Salamo 73:1-28

  • Tonga saina ny lehilahy iray matahotra an’Andriamanitra

    • ‘Saika nivily lalana aho’ (2)

    • “Nahita olana aho tontolo andro” (14)

    • “Mandra-piditro tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra” (17)

    • Eo amin’ny toerana malama ny ratsy fanahy (18)

    • Ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara (28)

Hiran’i Asafa.+ 73  Tena manao soa amin’ny Israely Andriamanitra, dia amin’izay madio fo.+   Izaho kosa saika nivily lalana;Saika nibolisatra ny tongotro.+   Fa nitsiriritra ny mpirehareha* aho,Rehefa nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.+   Tsy mba mijalijaly mantsy izy ireny rehefa ho faty;Salama tsara erỳ izy.*+   Tsy mba sahirana toy ny olon-kafa ireny,+Na mijaly hoatran’ny olona sasany.+   Koa ny fireharehana no rojo iambozonany,+Ary ny herisetra no akanjo anaovany.   Bongon’ny tavy* ny masony.Mihoatra noho izay nokasainy tao am-pony ny zava-bitany.   Maneso sy miresaka zava-dratsy ireny.+ Mandrahona ny hampijaly olona ireny sady mizahozaho erỳ.+   Hita amin’ny resaka ataony hoe ambony hoatran’ny lanitra no fiheverany ny tenany,Ary mirehareha erỳ ny lelany mandehandeha mitety ny tany. 10  Koa lasa mankany amin’izy ireny ny vahoakan’Andriamanitra,*Ka misotro amin’ny rano be dia be ananany. 11  Milaza izy ireo hoe: “Ahoana moa no ahalalan’Andriamanitra an’izany?+ Angaha moa ilay Avo Indrindra tena mahalala an’izay mitranga?” 12  Hoatr’izany ny ratsy fanahy! Mandeha tsara foana ny fiainany.+ Ampitomboiny foana ny harenany.+ 13  Very maina fotsiny ny ezaka nataoko mba hananana fo madio foana,Sy ny nanasako ny tanako mba ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.+ 14  Nahita olana aho tontolo andro,+Ary nofaizina isa-maraina.+ 15  Raha niresaka an’izany zavatra izany anefa aho,Dia ho nivadika tamin’ny vahoakanao.* 16  Rehefa niezaka hahatakatra an’izany aho,Dia nikorontana ny saiko 17  Mandra-piditro tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra,Ka nahafantarako ny hoavin’izy ireny. 18  Apetrakao eo amin’ny toerana malama tokoa izy ireny.+ Ataonao izay hahalavo azy mba ho ringana izy.+ 19  Tampoka teo dia ringana izy ireny!+ Mifarana tampoka ny fiainany sady loza no iafarany. 20  Toy ny hanadinoana ny nofy rehefa mifoha, Jehovah ô,No hanesoranao azy* rehefa mifoha ianao. 21  Fa sosotra aho tao am-poko tao,+Ary nanaintaina mafy tany anatiko tany.* 22  Tsy nieritreritra aho sady tsy nahira-tsaina;Toy ny biby tsy misaina aho teo anatrehanao. 23  Eo aminao foana anefa aho izao;Nandray ny tanako ankavanana ianao.+ 24  Ny torohevitrao no itarihanao ahy,+Ary homenao voninahitra aho avy eo.+ 25  Manana an’iza moa aho any an-danitra? Ary tsy misy na inona na inona iriko eto an-tany, afa-tsy ianao.+ 26  Mety hihareraka ny vatako sy ny foko,Fa Andriamanitra kosa no vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay.+ 27  Ho ripaka tokoa izay manalavitra anao. Haringanao* izay mivadika aminao ka miala aminao.*+ 28  Fa izaho kosa, ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.+ I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako,Mba hanambarako ny zavatra rehetra ataony.+

Fanamarihana

Na: “mpieboebo.”
Na: “Be kibo izy fa matavy.”
Na: “harena.”
Abt: “vahoakany.”
Abt: “taranaky ny zanakao.”
Na: “hanaovanao tsinontsinona ny voninahiny.”
Abt: “ny voako.”
Abt: “Hataonao mangina.”
Na: “izay mijangajanga mahafoy anao.”