ek 19:10) ny batisan’i Jaona sy ny an’ny Kristianina. Fombafomba fidiovana fotsiny anefa ireny, fa tsy fibebahana amin’ny fahotana, toy ny amin’ny batisa. Indray mandeha monja no misy fitantarana hoe niroboka tanteraka tao anaty rano ny olona iray. Tsy iza izany fa i Namàna boka, izay nisitrika impito tao anaty rano. (2Mp 5:14) Tsy hoe nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra anefa izy avy eo, fa sitrana fotsiny. Noforana ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, raha ny marina, fa tsy natao batisa. Tsy maintsy noforana mantsy izay te hihinana tamin’ny Paska sy te hivavaka tao amin’ny toerana masina.—Ek 12:43-49.

Misy indray milaza fa nalain’i Jaona tahaka, ny fombafomba fidiovana maro be nataon’ireo sekta jiosy, toy ny Esenianina sy ny Fariseo. Nilaza anefa i Jesosy fa didin’olombelona ihany ireny fombafomba ireny, ary nandika ny didin’Andriamanitra ireo olona ireo noho ny fomban-drazany. (Mr 7:1-9; Lk 11:38-42) I Jaona kosa nanao batisa tao anaty rano satria Andriamanitra, hoy izy, no naniraka azy hanao izany. (Jn 1:33) Tsy ny Esenianina na ny Fariseo àry no naniraka azy, sady tsy nirahina hanova olona ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy, fa ny hanao batisa an’ireo efa nanaraka an’io fivavahana io.—Lk 1:16.

Fantatr’i Jaona fa ny anjarany dia ny nanomana ny lalan’ny Zanak’Andriamanitra na Mesia, izay hanao fanompoana lehibe kokoa noho ny azy. Ny hampisehoana ny Mesia tamin’ny Israely no antony nanaovany batisa. (Jn 1:31) Hitombo ny fanompoan’ny Mesia fa hihena kosa ny azy. (Jn 3:26-30) Nisy olona koa nataon’ny mpianatr’i Jesosy batisa, tamin’i Jesosy nanompo tetỳ an-tany. Ho mariky ny fibebahana ny batisan’izy ireo, toy ny an’i Jaona ihany, ary lasa mpianatr’i Jesosy izy ireo avy eo.—Jn 3:25, 26; 4:1, 2.

Batisan’i Jesosy. “Tsy nanota” i Jesosy “ary tsy nahitana fitaka teo am-bavany” (1Pe 2:22), nefa nataon’i Jaona batisa izy. Tsy ho mariky ny fibebahana àry ny batisany. Hafa mihitsy ny hevitry ny batisany sy ny antony nanaovany izany. Izany no nahatonga an’i Jaona tsy hanaiky hanao batisa azy. Hoy anefa i Jesosy: “Ataovy ihany aloha amin’ity indray mandeha ity, fa izao no fomba tsara hanatanterahantsika an’izay rehetra marina.”—Mt 3:13-15.

Nivavaka i Jesosy tamin’izy natao batisa. (Lk 3:21) Ireto teny ao amin’ny Salamo 40:6-8 (LXX) ireto no nolazainy rehefa tonga “teo amin’izao tontolo izao izy” (tsy hoe tamin’izy teraka akory satria mbola tsy nahay niteny sy namaky teny izy tamin’izany, fa tamin’izy natao batisa sy nanomboka ny fanompoany): “Tsy tianao ny sorona sy ny fanatitra, fa nanomana vatana ho ahy ianao. ... Intỳ aho tonga mba hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô! Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.” (He 10:5-9) Jiosy i Jesosy ka vao teraka izy dia efa anisan’ilay firenena nanaovan’i Jehovah Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna. (Ek 19:5-8; Ga 4:4) Efa tao anatin’io fifanekena io àry izy, tamin’izy nankeo amin’i Jaona mba hatao batisa. Nanao mihoatra noho izay notakin’ny Lalàna taminy izy tamin’izay. Nasehony mantsy fa vonona hanao ny ‘sitrapon’i’ Jehovah Rainy izy, dia ny hanao sorona an’ilay vatana efa ‘nomanina’ ho azy, ka hamarana hatreo ny sorona biby notakin’ny Lalàna. Hoy ny apostoly Paoly: “Izany ‘sitrapony’ izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.” (He 10:10) Sitrapon-dRainy koa ny hitoriana an’ilay Fanjakana, ary vonona hanao izany i Jesosy. (Lk 4:43; 17:20, 21) Neken’i Jehovah sy nankasitrahany ny fahavononan’ilay Zanany, ka nohosorany tamin’ny fanahy masina izy ary nilazany hoe: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.”—Mr 1:9-11; Lk 3:21-23; Mt 3:13-17.

Batisa nataon’ny mpianatr’i Jesosy. Nosoloana an’ity batisa nandidian’i Jesosy ity ny batisan’i Jaona: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.” (Mt 28:19) Io no hany batisa ao anaty rano nankasitrahan’Andriamanitra nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Nisy lehilahy be zotom-po atao hoe Apolosy nampianatra ny marina momba an’i Jesosy, taona vitsivitsy taorian’izay. Ny batisan’i Jaona ihany anefa no fantany, ka nila nahitsy izy. Nila nahitsy koa ireo mpianatra tany Efesosy satria ny batisan’i Jaona no nanaovana batisa azy ireo, nefa efa tsy nanan-kery intsony ilay izy. Efa 20 taona teo ho teo mantsy no nifarana ny fifaneken’ny Lalàna, tamin’i Paoly nitsidika azy ireo. Natao batisa indray àry izy ireo saingy natao tamin’ny anaran’i Jesosy, ka nahazo ny fanahy masina.—As 18:24-26; 19:1-7.

Mila mahalala ny Tenin’Andriamanitra sy manapa-kevitra ny hanao ny sitrapony ny olona iray, vao tokony hatao batisa. Porofon’izany ny zava-nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33. Efa nahalala ny Soratra Hebreo ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy nihaino an’i Petera nitory momba an’i Jesosy Mesia. Olona 3 000 àry no ‘nandray tsara ny teniny’ ka “natao batisa.” (As 2:41; 3:19–4:4; 10:34-38) Nino ny vaovao tsara notorin’i Filipo koa ireo tany Samaria, vao natao batisa. (As 8:12) Efa nahalala an’i Jehovah sy ny Soratra Hebreo ilay tandapa etiopianina niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy. Nahare ny fanazavana an’ireo andininy tanteraka tamin’i Kristy sy nanaiky izany anefa izy, vao naniry hatao batisa. (As 8:34-36) Nohazavain’i Petera tamin’i Kornelio fa “izay olona matahotra [an’Andriamanitra] ka manao ny marina no ankasitrahany” (As 10:35), ary izay rehetra mino an’i Jesosy Kristy dia mahazo famelan-keloka amin’ny anarany. (As 10:43; 11:18) Mifanaraka tsara amin’ity didin’i Jesosy ity izany rehetra izany: “Ataovy mpianatra ny olona ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Mety àry ny hanaovana batisa an’ireo manaiky ny fampianaran’i Jesosy sy lasa mpianany.—Mt 28:19, 20; As 1:8.

“Voatsindrona ny fon’ireo” Jiosy anisan’ny tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’i Jesosy tamin’izy ireo nahare ny fitorian’i Petera tamin’ny Pentekosta, ka hoy izy ireo: “Inona izao no hataonay, ry rahalahy?” Hoy i Petera: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka. Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina.” (As 2:37, 38) Azo antoka fa nahalala ny batisan’i Jaona ireo Jiosy ireo. Zava-baovao tamin’izy ireo àry ilay nolazain’i Petera hoe ny fibebahana sy ny batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy indray izao no hahazoana famelan-keloka. Tsy nilaza akory i Petera hoe manala fahotana ny batisa. Fantany mantsy fa “ny ran’i Jesosy [Zanak’Andriamanitra] no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.” (1Jn 1:7) Nilaza izy taoriana kelin’izay fa i Jesosy no ‘Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana.’ Hoy koa izy tamin’ireo Jiosy tao amin’ny tempoly: “Mibebaha, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba hisian’ny fotoana mamelombelona avy amin’i Jehovah.” (As 3:15, 19) Ho voavela àry ny helok’izay mibebaka noho ny zava-dratsy nataony tamin’i Kristy ka ‘miverina’, izany hoe manaiky azy. Tsy mbola niresaka momba ny batisa i Petera teo.

Nifarana ny fifaneken’ny Lalàna rehefa novonoina teo amin’ny hazo fijaliana i Kristy (Kl 2:14), ary nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao tamin’ny Pentekosta taona 33. (Ampit. As 2:4; He 2:3, 4.) Mbola namindra fo tamin’ny Jiosy ihany anefa Andriamanitra, nandritra ny telo taona sy tapany teo ho eo. Ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ary ny Samaritanina ihany àry no nitorian’ny mpianatr’i Jesosy nandritra an’io fotoana io. Nirahin’Andriamanitra ho any an-tranon’i Kornelio, lehilahy hafa firenena, anefa i Petera tamin’ny taona 36 tany ho any. Nasehony tamin’i Petera fa azo atao batisa ao anaty rano amin’izay ny hafa firenena, rehefa nandatsahany ny fanahiny masina ilay manamboninahitra romanina sy ny ankohonany. (As 10:34, 35, 44-48) Tsy nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra intsony ny Jiosy, na voafora izy na tsia, satria ny fifanekena vaovao natao tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy indray no nanan-kery, fa tsy ny fifaneken’ny Lalàna intsony. Tsy nahazo sitraka tamin’i Jehovah Andriamanitra àry izy ireo na dia nitandrina ny Lalàna aza. Tsy nanan-kery intsony koa ny batisan’i Jaona, izay nisy ifandraisany tamin’ny Lalàna. Tsy maintsy naneho finoana ny Zanak’Andriamanitra kosa ny Jiosy mba hahafahany hanatona an’Andriamanitra, ary natao batisa tao anaty rano tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy.—Jereo FITOPOLO HERINANDRO (Fifanekena nanan-kery ‘nandritra ny herinandro’).

Lasa mitovy eo imason’Andriamanitra daholo àry na Jiosy na hafa firenena, taorian’ny taona 36. (Ro 11:30-32; 14:12) Tsy tafiditra tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna ny hafa firenena, afa-tsy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ka noforana. Tsy nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra Ray mihitsy àry izy ireo hatramin’izay. Afaka ny ho lasa vahoakan’Andriamanitra anefa ny hafa firenena nanomboka teo, na iza izy na iza. Tsy maintsy mino an’i Jesosy Kristy Zanany izy ireo mba hahafahany hanatona an’Andriamanitra, vao hatao batisa ao anaty rano, araka ny modely sy ny didy nomen’i Kristy.—Mt 3:13-15; 28:18-20.

Nanjary nifandray kokoa tamin’Andriamanitra izy ireo rehefa natao batisa. Hoy i Petera rehefa avy niresaka momba ny nanamboaran’i Noa ny sambofiara, izay nidiran’izy mianakavy ka nahavoavonjy ny ainy: “Ny mifanitsy amin’izany, izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa—tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa fangatahana amin’Andriamanitra feon’ny fieritreretana madio—amin’ny alalan’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.” (1Pe 3:20, 21) Ny sambofiara no porofo mivaingana fa nanokan-tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Noa, sady nanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa nampanaoviny azy. Voavonjy àry izy. Ho voavonjy koa izay mino an’i Kristy tafatsangana amin’ny maty, ka manokan-tena ho an’i Jehovah sy mampiseho izany amin’ny alalan’ny batisa, ary manao ny sitrapony. Hafahana amin’ity tontolo ratsy ity izy ireo (Ga 1:3, 4), ka tsy ho ringana miaraka aminy. Homen’Andriamanitra feon’ny fieritreretana madio koa izy ireo.

Tsy batisan-jazakely. ‘Nihaino ny teny’ sy ‘nandray tsara ny teny’ ary ‘nibebaka’ ny olona iray, vao natao batisa tao anaty rano. (As 2:14, 22, 38, 41) Fanapahan-kevitra lehibe àry izy io. Tsy afaka ny hihaino sy hino ary hanapa-kevitra toy izany mihitsy raha zazakely. Misy anefa milaza fa tokony hatao batisa ny zazakely. ‘Ankohonana’ manontolo mantsy, hono, no natao batisa, toy ny ankohonan’i Kornelio sy Lydia sy Krispo sy Stefanasy ary ilay mpiandry fonja tany Filipy. (As 10:48; 11:14; 16:15, 32-34; 18:8; 1Ko 1:16) Mihevitra àry izy ireo fa anisan’izany ny zazakely tao amin’ireo fianakaviana ireo. Nihaino ny teny, nahazo ny fanahy masina, niteny tamin’ny fiteny samihafa ary nankalaza an’Andriamanitra anefa ireo mpianakavin’i Kornelio natao batisa. Tsy ho nahavita izany raha zazakely. (As 10:44-46) I Lydia kosa “mpivavaka tamin’Andriamanitra”, ka “nanokatra tanteraka ny fony i Jehovah mba handraisany tsara ny teny notorin’i Paoly.” (As 16:14) Ilay mpiandry fonja tany Filipy indray tsy maintsy ‘nino an’i Jesosy Tompo’, ary azo inoana fa tsy maintsy nanao izany koa ny mpianakaviny vao natao batisa. (As 16:31-34) “Nanjary nino ny Tompo” koa “i Krispo mpitantana an’ilay synagoga, mbamin’ny ankohonany manontolo.” (As 18:8) Olona nihaino sy nino ary nanome voninahitra an’Andriamanitra àry no voalaza fa natao batisa. Tsy afaka ny hanao izany mihitsy raha zazakely. “Natao batisa” ny olona tany Samaria rehefa nahare sy nino “ny vaovao tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra sy momba ny anaran’i Jesosy Kristy.” ‘Lehilahy sy vehivavy’ ireo natao batisa, fa tsy zazakely.—As 8:12.

Nilaza tamin’ny Korintianina i Paoly fa “masina” ny ankizy manana ray na reny efa mpino. Tsy manaporofo anefa izany hoe natao batisa ny zazakely, izay mbola tsy afaka manapa-kevitra samirery. Noho izy ireo manana ray na reny mpino fotsiny no mahatonga an’ireo ankizikely ireo hahazo sitraka amin’Andriamanitra, fa tsy hoe noho izy ireo natao batisa akory. Raha mety àry ny fanaovana batisa zazakely, dia tsy mitombina ny nolazain’i Paoly.—1Ko 7:14.

Marina fa niteny i Jesosy hoe: “Avelao ny zaza hanatona ahy fa aza sakanana intsony, fa an’izay toa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 19:13-15; Mr 10:13-16) Tsy hoe nataony batisa anefa ireo zaza ireo. Nitso-drano azy ireo sy nametra-tanana taminy kosa izy. Tsy fombafomba ara-pivavahana akory izany. Tsy hoe natao batisa ireo ankizy ireo matoa nilaza i Jesosy hoe “an’izay toa azy ny fanjakan’Andriamanitra”, fa mora ampianarina sy tso-po kosa izy ireo. Didiana koa ny Kristianina mba ho “zaza bodo raha ny amin’ny faharatsiana” fa ho “olon-dehibe [kosa] raha ny amin’ny fahaiza-misaina.”—Mt 18:4; Lk 18:16, 17; 1Ko 14:20.

Hoy i Auguste Neander, mpahay tantara ara-pivavahana, momba ny Kristianina voalohany: “Tsy nisy batisan-jazakely tamin’izany. ... Tamin’ny andron’i Irénée [t. 120/140-t. 200/203] (azo antoka fa tsy talohan’izay mihitsy) vao nisy izy io. Tamin’ny taonjato fahatelo izy io vao nekena ho fanaon’ny apostoly. Vao mainka izany manaporofo fa tsy avy amin’ny apostoly izy io.”—Tantaran’ny Niforonan’ny Fiangonana Kristianina sy ny Nampiofanan’ny Apostoly Azy Io, 1864, p. 162.

Fandrobohana tanteraka. Araka ny famaritana tetsy aloha, dia aroboka tanteraka ao anaty rano ny olona atao batisa, fa tsy andrarahana na amafazana rano fotsiny. Natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana, ohatra, i Jesosy, ary “niakatra avy tao amin’ny rano” izy, raha vao vita batisa. (Mr 1:10; Mt 3:13, 16) Toerana akaikin’i Saleima tao amin’ny Lohasahan’i Jordana no nofidin’i Jaona hanaovana batisa, “satria nisy rano be tao.” (Jn 3:23) Nangataka ny hatao batisa ilay tandapa etiopianina rehefa tonga “teo amin’izay nisy rano.” “Nidina tao anaty rano” izy sy Filipo, ary avy eo “niakatra avy tao.” (As 8:36-40) Tsy dobo kely àry no nanaovana batisa an’ireo olona ireo fa rano be. Toy ny hoe ‘alevina’ koa ny olona atao batisa, ka mety raha aroboka tanteraka ao anaty rano.—Ro 6:4-6; Kl 2:12.

Voalazan’ny tantara fa nandroboka tao anaty rano ny Kristianina voalohany, rehefa nanao batisa. Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967, Boky II, p. 56): “Naroboka tao anaty rano ny olona natao Batemy tao amin’ny Eglizy voalohany.” Hoy koa ny Larousse ho An’ny Taonjato Faha-20 (frantsay, Paris, 1928): “Naroboka tany amin’izay toerana nisy rano ny Kristianina voalohany, rehefa natao batisa.”

Batisa ho amin’i Kristy Jesosy, sy ho amin’ny fahafatesany. Fantatr’i Jesosy tamin’izy natao batisa tao amin’ny Reniranon’i Jordana, fa hiafara amin’ny fanaovana sorona ny ainy ny fiainany. Fantany fa tsy maintsy hafoiny ilay ‘vatana nomanina ho azy’, izany hoe hovonoina izy na dia tsy nanan-tsiny aza ka hataony sorona ny ainy lavorary mba hanavotana ny olombelona. (Mt 20:28) Takany fa ho faty izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo, toy ny hoe haroboka ao anaty rano dia avy eo havoaka avy ao. (Mt 16:21) Nilaza àry izy fa toy ny hoe atao batisa ho amin’ny fahafatesana izy. (Lk 12:50) Nolazainy tamin’ny mpianany fa efa niantomboka io batisa io tamin’izy nanao ny fanompoany. (Mr 10:38, 39) Natao batisa tanteraka ho amin’ny fahafatesana kosa izy, rehefa nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana tamin’ny 14 Nisana taona 33. Vita ilay batisa rehefa natsangan’i Jehovah Andriamanitra Rainy izy tamin’ny andro fahafatelo. Samy hafa ny batisan’i Jesosy ho amin’ny fahafatesana sy ny batisany ao anaty rano. Efa vita batisa tao anaty rano mantsy izy tamin’izy nanomboka ny fanompoany, ary tamin’izay no niandohan’ny batisany ho amin’ny fahafatesana.

Efa nisy nataon’i Jaona batisa tao anaty rano ny apostolin’i Jesosy Kristy. (Jn 1:35-37; 4:1) Mbola tsy natao batisa tamin’ny fanahy masina anefa izy ireo, rehefa nilazan’i Jesosy fa hatao batisa amin’ny batisa toy ny azy, dia ny batisa ho amin’ny fahafatesany. (Mr 10:39) Tsy mitovy àry ny batisa ao anaty rano sy ny batisa ho amin’ny fahafatesany. Hoy i Paoly tamin’ny fiangonana tany Roma: “Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?”—Ro 6:3.

I Jehovah Andriamanitra no manao batisa ho amin’i Kristy Jesosy sy ho amin’ny fahafatesany. Nohosorany tamin’ny fanahiny i Jesosy, ka lasa Kristy na Voahosotra. (As 10:38) Nataon’Andriamanitra batisa tamin’ny fanahy masina i Jesosy, mba ho azo atao batisa amin’ny fanahy masina amin’ny alalan’i Jesosy koa ny mpianany. Izay rehetra hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra àry dia tokony hatao “batisa ho amin’i Kristy Jesosy”, izany hoe ho amin’i Jesosy Voahosotra, izay nateraka ho zanak’Andriamanitra ara-panahy rehefa nohosorana tamin’ny fanahy. Lasa tafaray amin’i Jesosy, ilay Lohany, izy ireo, ary anisan’ny fiangonana izay oharina amin’ny vatan’i Kristy.—1Ko 12:12, 13, 27; Kl 1:18.

Miezaka ny tsy hivadika ireo natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, na dia iharam-pitsapana sy mety hamoy ny ainy aza izy isan’andro. Maty tsy mivadika izy ireo amin’ny farany. Hoy i Paoly: “Koa niara-nalevina taminy isika rehefa natao batisa ho amin’ny fahafatesany, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny alalan’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika koa ao amin’ny fiainam-baovao. Fa raha lasa tafaray amin’i Kristy ao amin’ny fahafatesana toy ny azy isika, dia azo antoka fa ho tafaray aminy koa ao amin’ny fitsanganana toy ny azy.”—Ro 6:4, 5; 1Ko 15:31-49.

Nanazava koa i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny fiangonan’i Filipy fa ‘niara-nijaly tamin’i Kristy’ ny tenany, ‘ka nanaiky ho faty toy ny nahafatesany, sao mba mety hahazo an’ilay fitsanganana amin’ny maty aloha kokoa.’ (Fi 3:10, 11) Ilay Ray any an-danitra sady Andriamanitra Mahery Indrindra ihany no afaka mamita ny batisan’ireo atao batisa ho amin’i Jesosy Kristy sy ho amin’ny fahafatesany. Hanangana azy ireo ho any an-danitra mantsy izy amin’ny alalan’i Kristy. Ho tafaray amin’i Jesosy ao amin’ny fitsanganana toy ny azy izy ireo ka tsy ho faty intsony.—1Ko 15:53, 54.

Natao batisa ho amin’i Mosesy, izay mpanafaka sady mpitarika azy, koa ny fiangonan’Israely fahiny. Nilaza mantsy i Paoly fa “natao batisa ka tafaray tamin’i Mosesy” izy ireo, “fony teo anatrehan’ny rahona sy namakivaky ny ranomasina.” Toy ny hoe naroboka izy ireo, satria rahona no teo amboniny ary rano no teo amin’ny andaniny roa. Nilaza koa i Mosesy fa hanendry mpaminany toa azy Andriamanitra. I Jesosy Kristy ilay mpaminany, hoy i Petera.—1Ko 10:1, 2; De 18:15-19; As 3:19-23.

Inona no dikan’ny hoe atao batisa “mba ho faty”?

Toy izao avy no nandikan’ny Baiboly samy hafa ny 1 Korintianina 15:29: “Hanao ahoana izay atao batisa ny amin’ny maty?” (Prot.); “ho an’ny maty?” (Kat.); “misolo ny maty?” (DIEM); “mba ho faty?” (TV)

Maro ny fanazavana momba an’io andininy io, fa ny re matetika dia hoe atao batisa ao anaty rano ny velona ho solon’ny maty, mba hahafahan’ny maty handray soa. Tsy voaporofo anefa hoe izany no fanao tamin’ny andron’i Paoly. Ny Baiboly rahateo koa milaza fa ny “mpianatra” ‘nandray tsara ny teny’ sy ‘nino’ no natao batisa.—Mt 28:19; As 2:41; 8:12.

Miaraka amin’ny teny ilazana tompon-javatra ny teny grika hyper ao amin’ny 1 Korintianina 15:29. Anisan’ny dikan’ny hyper ny hoe “ho an’ny”, “ho tombontsoan’ny”, na “noho ny.” (Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott; nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 1857) Mitovy ihany ny hevitry ny hoe “noho ny” sy “mba ho” indraindray. Efa nilaza, ohatra, i Jacob Elsner tamin’ny 1728 fa maro ny mpanoratra grika nampiasa an’ilay hoe hyper miaraka amin’ny teny ilazana tompon-javatra, mba hilazana zava-kendrena. Toy izany koa, hoy izy, ny hyper ao amin’ny 1 Korintianina 15:29. (Observationes Sacræ in Novi Foederis Libros, Utrecht, Boky II, p. 127-131) Nadika hoe “mba ho” àry izy io ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

Ny teny manodidina no ahalalana hoe iza no dikan-teny marina, rehefa azo adika amin’ny fomba maro ny teny iray. Inona àry no tena resahin’ny 1 Korintianina toko faha-15? Ny finoana hoe maty sy natsangana tamin’ny maty i Jesosy Kristy (and. 1Ko 15:3, 4). Asehon’ny andininy manaraka ny maha marim-pototra izany finoana izany (and. 1Ko 15:5-11) sy ny vokatry ny fandavana izany (and. 1Ko 15:12-19). Hazavainy koa hoe antoka ho an’ny hafa ny fitsanganan’i Kristy fa mbola hitsangana ny maty (and. 1Ko 15:20-23) sy hoe nahoana izany no manampy ny zavaboary manan-tsaina rehetra ho tafaray amin’Andriamanitra (and. 1Ko 15:24-28). Mbola mitohy eo amin’ny andininy faha-1Ko 15:29 ilay resaka fitsanganana amin’ny maty. Iza anefa no hatsangana eo? Ireo voalaza eo hoe atao batisa ve, sa ireo maty nefa mbola tsy natao an’io batisa io? Inona no resahin’ny andininy manaraka? Ny fanantenan’ireo Kristianina velona tamin’izany (and. 1Ko 15:30-34). Nanantena ny ho any an-danitra ireo Kristianina tsy nivadika ireo (and. 1Ko 15:35-58).

Mifanaraka amin’ity voalazan’ny Romanina 6:3 ity izany: “Sa tsy fantatrareo fa isika rehetra izay natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?” Tsy atao batisa ho solon’ny maty akory ireo Kristianina ireo, fa atao batisa kosa mba hahazoany fitsanganana toy ny an’i Kristy.

Inona àry no dikan’ilay hoe “atao batisa mba ho faty” ny Kristianina, na ‘atao batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy’? Midika izy io fa miezaka ny tsy hivadika izy mandritra ny androm-piainany, ary manaiky ho faty toy ny nahafatesan’i Kristy sady manantena ny hatsangana ho zavaboary ara-panahy tsy mety maty toa azy. (Ro 6:4, 5; Fi 3:10, 11) Tsy vita vetivety toy ny batisa ao anaty rano io batisa io. Nilaza mantsy i Jesosy telo taona mahery taorian’ny nandrobohana azy tao anaty rano, fa misy batisa hafa nanaovana batisa azy nefa mbola tsy vita izy io tamin’izay. Mbola hatao an’io batisa io koa ny mpianany. (Mr 10:35-40) Manomboka atao an’io batisa io ny olona iray rehefa lasa manantena ny ho any an-danitra izy, noho ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra ao aminy. Tsy rehefa maty akory izy no mifarana ilay batisa, fa rehefa lasa zavaboary ara-panahy tsy mety maty.—2Ko 1:21, 22; 1Ko 6:14.

Ny toeran’ny olona ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Lasa manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah ireo atao batisa ao anaty rano, satria lasa mpanompony sady manao ny sitrapony. Tsy ilay olona anefa no mamaritra hoe inona no sitrapon’Andriamanitra momba azy. Andriamanitra kosa no manapa-kevitra hoe ahoana no ampiasany an’ilay olona, ary inona no fikasany momba azy. Nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah, ohatra, ny firenen’Israely fahiny ka lasa fananany. (Ek 19:5) Ny fokon’i Levy ihany anefa no nofidina hanompo tao amin’ny toerana masina, ary ny taranak’i Arona ihany no voafidy tao amin’io foko io mba ho mpisorona. (No 1:48-51; Ek 28:1; 40:13-15) Ny taranak’i Davida irery kosa no nofidin’i Jehovah Andriamanitra ho mpanjaka.—2Sa 7:15, 16.

Lasa fananan’Andriamanitra na mpanompony ampiasainy amin’izay tiany koa ny Kristianina vita batisa. (1Ko 6:20) Milaza, ohatra, ny Apokalypsy fa voafetra ho 144 000 ny isan’ireo olona “voaisy tombo-kase” farany. (Ap 7:4-8) Alohan’izay anefa dia omen’Andriamanitra ny fanahy masina izy ireo ho tombo-kase, izay ‘antoka mialoha ny amin’ny lovan’izy ireo’ any an-danitra. (Ef 1:13, 14; 2Ko 5:1-5) Hoy ny Baiboly momba azy ireo: “Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny [vatan’i Kristy] ny rantsany tsirairay, araka izay tiany.”—1Ko 12:18, 27.

Misy antokon’olona hafa koa noresahin’i Jesosy. Hoy izy: “Manana ondry hafa tsy ao amin’ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry.” (Jn 10:16) Tsy anisan’ny “ondry vitsy” izy ireo (Lk 12:32), kanefa tsy maintsy manatona an’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy koa, ary atao batisa ao anaty rano.

Mifanaraka amin’izany ny fahitana nomena ny apostoly Jaona, ao amin’ny Apokalypsy. Rehefa avy naseho azy ny 144 000 “voaisy tombo-kase”, dia nahita “vahoaka be tsy tambo isaina” izy. ‘Nosasan’izy ireo sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjony’, izany hoe mino ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanak’ondrin’Andriamanitra izy ireo. (Ap 7:9, 14) ‘Mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra’ izy ireo, izany hoe mahazo sitraka aminy, na dia tsy anisan’ireo 144 000 “voaisy tombo-kase” aza. Manompo an’Andriamanitra andro aman’alina ilay “vahoaka be”, ka harovany sy hokarakarainy.—Ap 7:15-17.

Batisa amin’ny afo. Nantsoin’i Jaona Mpanao Batisa hoe “taranaky ny menarana” ireo Fariseo sy Sadoseo nanatona azy mba hatao batisa. Hoy izy avy eo momba Ilay ho avy: “Izy no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy amin’ny afo.” (Mt 3:7, 11; Lk 3:16) Tsy mitovy ny batisa amin’ny fanahy masina sy ny batisa amin’ny afo. Misy milaza fa natao batisa tamin’ny afo ireo mpianatra tamin’ny Pentekosta, rehefa nisy lelafo teo amboniny. Tsy marina anefa izany, satria tsy natao tao anaty afo izy ireo. (As 2:3) Nilaza koa i Jaona fa hangonina ny vary, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorana amin’ny afo tsy mety maty. (Mt 3:12) Tsy midika ho fitahiana na valisoa àry ilay afo, satria izay ‘hazo tsy mamoa voa tsara’ no hatsipy ao anaty afo.—Mt 3:10; Lk 3:9.

Noharin’i Jesosy tamin’ny afo ny fandringanana, rehefa nilaza izy fa haringana ny ratsy fanahy mandritra ny fanatrehany. Hoy izy: “Tamin’ny andro nivoahan’i Lota avy tao Sodoma dia nilatsaka toy ny orana ny afo sy solifara avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra. Dia ho toy izany koa amin’ilay andro hampiharihariana ny Zanak’olona.” (Lk 17:29, 30; Mt 13:49, 50) Midika ho fandringanana, fa tsy famonjena, koa ny afo ao amin’ny 2 Tesalonianina 1:8 sy Joda 7 ary 2 Petera 3:7, 10.