Salamo 40:1-17
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
40 Nanantena mafy* an’i Jehovah aho,Dia nanongilan-tsofina* nihaino ahy izy ka naheno ny antso vonjy nataoko.+
2 Nampiakariny avy tao amin’ny lavaka misy rano misasasasa aho,Dia avy tao amin’ny fotaka mandrevo.
Ary nataony teo ambony harambato ny tongotro;Nataony azo antoka tsara izay nandehanako.
3 Nampianariny hira vaovao+ aho avy eo,Dia hira fiderana an’Andriamanitsika.
Maro no hahita an’izany, dia ho gaga,Ka hatoky an’i Jehovah.
4 Sambatra ny olona matoky an’i Jehovah,Sy tsy miantehitra amin’ny mpikomy na amin’ny mpamitaka.*
5 Maro ny zavatra nataonao,Jehovah Andriamanitro ô,Dia ireo asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay.+
Tsy misy azo ampitahaina aminao;+Raha mba te hilaza sy hiresaka momba an’ireny aho,Dia tsy ho vitako ny hitantara an’izany satria be dia be loatra.+
6 Tsy nila* sorona sy fanatitra ianao,+Fa nosokafanao ny sofiko mba hihaino an’izay lazainao.+
Tsy nitaky fanatitra dorana sy fanatitra noho ny ota ianao.+
7 Dia hoy aho: “Intỳ aho fa tonga!
Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.+
8 Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy,* Andriamanitra ô,+Ary ao anatiko lalina ao ny lalànao.+
9 Ambarako amin’ny fiangonana lehibe ny vaovao tsara momba ny fahamarinana.+
Tsy manakombona ny vavako aho,+Jehovah ô, araka ny efa fantatrao tsara.
10 Tsy koboniko ato am-poko ny fahamarinanao.
Manambara ny tsy fivadihanao sy ny famonjenao aho.
Tsy mba manafina ny fitiavanao* sy ny fahamarinanao aho, eo anivon’ny fiangonana lehibe.”+
11 Jehovah ô, aza mandà tsy hamindra fo amiko.
Enga anie hiaro ahy foana ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao ary ny fahamarinanao!+
12 Tsy voaisa ny loza manodidina ahy.+
Be loatra ny fahadisoana vitako ka tsy hitako izay lalan-kizorana;+Maro noho ny volon-dohako ireny,Ka kivy aho.
13 Jehovah ô, mba vonjeo re aho e!+
Jehovah ô, mba ampio haingana aho!+
14 Enga anie izay rehetra mitady hamono ahy*Mba ho menatra sy ho afa-baraka!
Enga anie ireo faly amin’ny fahavoazakoHandositra sady ho menatra!
15 Enga anie izay miteny amiko hoe: “Tsara ho azy izay!”
Hivarahontsana noho ny henatra.
16 Fa aoka kosa izay mitady anao+Hifaly sy hiravoravo aminao.+
Enga anie ireo tia ny asa famonjenao hilaza foana hoe:
“Hankalazaina anie i Jehovah!”+
17 Fa tsy misy mpiaro aho sady mahantra;Enga anie i Jehovah hikarakara ahy!
Ianao no mpanampy sy mpanafaka ahy;+Andriamanitro ô, aza ela loatra.+
Fanamarihana
^ Na: “Naharitra niandry.”
^ Na: “niondrika.”
^ Na: “mpandainga.”
^ Na: “Tsy nankasitraka.”
^ Na: “iriko.”
^ Na: “ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao.”
^ Na: “mifofo ny aiko.”