Jaona Voalohany 1:1-10

  • Tenin’ny fiainana (1-4)

  • Mandeha ao amin’ny mazava (5-7)

  • Mila miaiky fahotana (8-10)

1  Manoratra aminareo izahay momba an’ilay tenin’ny fiainana,+ izay efa nisy hatrany am-piandohana, sy efa henonay sy hitan’ny masonay, ary efa nojerenay tsara sy notsapain’ny tananay. 2  —Efa naseho mantsy ny fiainana, ary efa hitanay ka torinay+ sy lazainay aminareo ny fiainana mandrakizay.+ Avy tamin’ny Ray ny fiainana mandrakizay, ary efa naseho anay.— 3  Ilay tenin’ny fiainana izay efa hitanay sy henonay no lazainay aminareo koa,+ mba ho tafaray* aminay ianareo. Tafaray amin’ny Ray sy Jesosy Kristy Zanany mantsy isika.+ 4  Manoratra aminareo momba an’izany àry izahay, mba samy ho faly be isika. 5  Izao no hafatra henonay taminy ka lazainay aminareo: Andriamanitra dia hazavana,+ ka tsy mba misy haizina mihitsy ao aminy.* 6  Raha miteny isika hoe: “Tafaray aminy isika”, nefa mbola mandeha ao amin’ny haizina ihany, dia mandainga isika sady tsy mampihatra ny fahamarinana eo amin’ny fiainantsika.+ 7  Fa raha mandeha ao amin’ny mazava kosa isika, satria izy ao amin’ny mazava, dia tena tafaray daholo isika. Ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.+ 8  Raha miteny isika hoe: “Tsy mpanota isika”, dia mamita-tena+ sady tsy ao am-pontsika ny fahamarinana. 9  Raha miaiky ny fahotantsika anefa isika, dia tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny fanao ratsy rehetra.+ 10  Raha miteny isika hoe: “Mbola tsy nanota isika”, dia manao azy ho mpandainga, ary tsy ao am-pontsika ny teniny.

Fanamarihana

Na: “hanan-javatra iombonana.”
Na: “tsy mba misy haizina tafaray aminy.”