Salamo 13:1-6
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
13 Jehovah ô, mandra-pahoviana ianao no hanadino ahy? Ho mandrakizay ve?
Mandra-pahoviana ianao no hihodina tsy hijery ahy?*+
2 Mandra-pahoviana aho no hitebiteby,Ka halahelo isan’andro ny foko?
Mandra-pahoviana ny fahavaloko no handresy ahy?+
3 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô!
Omeo hazavana ny masoko, mba tsy ho renoky ny torimasom-pahafatesana aho,
4 Sao hilaza ny fahavaloko hoe: “Resiko izy!”
Aza avela ho faly amin’ny fahavoazako ireo manohitra ahy.+
5 Fa izaho matoky hoe be fitiavana sy tsy mivadika ianao;+Hifaly ny foko noho ny asa famonjena ataonao.+
6 Hihira ho an’i Jehovah aho, fa be dia be ny valisoa nomeny ahy.*+