Salamo 15:1-5

  • Iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolain’i Jehovah?

    • Milaza ny marina ao am-pony izy (2)

    • Tsy manendrikendrika izy (3)

    • Na voa aza izy dia tsy mivadika amin’ny fampanantenany (4)

Hiran’i Davida. 15  Jehovah ô, iza no afaka mivahiny ao amin’ny tranolainao? Iza no afaka monina ao amin’ny tendrombohitrao masina?+   Izay mandeha tsy misy tsiny*+Sy manao izay mahitsy+Ary milaza ny marina ao am-pony.+   Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy,+Na manisy ratsy olona,+Na manala baraka* ny namany.+   Tsy mety miaraka amin’ny olona tsy misy ilana azy+ izy,Fa hajainy kosa izay matahotra an’i Jehovah. Tsy mivadika amin’ny fampanantenany* izy, na dia mitondra fahavoazana ho azy aza izany.+   Tsy mitaky zanabola izy rehefa mampisambotra,+Ary tsy mandray kolikoly mba hanamelohana ny tsy manan-tsiny.+ Tsy hangozohozo* mihitsy izay manao an’izany rehetra izany.+

Fanamarihana

Na: “amin’ny tsy fivadihana.”
Na: “mampahamenatra.”
Abt: “fianianany.”
Na: “hivembena.”