Hebreo 8:1-13

  • Tranolay, aloky ny zavatra any an-danitra (1-6)

  • Fifanekena taloha sy fifanekena vaovao (7-13)

8  Izao no hevi-dehibe amin’izany zavatra resahinay izany: Mpisoronabe hoatr’izany no ananantsika,+ ary mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra Lehibe any an-danitra+ izy.  Mpanompo* ao amin’ny toerana masina+ sy ny tena tranolay koa izy, ary i Jehovah,* fa tsy olona, no nanorina an’io tranolay io.  Fa tendrena hanao fanomezana sy sorona ny mpisoronabe rehetra. Tsy maintsy manao sorona koa àry izy.+  Tsy ho mpisorona+ izy raha etỳ an-tany, satria etỳ efa misy olona manolotra fanomezana araka ny Lalàna.  Manao fanompoana masina ireny olona ireny, ary taratra sy aloky+ ny zavatra any an-danitra+ ny fanompoana ataony. Hita tamin’ilay didy nomen’Andriamanitra an’i Mosesy izany, tamin’izy efa hanorina ny tranolay. Izao mantsy no didy nomeny: “Mitandrema tsara mba hifanaraka amin’ilay modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.”+  Izao anefa i Jesosy nomena fanompoana* tsara lavitra, satria izy koa no mpanelanelana+ amin’ny fifanekena tsara kokoa,+ izay efa natao ara-dalàna noho ny fampanantenana tsara kokoa.+  Raha tsy nisy tsininy ilay fifanekena voalohany, dia tsy ho nisy nilana fifanekena faharoa.+  Fa tena manome tsiny ny vahoaka Andriamanitra, rehefa miteny hoe: “‘Henoy izao!’, hoy i Jehovah.* ‘Ho avy ny andro hanaovako fifanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda.  Tsy ho hoatran’ilay fifanekena nataoko tamin’ny razambeny, tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany Ejipta,+ anefa izany. Tsy nanaja an’iny fifanekena nataoko taminy iny mantsy izy ireo, ka tsy noraharahiako intsony’, hoy i Jehovah.”* 10  “‘Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, aorian’izany andro izany’, hoy i Jehovah:* ‘Hataoko ao an-tsainy ny lalàko, sady hosoratako ao am-pony.+ Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho vahoakako.+ 11  “‘Samy tsy hampianatra ny mpiray firenena aminy sy ny rahalahiny intsony izy ireo hoe: “Fantaro i Jehovah!”* Hahafantatra ahy mantsy izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. 12  Fa hamindrako fo izy ireo na dia nanao ratsy aza, ary tsy hotsaroako intsony ny fahotany.’”+ 13  Matoa izy niteny hoe “fifanekena vaovao”, dia nataony lany andro ilay taloha.+ Ary efa ho levona ilay efa lany andro sy mihantitra.+

Fanamarihana

Na: “Mpanompo ho an’ny besinimaro.”
Jereo F.F. A5.
Na: “fanompoana ho an’ny besinimaro.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.