Salamo 42:1-11

  • Fiderana an’i Jehovah, ilay Mpamonjy Lehibe

    • Mangetaheta an’Andriamanitra toy ny serfa mangetaheta rano (1, 2)

    • “Nahoana re aho no dia mamoy fo e?” (5, 11)

    • “Hiandry an’Andriamanitra aho” (5, 11)

Ho an’ny mpitarika. Maskila* nataon’ny taranak’i Kora.+ 42  Toy ny serfa mitady mafy renirano,Dia mba mitady mafy anao koa aho, Andriamanitra ô!   Mangetaheta mafy an’Andriamanitra aho, dia ilay Andriamanitra velona.+ Mba rahoviana re aho no hiseho eo anatrehan’Andriamanitra e?+   Ny ranomasoko no sakafoko na andro na alina;Maneso ahy tontolo andro ny olona hoe: “Aiza ny Andriamanitrao?”+   Mahatsiaro ny lasa aho, ka avoakako daholo ny ato am-poko.*Niara-dia tamin’ny maro mantsy aho taloha;Fanaoko ny nandeha moramora* teo alohan’ny vahoaka, nankany an-tranon’Andriamanitra.Nihorakoraka sy falifaly ary nisaotra an’Andriamanitra izahay.Vahoaka be nanao fety+ izahay, tamin’izany.   Nahoana re aho no dia mamoy fo e?+ Nahoana aho no mikorontan-tsaina? Hiandry an’Andriamanitra aho,+Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe+ nanavotra ahy.   Andriamanitra ô, mamoy fo aho.+ Izany no mahatonga ahy hahatsiaro anao,+Atỳ amin’ny tanin’i Jordana sy ny tampon’i Hermona,Atỳ amin’ny Tendrombohitra Mizara.*   Ny rano lalina miantso ny rano lalina,Rehefa maheno ny feon’ny riandranonao. Manafotra ahy daholo ny onjanao mahery.+   Amin’ny antoandro, dia hasehon’i Jehovah hoe tia ahy sy tsy mivadika amiko izy,Ary amin’ny alina, dia hihira momba azy aho—hivavaka amin’ilay Andriamanitra nanome aina ahy.+   Hoy aho amin’Andriamanitra, ilay harambatoko: “Nahoana ianao no manadino ahy?+ Nahoana aho no tsy maintsy mandehandeha amin’alahelo noho izaho ampijalin’ny fahavaloko?”+ 10  Maneso ahy ny fahavaloko, ka mankahala ahy sy mifofo ny aiko;*Maneso ahy tontolo andro izy ireo hoe: “Aiza ny Andriamanitrao?”+ 11  Nahoana re aho no dia mamoy fo e? Nahoana aho no mikorontan-tsaina? Hiandry an’Andriamanitra aho,+Satria mbola hidera azy, fa izy no Mpamonjy Lehibe nanavotra ahy sady Andriamanitro.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Abt: “ararako ny aiko.”
Na: “tamim-pahamendrehana.”
Na: “amin’ilay tendrombohitra kely.”
Na mety hoe “ka toy ny hoe manorotoro ny taolako.”