Salamo 19:1-14

  • Mitory momba an’i Jehovah ny zavaboary sy ny lalàny

    • “Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra” (1)

    • Tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah, manome hery indray (7)

    • “Fahotana tsy fantatro akory” (12)

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 19  Ny lanitra manambara ny voninahitr’Andriamanitra;+Ny habakabaka milaza ny asan’ny tanany.+   Miboiboika teny fiderana izy ireo isan’andro,Ary mampita fahalalana isak’alina.   Tsy miteny tsy mivolana izy ireo;Tsy re ny feony.   Efa nivoaka eran-tany anefa ny tenin’izy ireo,*Ary tonga hatrany amin’ny faran’ny tany misy mponina* ny hafatra nentiny.+ Nanangana tranolay ho an’ny masoandro, eny amin’ny lanitra, Andriamanitra;   Toy ny mpampaka-bady mivoaka avy ao amin’ny efitranon’ny mpampakatra ny masoandro,Ary mifaly toy ny lehilahy matanjaka mihazakazaka eny amin’ny lalany.   Mipoitra avy any amin’ny faravodilanitra iray izy,Ary mihodidina mankany amin’ny faravodilanitra iray;+Tsy misy tsy azon’ny hafanany.   Tonga lafatra ny lalàn’i Jehovah,+ manome hery indray.*+ Azo atokisana ny fampahatsiahivan’i Jehovah,+ mampahahendry an’izay tsy dia nahita fiainana.+   Marina ny fitsipik’i Jehovah, mahafaly ny fo;+Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso.+   Madio ny fahatahorana an’i Jehovah,+ maharitra mandrakizay. Marina ny didim-pitsaran’i Jehovah, ara-drariny daholo.+ 10  Irina noho ny volamena ireny,Irina noho ny volamena tena tsara* be dia be,+Ary mamy noho ny tantely,+ dia ny tantely mitete avy amin’ny toho-tantely. 11  Fampitandremana ho an’ny mpanomponao ireny,+Ary lehibe ny valisoa azon’izay manaraka an’ireny.+ 12  Iza no mahatsapa hoe nanao fahadisoana?+ Mamelà ahy* amin’izay fahotana tsy fantatro akory. 13  Ary aza avela ho sahisahy hanao an’izay tsy tokony hatao ny mpanomponao;+Aza avela hanjaka ao amiko izany toe-tsaina izany.+ Amin’izay dia tsy hanan-tsiny aho,+Ary tsy ho meloka ho nanao fahotana lehibe.* 14  Enga anie ny teny aloaky ny vavako sy izay saintsainiko ato am-pokoKa hahafaly anao,+ Jehovah ô, ry Vatolampiko+ sy Mpanavotra ahy!+

Fanamarihana

Na mety hoe “tady fandrefesan’izy ireo.”
Na: “tany lonaka.”
Na: “mampody aina.”
Na: “voadio.”
Na: “Lazao hoe tsy manan-tsiny aho.”
Na: “ho nandika lalàna be dia be.”