Salamo 35:1-28

  • Vavaka mba hafahana amin’ny fahavalo

    • Horoahina ny fahavalo (5)

    • Hidera an’i Jehovah eo anivon’ny vahoaka maro be (18)

    • Ankahalaina tsy amin’antony (19)

Nataon’i Davida. 35  Jehovah ô, arovy amin’ireo manohitra ahy aho;+Miadia amin’ireo miady amiko.+  2  Raiso ny ampinga kelinao* sy ny ampinga lehibe,+Ka mitsangàna hiaro ahy.+  3  Ingao ny lefonao sy ny famaky fitondranao miady,* dia asio ny mpanenjika ahy.+ Ilazao aho hoe: “Izaho no mpamonjy anao!”+  4  Enga anie ho menatra sy haetry ireo mifofo ny aiko!+ Enga anie hiverin-dalana sy ho afa-baraka ireo mitetika ny hamotika ahy!  5  Ho lasa hoatran’ny akofa entin’ny rivotra anie izy ireo!Handroaka azy ireo anie ny anjelin’i Jehovah!+  6  Ho maizina sy halama anie ny lalanyRehefa manenjika azy ny anjelin’i Jehovah!  7  Fa nanafina harato hamandrihana ahy tsy amin’antony izy ireo;Nihady lavaka izy ireo mba hisamborana ahy tsy amin’antony.  8  Enga anie hisy loza hanjo azy tampoka!Enga anie ka izy ihany no ho voafandrik’ilay harato nafeniny!Enga anie izy ho latsaka ao ka ho ringana!+  9  Fa izaho kosa hifaly noho ny zavatra ataon’i Jehovah;Ho ravoravo aho noho ny asa famonjeny. 10  Hilaza ny taolako rehetra hoe: “Jehovah ô, iza no hoatr’anao? Vonjenao ny tsy misy mpiaro mba tsy ho azon’ny mahery noho izy;+Vonjenao ny tsy misy mpiaro sy ny mahantra mba tsy ho azon’ireo mandroba azy.”+ 11  Misy vavolombelona ratsy saina tonga hiampanga ahy,+Ka manontany zavatra tsy fantatro. 12  Mamaly ratsy ny soa nataoko+ izy ireo,Ka hoatran’ny hoe nidonam-pahoriana aho. 13  Rehefa narary anefa izy ireo, dia niakanjo gony aho;Nampijaly tena aho ka nifady hanina.Ary rehefa tsy nivaly* ny vavaka nataoko, 14  Dia toy ireny nisaona namana na rahalahy ireny ny fandehako;Nalahelo be aho ka nitanondrika, toy ny olona misaona an-dreniny. 15  Rehefa tafintohina anefa aho, dia nifaly sy nivondrona izy ireo;Nivondrona izy ireo ka niafina mba hamely ahy tampoka;Namiravira ahy izy ireo, ary tsy nety nangina. 16  Maneso sy manambanimbany ahy* ireo tsy matahotra an’Andriamanitra;Mihidy vazana izy ireo satria tezitra amiko.+ 17  Jehovah ô, mandra-pahoviana ianao no hitazam-potsiny?+ Vonjeo amin’ny fanafihan’izy ireo aho,+Mba tsy ho azon’ny liona tanora ny aiko sarobidy.*+ 18  Dia hisaotra anao eo anivon’ny fiangonana lehibe aho;+Hidera anao eo anivon’ny vahoaka maro be aho. 19  Aza avela ho faly amin’ny fahavoazako ireo manohitra ahy tsy amin’antony;Aza avela hifanao pimaso ireo ratsy saina+ mankahala ahy tsy amin’antony.+ 20  Tsy milaza teny mampihavana mantsy izy ireo,Fa manao tetika mamitaka mba hamelezana an’ireo tia fihavanana eto an-tany.+ 21  Sokafan’izy ireo be ny vavany mba hiampangana ahy,Ka hoy izy ireo: “Tsara ho azy izay! Ny masonay mihitsy no nahita.” 22  Hitanao izany Jehovah ô, ka aza mangina fotsiny.+ Jehovah ô, aza mijanona lavitra ahy.+ 23  Mifohaza ka miarena mba hiaro ahy;Jehovah Andriamanitro ô, arovy aho amin’ilay adiko eny amin’ny fitsarana. 24  Tsarao araka izay hitanao fa rariny+ aho, Jehovah Andriamanitro ô!Aza avela ho faly amin’ny fahavoazako izy ireo. 25  Enga anie izy ireo tsy hieritreritra mihitsy hoe: “Tsara ho azy izay! Izay mihitsy no efa nandrasanay.” Enga anie izy ireo tsy hilaza mihitsy hoe: “Nataonay teli-moka izy.”+ 26  Aoka ho menatra sy ho afa-baraka daholo izy ireo,Dia ireo faly amin’ny fahavoazako. Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka ireo manambony tena ka manambanimbany ahy. 27  Aoka kosa hihoby ireo faly mahita ahy manao ny marina;Enga anie izy ireo hilaza foana hoe: “Hankalazaina anie i Jehovah, izay faly erỳ rehefa miadana ny mpanompony!”+ 28  Dia hitantara* ny fahamarinanao ny lelako,+Sady hidera anao tontolo andro.+

Fanamarihana

Ny mpandefa zana-tsipìka no tena mpitondra azy io.
Na: “famaky roa lela.”
Na: “rehefa niverina teo an-tratrako.”
Na mety hoe “Maneso mba hahazoana mofo.”
Abt: “ny lahitokako”, izany hoe ny ainy.
Na: “hisaintsaina.”