Salamo 20:1-9
-
Vonjen’i Jehovah ny mpanjaka notendreny
-
Misy mitoky amin’ny kalesy sy soavaly, “fa isika kosa miantso ny anaran’i Jehovah” (7)
-
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
20 Hamaly ny vavaka ataonao anie i Jehovah, amin’ny andro fahoriana!
Hiaro anao anie ny anaran’ilay Andriamanitr’i Jakoba!+
2 Hanampy anao avy ao amin’ny toerana masina+ anie izy,Ary hanohana anao avy ao Ziona!+
3 Hotsaroany anie ny fanatitra rehetra ataonao fanomezana ho azy;Enga anie izy hankasitraka* ny fanatitra dorana atolotrao! (Sela)
4 Homeny anao anie izay irin’ny fonao,+Ary hataony izay hahatanteraka an’izay rehetra kasainao!
5 Hihoby izahay noho ny asa famonjena ataonao;+Hasandratray amin’ny anaran’ny Andriamanitray ny saina kely entinay.+
Hotanterahin’i Jehovah anie izay rehetra angatahinao!
6 Fantatro tsara izao fa mamonjy ny voahosotra notendreny i Jehovah.+
Mamaly azy avy any amin’ny lanitra masina izy,Ka mitondra famonjena* lehibe ny tanany ankavanana.+
7 Ny sasany mitoky amin’ny kalesy fitondra miady, ary ny hafa amin’ny soavaly,+Fa isika kosa miantso ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika.+
8 Mitolefika izy ireo dia mianjera,Fa isika kosa mitsangana ka tafajoro.+
9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka!+
Hamaly antsika izy amin’ny andro iantsoantsika vonjy aminy.+

