Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana I

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana I

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Salamo—Fizarana I

INONA no anarana mety tsara ho an’ny boky iray mirakitra teny fiderana maro ho an’ny Mpamorona, dia i Jehovah Andriamanitra? Salamo, izay midika hoe Fiderana, no anarana mifanentana tsara indrindra amin’izany. Io no boky lava indrindra ao amin’ny Baiboly. Mirakitra hira kanto momba ny toetra tena tsaran’Andriamanitra sy ny fahagagana nataony izy io, ary ahitana faminaniana be dia be. Maro amin’ny hira ao amin’izy io koa no maneho ny fihetseham-pon’ireo mpanoratra, rehefa niaritra ny mafy izy ireo. Zava-nitranga nandritra ny arivo taona teo ho eo no voaresaka ao amin’ilay boky, izany hoe nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy mpaminany ka mandra-piverin’ny Jiosy avy tany an-tsesitany. Maromaro ny mpanoratra azy io, ka anisan’izany i Mosesy sy Davida Mpanjaka. I Ezra mpisorona kosa no nanambatra izany asa soratra rehetra izany ho boky.

Efa hatry ny ela ny Salamo no nozaraina ho dimy: 1) Salamo 1-41; 2) Salamo 42-72; 3) Salamo 73-89; 4) Salamo 90-106; ary 5) Salamo 107-150. Ny fizarana voalohany no resahin’ity lahatsoratra ity. I Davida mpanjakan’ny Israely fahiny no nanoratra ny salamo rehetra ao amin’io fizarana io, afa-tsy ny telo. Tsy voalaza hoe iza no nanoratra ny Salamo 1, 10, ary 33.

‘ANDRIAMANITRO NO VATOLAMPIKO’

(Salamo 1:1–24:10)

Milaza ny Salamo voalohany fa sambatra ny olona mankasitraka ny lalàn’i Jehovah. Miresaka avy hatrany momba ilay Fanjakana kosa ny Salamo faharoa. * Fitalahoana amin’Andriamanitra no tena hita ao amin’ny Salamo 1 ka hatramin’ny 24. Fiangaviana an’Andriamanitra mba hanafaka amin’ny fahavalo, ohatra, no hita ao amin’ny Salamo 3-5, 7, 12, 13, ary 17. Asongadin’ny Salamo 8 kosa fa lehibe tokoa Andriamanitra, raha oharina amin’ny olombelona izay tena bitika.

Nasehon’i Davida fa Mpiaro ny vahoakany i Jehovah, rehefa nihira izy hoe: “Andriamanitro, vatolampy ialofako.” (Salamo 18:2) Midera an’i Jehovah noho izy Mpamorona sy Mpanome Lalàna ny Salamo 19. Mankalaza azy noho izy Mpamonjy ny Salamo 20, ary manome voninahitra azy noho izy Mpamonjy an’ilay Mpanjaka voatendriny ny Salamo 21. Mampitaha azy amin’ny Mpiandry Lehibe ny Salamo 23, ary mampiseho azy ho Mpanjaka be voninahitra kosa ny Salamo 24.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

2:1, 2—Inona ilay “anoano foana” sainin’ny firenena? Azo adika koa hoe zava-poana io teny io, ary milaza ny ezaka mitohy ataon’ireo fitondran’olombelona mba hihazonana ny fahefany. Zava-poana na tsy misy dikany izany, satria azo antoka fa tsy hahomby. Aiza moa no hahombiazan’izy ireo, nefa miray hina “hanohitra an’i Jehovah sy ny mesiany” izy?

2:7—Inona ilay hoe “zava-boatendry”? Izy io dia ny fifanekena ny amin’ny Fanjakana nataon’i Jehovah tamin’i Jesosy Kristy, Zanany malala.—Lioka 22:28, 29.

2:12—Ahoana no ahafahan’ireo mpitondra ‘manoroka ny Zanaka’? Fanehoana fisakaizana sy tsy fivadihana ny oroka, tamin’ny andro fahiny. Izany no fomba niarahabana ny vahiny. Asaina manoroka ny Zanaka àry ireo mpanjakan’ny tany, izany hoe asaina miarahaba sy manaiky azy ho Mesia Mpanjaka.

3:teny fampidirana—Inona no anton’ireo teny fampidirana amin’ny salamo sasany? Milaza ny anaran’ilay mpanoratra ny sasany amin’izy ireny, sy (na) manazava ny toe-javatra nanoratana ilay salamo, toy ny eo amin’ny Salamo 3. Mety hanazava ny fomba tokony hampiasana an’ilay hira koa izany (Salamo 4 sy 5), na manome toromarika momba ny fomba hihirana azy (Salamo 6).

3:2—Inona no atao hoe “Sela”? Mazàna io teny io no heverina fa manondro fiatoana kely eo amin’ny fihirana, na eo amin’ny fihirana sy fitendrena zavamaneno, mba hahafahana hisaintsaina mangina. Natao hanasongadinana ny hevitra na ny fihetseham-po vao nolazaina ilay fiatoana. Tsy voatery hovakina ny teny hoe “sela”, rehefa misy famakiana ampahibemaso ny Salamo.

11:3—Inona ireo fanorenana lazaina fa rava? Tsy inona izany fa ireo fototra iorenan’ny fiaraha-monina, izany hoe ny lalàna sy ny filaminana ary ny rariny. Mikorontana ny fiaraha-monina ary manjaka ny tsy rariny, rehefa atao tsinontsinona ireo fototra ireo. Tsy maintsy mitoky tanteraka amin’Andriamanitra “ny marina” amin’izay fotoana izay.—Salamo 11:4-7.

21:3—Inona no tsara homarihina momba ny “satroboninahitra tena volamena”? Tsy voalaza raha satroboninahitra ara-bakiteny izy io, na satroboninahitra an’ohatra ilazana ny voninahitra fanampiny azon’i Davida noho ireo fandreseny maro. Faminaniana anefa io andinin-teny io, ary mahakasika ilay satroboninahitra nomen’i Jehovah an’i Jesosy, rehefa lasa mpanjaka izy tamin’ny 1914. Koa satria vita amin’ny volamena ilay satroboninahitra, dia midika izany fa faran’izay tsara ny fitondrany.

22:1, 2—Inona no mety ho antony nahatonga an’i Davida hahatsiaro ho nafoin’i Jehovah? Nampahory mafy an’i Davida ny fahavalony, ka lasa ‘tahaka ny savoka ny fony ary niempo tao anatiny.’ (Salamo 22:14) Mety ho nieritreritra izy fa nanary azy i Jehovah. Izany koa no tsapan’i Jesosy, rehefa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana izy. (Matio 27:46) Maneho ny fihetseham-po voajanahary tsapan’ny olombelona miaritra fahoriana mangidy ny tenin’i Davida. Porofoin’ny vavaka nataony ao amin’ny Salamo 22:16-21 anefa, fa mbola natoky an’Andriamanitra izy.

Lesona ho antsika:

1:1. Tsy tsara ny mifanerasera amin’ny olona tsy tia an’i Jehovah.—1 Korintianina 15:33.

1:2. Tsy tokony havelantsika hisy andro iray handalo, ka tsy handinihantsika ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah.—Matio 4:4.

4:4. Fahendrena ny mangina rehefa misy mahasosotra na mahatezitra antsika, mba tsy hilazana zavatra mety hanenenana.—Efesianina 4:26.

4:5. Tokony ho antony tsara no anaovantsika sorona ho an’i Jehovah, ary tokony hifanaraka amin’izay takiny ny fitondran-tenantsika. Amin’izay ihany isika vao azo lazaina hoe manao “fanati-pahamarinana.”

6:5. Ny fiderana an’i Jehovah tokoa no antony tsara indrindra aniriantsika ho velona foana.—Salamo 115:17.

9:12. Manadin-dra i Jehovah, izany hoe mitady an’izay mpandatsa-dra, mba hanasaziana azy. Mahatsiaro ‘ny fitarainan’ny ory’ anefa izy.

15:2, 3; 24:3-5. Tsy maintsy milaza ny marina ny tena mpivavaka, ary tsy tokony hiampanga lainga, na hanendrikendrika ny hafa.

15:4. Tokony hanao araka izay fara herintsika isika mba hanatanterahana ny tenintsika, na dia sarotra be aza izany, raha tsy hoe hitantsika angaha tatỳ aoriana fa mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly ilay izy.

15:5. Mila mitandrina isika mpanompon’i Jehovah, mba tsy hampiasa ny vola amin’ny fomba ratsy.

17:14, 15. Manokan-tena tanteraka ho amin’ny fikatsahana harena sy ny fitaizan-janaka ary ny famelana lova ho an’ny taranany ny “olon’izao tontolo izao.” Ny zava-dehibe indrindra tamin’i Davida kosa, dia ny hanana laza tsara teo anatrehan’Andriamanitra mba ‘hahitany ny tavany’, izany hoe hahazoany sitraka aminy. Rehefa ‘nifoha’ izy ka nahatsiaro ny fampanantenana sy fanomezan-toky avy tamin’i Jehovah, dia ‘afa-po [tamin’ny fahitana] ny endriny’, izany hoe faly satria nomba azy i Jehovah. Moa ve isika tsy tokony hanahaka an’i Davida, ka hifantoka amin’ny harena ara-panahy?

19:1-6. Raha ny zavaboary tsy afa-miteny na misaina aza manome voninahitra an’i Jehovah, tsy mainka ve fa isika izay afaka misaina sy miteny ary manompo azy?—Apokalypsy 4:11.

19:7-11. Tena mahasoa antsika ireo zavatra takin’i Jehovah!

19:12, 13. Tokony hitandrina isika mba tsy hanao fahadisoana sy ho sahisahy hanao izay tsy tokony hatao, satria fahotana ireo.

19:14. Tsy izay ataontsika ihany no tokony hasiantsika fiheverana, fa izay lazaintsika sy eritreretintsika koa.

‘MANOHANA AHY NOHO NY TSY FIVADIHAKO IANAO’

(Salamo 25:1–41:13)

Tena maniry sy tapa-kevitra mafy ny tsy hivadika i Davida, araka ny voalazany ao amin’ny roa voalohany amin’ireo Salamo ireo! Nihira izy hoe: “Fa izaho kosa dia mandeha amin’ny fahamarinako [na tsy fivadihako].” (Salamo 26:11) Niaiky toy izao izy rehefa nangata-pamelana: “Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra noho ny fitarainako mandrakariva.” (Salamo 32:3) Manome toky an’ireo olona tsy mivadika amin’i Jehovah i Davida hoe: “Ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.”—Salamo 34:15.

Tena nilain’ireo Israelita ny torohevitra ao amin’ny Salamo 37, ary tena ilaintsika koa izany, satria miaina amin’ny ‘andro faran’ity’ tontolo ity isika! (2 Timoty 3:1-5) Misy faminaniana momba an’i Jesosy Kristy ao amin’ny Salamo 40:7, 8, manao hoe: “Inty Aho tonga—ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy—ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko.” Ary ny salamo farany amin’io fizarana io dia fangatahan’i Davida an’i Jehovah, mba hanampy azy nandritra ireo taona nampahory taorian’ilay fahotana nataon’izy sy Batseba. Nihira izy hoe: “Ary ny amiko, dia manohana ahy [noho ny tsy fivadihako] Hianao.”—Salamo 41:12.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

26:6—Ahoana no hahafahantsika hitoetra eo akaikin’ny alitaran’i Jehovah, toa an’i Davida? Misy heviny an’ohatra ny hoe alitara. Izy io dia ny sitrapon’i Jehovah hanaiky ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, mba hanavotana ny olombelona. (Hebreo 8:5; 10:5-10) Mitoetra eo akaikin’ny alitaran’i Jehovah isika, rehefa maneho finoana an’io sorona io.

29:3-9—Nahoana ny feon’i Jehovah no ampitahaina amin’ny kotroka mampahatahotra? Tiana hasongadina amin’izany fa tsy manam-paharoa ny herin’i Jehovah!

31:23—Inona no dikan’ilay hoe mamaly dia mamaly ny mpiavonavona i Jehovah? Midika hoe manasazy ny hoe mamaly eo. Mahazo fananarana avy amin’i Jehovah ny olo-marina, ho valin’ny fahadisoana tsy nahy ataony. Tsy mety miala amin’ny ratsy ataony kosa ny olona miavonavona, ka mamaly dia mamaly azy i Jehovah, izany hoe omeny sazy tena mafy izy.—Ohabolana 11:31; 1 Petera 4:18.

33:6—Inona ilay ‘fofonaina’ avy amin’ny vavan’i Jehovah? Ny hery ampiasain’Andriamanitra izy io, izany hoe ny fanahy masina. Nampiasainy hanamboarana ny lanitra, ohatra, izy io. (Genesisy 1:1, 2) Tody lavitra toy ny fofonaina mahery izy io, rehefa irahina hanao zavatra. Izany no antony iantsoana azy hoe fofonain’ny vavany.

35:19—Inona no dikan’ilay fangatahan’i Davida hoe “aoka tsy hamì-maso” ny olona mankahala azy? Raha “mamì-maso” na mipy maso ny fahavalon’i Davida, dia midika izany hoe faly izy ireo fa nahomby ny teti-dratsy namelezany azy. Nangataka tamin’i Jehovah àry i Davida mba tsy hamela an’izany hitranga.

Lesona ho antsika:

26:4. Hendry isika raha tsy mifandray amin’ny olona sasany ao amin’ny Internet izay manafina ny tena maha izy azy, ny olona any am-pianarana na any am-piasana izay milaza ho namantsika nefa mitady hamitaka antsika, ny mpivadi-pinoana izay miseho ho tena mpivavaka, ary ny olona mody manao ny tsara nefa manafina ny ratsy ataony.

26:7, 12; 35:18; 40:9. Tsy maintsy midera an’i Jehovah ampahibemaso isika any amin’ny fivoriana kristianina.

26:8; 27:4. Tena tiantsika ve ny manatrika ireo fivoriana kristianina?

26:11. Nangataka fanavotana i Davida, sady nilaza fa tapa-kevitra ny hanao ny marina, izany hoe tsy hivadika. Afaka ny tsy hivadika tokoa isika, na dia tsy lavorary aza.

29:10. Ny hoe mipetraka eo ambonin’ny ‘Safodrano’ i Jehovah, dia midika fa voafehiny tanteraka ny heriny.

30:5. Ny fitiavana no toetran’i Jehovah lehibe indrindra, fa tsy ny fahatezerana.

32:9. Tsy mankatò ny ampondra raha tsy taritina amin’ny lamboridy na karavasina. Tsy tian’i Jehovah ho toy izany isika, fa iriny kosa hankatò azy an-tsitrapo, noho ny fahafantarantsika ny sitrapony.

33:17-19. Tsy afaka mitondra famonjena ny fitaovana na rafitra naorin’olombelona, na mahery toy inona aza ilay izy. I Jehovah sy ny Fanjakany no tsy maintsy itokiantsika.

34:10. Tena mampahery an’ireo manao ilay Fanjakana ho loha laharana io andinin-teny io!

39:1, 2. Hendry isika raha ‘manisy fehim-bava amin’ny vavantsika’ sy mangina, rehefa misy olon-dratsy manontany zavatra amintsika mba hanisiana ratsy ny mpiray finoana amintsika.

40:1, 2. Raha miandry an’i Jehovah isika, dia handresy ny fahakiviana, ka toy ny hoe tafavoaka ‘avy ao amin’ny lavaka fandringanana sy ny fotaka mandrevo.’

40:5, 12. Tsy ho tototry ny fahoriana na ny fahadisoana vitantsika isika, na betsaka toy inona aza izy ireo, raha mitadidy fa ‘maro loatra ka tsy tambo isaina’ ny fitahiana azontsika.

“Isaorana Anie Jehovah”

Tena mampionona sy mampahery ireo salamo 41 voalohany ireo! Mahery tokoa io ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra io, ka azontsika anovozana fampaherezana rehefa mijaly noho ny fitsapana isika na enjehin’ny eritreritsika. (Hebreo 4:12) Mirakitra tari-dalana azo itokisana mba hitondrana ny fiainana ireo salamo ireo. Miverimberina ao koa ny fanomezan-toky fa tsy hanary antsika mihitsy i Jehovah, na inona na inona zava-tsarotra atrehintsika.

Izao no teny mamarana an’io fizarana voalohany amin’ny salamo io: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.” (Salamo 41:13) Moa ve isika tsy maniry hisaotra sy hidera an’i Jehovah, rehefa avy nandinika ireo salamo ireo?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Tanteraka voalohany tamin’ny andron’i Davida ny Salamo 2.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Raha ny zavaboary tsy mananaina aza manome voninahitra an’i Jehovah, tsy mainka ve fa isika?

[Sary, pejy 17]

I Davida no nanoratra ny ankamaroan’ireo salamo 41 voalohany

[Sary, pejy 18]

Ny salamo fahafiry no mampitaha an’i Jehovah amin’ny Mpiandry Lehibe?

[Sary, pejy 20]

Aza avela hisy andro iray handalo, ka tsy handinihanao ny zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Kintana: Courtesy United States Naval Observatory

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Kintana, pejy 18 sy 19: Courtesy United States Naval Observatory

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Kintana: Courtesy United States Naval Observatory