Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanompo

Mpanompo

MPANOMPO

Avy amin’ny teny hebreo mesharet sy ny teny grika diakônôs. Avy amin’ny matoanteny sharat ilay teny hebreo, ary midika hoe “mikarakara” na “manompo” olona ambony. Ampiasaina amin’ny sehatry ny asa sy ny fivavahana io teny io. (Ge 39:4; De 10:8) Hoy i Edmond Hiebert momba ny hoe diakônôs: “Noheverina taloha fa fitambaran’ilay teny mpampiankina hoe [dia] midika hoe ‘mamakivaky’, sy ilay anarana hoe [kônis] midika hoe ‘vovoka’ izy io, ka ilazana olona mamakivaky haingana lalana feno vovoka mba hamita ny asany. Maro anefa ankehitriny no tsy manaiky an’izany. Azo inoana kokoa fa [diekô] midika hoe ‘avy amin’ny toerana iray mankany amin’ny toerana iray’ ilay matoanteny fototeny, ary mitovitovy amin’ilay matoanteny hoe [diôkô] midika hoe ‘manatratra haingana, manenjika’, izy io. Ny tena heviny àry dia hoe olona mazoto sy manana fikirizana, izay miezaka mafy manompo ny hafa.”—Bibliotheca Sacra, 1983, Boky Faha-140, p. 153.

Azo ilazana lehilahy sy vehivavy ilay teny hebreo sy ilay teny grika ary ireo teny iray tarika aminy. (2Sa 13:17, 18; 1Mp 1:4, 15; 2Ko 3:6; Ro 16:1) Mpanompon’i Mosesy, ohatra, i Josoa “efa hatramin’izy mbola tanora.” (No 11:28; Js 1:1) Nanana mpanompo koa i Elisa. (2Mp 4:43; 6:15) Nanana mpanompo koa ireo mpanjaka sy andriana (2Ta 22:8; Es 2:2; 6:3) ka nisy tamin’ireny mpandroso sakafo.—1Mp 10:4, 5; 2Ta 9:3, 4.

Anjely. Namorona anjely am-polony tapitrisa i Jehovah Andriamanitra. Eo ambany fahefany izy rehetra ary antsoiny amin’ny anarany avy, toy ny ataony amin’ireo kintana tsy tambo isaina. (Sl 147:4) Mpanompony izy ireo, ka manatanteraka ny sitrapony eran’izao rehetra izao. (Sl 103:20, 21) Hoy ny mpanao salamo: “Manao ny anjeliny ho fanahy [i Jehovah], ary ireo mpanompony ho afo mandevona.” (Sl 104:4) “Fanahy manao fanompoana ho an’ny besinimaro” izy ireo, “ka irahina hikarakara an’ireo handova famonjena.” (He 1:13, 14) Nisy anjely nikarakara an’i Jesosy Kristy tany an-tany efitra, rehefa tsy nahomby ny tetik’i Satana hitaomana azy tsy hankatò an’i Jehovah. (Mt 4:11) Nisy anjely koa nankahery azy tamin’izy nivavaka tao Getsemane. (Lk 22:43) Hitan’i Daniela mpaminany tao amin’ny fahitana ireo anjely an-tapitrisany manompo manodidina ny seza fiandrianan’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be. Hitany koa ilay “toy ny zanak’olona” nomena fahefana hifehy vahoaka sy olona samy hafa fiteny, mandritra ny fotoana tsy voafetra.—Da 7:9-14.

Ny fokon’i Levy. Nofidin’i Jehovah ho mpanompony manokana ny lahy rehetra tamin’ny fokon’i Levy, rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israelita ary nalamina ho firenena teo ambanin’ny Lalàna. (No 3:6; 1Ta 16:4) Mpisorona ny Levita sasany, dia i Arona sy ny zanany. (De 17:12; 21:5; 1Mp 8:11; Je 33:21) Andraikitry ny Levita, ohatra, ny nihira sy ny nikarakara ny toerana masina sy ireo fitaovana rehetra tao.—No 3:7, 8; 1Ta 6:32.

Mpaminany. Tsy ny lehilahy levita ihany no nasain’i Jehovah nikarakara ny Israely, fa ny mpaminany koa. I Jehovah mihitsy no nanendry sy naniraka ny mpaminany tsirairay. Nisy mpisorona izy ireo, nefa maro koa no avy tamin’ny foko hafa. (Jereo MPAMINANY.) Irak’i Jehovah izy ireo, ary nampitandrina an’ilay firenena rehefa tsy nankatò ny Lalàna izy io. Niezaka nampiverina ny mpanjaka sy ny vahoaka ho amin’ny fivavahana marina koa izy ireo. (2Ta 36:15, 16; Je 7:25, 26) Nanampy sy nankahery an’ireo olona tso-po ny faminanian’izy ireo, indrindra rehefa nivadi-pinoana sy naloto fitondran-tena ilay firenena na rehefa norahonan’ny fahavalo.—2Mp 7; Is 37:21-38.

Niresaka momba an’i Jesosy Kristy sy ilay Fanjakan’ny Mesia koa ireo mpaminany. (Ap 19:10) Miavaka ny zava-bitan’i Jaona Mpanao Batisa, satria nampody “ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka izy, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray”, tamin’izy nanomana ny lalan’i Jesosy Kristy Tompo, solontenan’i Jehovah. (Ml 4:5, 6; Mt 11:13, 14; Lk 1:77-79) Tsy ho an’ireo mpiara-belona taminy ihany ny fanompoana nataon’ireo mpaminany, satria hoy ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina: “Naharihary tamin’izy ireny fa tsy ho an’ny tenany ny fanompoana nataony, fa ho anareo kosa, ka nomeny anareo ireo zavatra ambara ankehitriny, izay nambaran’ireo nitory ny vaovao tsara taminareo tamin’ny alalan’ny fanahy masina nalefa avy any an-danitra. Ireny zavatra ireny indrindra no tena tian’ny anjely hodinihina tsara.”—1Pe 1:10-12.

Jesosy Kristy. I Jesosy Kristy no mpanompon’i (diakônôs) Jehovah lehibe indrindra. “Tonga mpanompon’izay voafora” izy, “mba hanaporofoana fa marina Andriamanitra, sy mba hanamafisana ny fampanantenana nataony tamin’ny razan’izy ireo, ary mba hankalazan’ny hafa firenena an’Andriamanitra noho ny famindram-pony.” Izy àry “no hantenain’ny hafa firenena.”—Ro 15:8-12.

I Jehovah mihitsy no nanendry an’i Jesosy. “Nisokatra ny lanitra” rehefa vita batisa izy, “ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy. Injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Io no Zanako malalako, izay sitrako.’” (Mt 3:16, 17) Efa nanompo an’i Jehovah ela be i Jesosy tamin’izy tany an-danitra. Fanompoana hafa indray anefa izao no hataony. Tena nanompo an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona taminy izy. Novakiny tao amin’ny synagogan’i Nazareta, tanàna nahabe azy, ny Isaia 61:1, 2 hoe: “Ny fanahin’i Jehovah Tompo Fara Tampony no ato amiko, satria i Jehovah nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra. Naniraka ahy izy mba hamehy ny ratran’ny torotoro fo; hanambara fahafahana amin’ny babo sy fampahiratana ny mason’ny voafonja; hanambara ny taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” Hoy izy avy eo: “Androany no tanteraka izany andinin-teny vao renareo izany.”—Lk 4:16-21.

I Petera no nitory tamin’i Kornelio, hafa firenena voalohany niova ho Kristianina. Noresahin’i Petera taminy ny fanompoana naharitra telo taona sy tapany nataon’i “Jesosy avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina sy ny hery. Ary nandeha hatraiza hatraiza izy ka nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly, satria nomba azy Andriamanitra.” (As 10:38) Nandeha an-tongotra i Jesosy nitety an’ilay tany nanendrena azy, mba hanompoana an’i Jehovah sy ny olona. Nanome ny ainy ho avotra ho an’ny olona koa anefa izy. Hoy izy: “Tsy tonga mba hotompoina [ny Zanak’olona] fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”—Mt 20:28.

Mpanompo kristianina. Nampiofanin’i Jesosy hanao ilay asa koa ireo apostoly sy mpianatra niaraka taminy, tamin’izy nanao ny fanompoany. Mpianatra 12 aloha no nirahiny, avy eo 70. Niasa tamin’izy ireo koa ny hery ampiasain’Andriamanitra, ka afaka nanao fahagagana izy ireo. (Mt 10:1, 5-15, 27, 40; Lk 10:1-12, 16) Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fampianarana anefa no tena tokony hifantohany. Ny fahagagana nataony mantsy dia nentiny hanaporofoana fotsiny fa notendren’i Jehovah izy ireo ary nankasitrahany.—He 2:3, 4.

Nampiofana ny mpianany i Jesosy, tamin’izay nataony sy nolazainy. Tsy teny amin’ny toerana be olona ihany izy no nampianatra fa tao an-trano koa, ka nitory mivantana tamin’ny isam-batan’olona. (Mt 9:10, 28; Lk 7:36; 8:1; 19:1-6) Niaraka tamin’i Jesosy ireo mpanoratra ny Filazantsara tamin’izy nitory tamin’olona samy hafa, matoa nosoratan’izy ireo ny resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ireny olona ireny. Nanao hoatr’azy koa ny mpianany ka nitory isan-trano, araka ny fitantaran’ny Asan’ny Apostoly.—As 5:42; 20:20; jereo MPITORY, FITORIANA (“Isan-trano”).

Hoy i Jesosy momba ny tena mpanompon’Andriamanitra: “Ny mpanjakan’ny firenena manjakazaka aminy, ary izay manana fahefana eo aminy dia atao hoe Mpanao soa. Fa tsy tokony ho tahaka izany ianareo. Fa izay lehibe indrindra eo aminareo no aoka ho toy ny zandriny indrindra, ary izay mitarika ho toy ny mpanompo. Fa iza moa no lehibe kokoa: Ilay mandry ilika hisakafo sa ilay manompo? Tsy ilay mandry ilika ve?” Nilaza ny modely nomeny izy avy eo hoe: “Fa izaho dia mpanompo teo aminareo.” (Lk 22:25-27) Mbola nohamafisiny fa tena zava-dehibe ny fanetren-tena, rehefa nanasa ny tongotry ny mpianany izy.—Jn 13:5.

Tsy tia anaram-boninahitra mipoapoaka ny tena mpanompon’Andriamanitra, na tia manome anaram-boninahitra toy izany. Hoy mantsy i Jesosy: “Ianareo kosa, aza mety hantsoina hoe Raby, satria iray ny mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ankoatra izany, dia aza miantso na iza na iza ho rainareo eto an-tany, fa iray ny Rainareo, dia Ilay any an-danitra. Aza mety hantsoina koa hoe ‘mpitarika’ ianareo, fa iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy. Fa izay lehibe indrindra aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo. Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”—Mt 23:8-12.

‘Mpanompo mitory ny vaovao tsara’ ny Kristianina voahosotra mpianatr’i Jesosy Kristy Tompo, anisan’izany ny apostoly Paoly. (Kl 1:23) “Mpanompon’ny fifanekena vaovao” koa izy ireo. Ao anatin’io fifanekena nataon’i Jehovah Andriamanitra taminy io mantsy izy ireo, ary i Kristy no Mpanelanelana. (2Ko 3:6; He 9:14, 15) Mpanompon’Andriamanitra sy Kristy àry izy ireo. (2Ko 6:4; 11:23) Andriamanitra no nanendry azy ireo tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, fa tsy olona na fikambanana. Tsy mila taratasy fanamarinana toy ny omen’ny manam-pahefana izy ireo na mila taratasy fiderana, mba hanaporofoana fa mpanompon’Andriamanitra. Ny olona ampianariny sy ampiofaniny ho lasa mpanompon’i Kristy no “taratasy” fiderana azy. Hoy i Paoly: ‘Toy ny sasany ve izahay ka mila taratasy fiderana homena anareo, na avy aminareo? Ianareo no taratasinay, voasoratra ato am-ponay, ary fantatra sy vakin’ny olona rehetra. Miharihary fa taratasin’i Kristy nosoratanay mpanompo ianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny fanahin’Andriamanitra velona, ary tsy teo amin’ny takela-bato, fa teo amin’ny takelaka nofo, dia ny fo.’ (2Ko 3:1-3) Noresahiny eo fa tena tia an’ireo olona ampianariny ny mpanompon’i Kristy, ary mifandray akaiky sy miraiki-po amin’izy ireo, satria ‘voasoratra ao am-pony’ izy ireo.

Nanolotra “lehilahy ho fanomezana” ho an’ny fiangonana i Kristy rehefa lasa tany an-danitra. Nisy tamin’izy ireo apostoly, mpaminany, mpitory ny vaovao tsara, mpiandry, ary mpampianatra mba “hanitsiana ny olona masina, ka hanaovany asa fanompoana, sy hanorenana ny vatan’i Kristy.” (Ef 4:7-12) Andriamanitra no nahatonga azy ireo ho lasa mpanompo toy izany.—2Ko 3:4-6.

Resahin’ny Apokalypsy fa nahita “vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” ny apostoly Jaona. Tsy mpanompon’ilay fifanekena vaovao na ao anatin’io fifanekena io izy ireo, tsy toa an’ireo voahosotra rahalahin’i Jesosy Kristy. Madio eo imason’Andriamanitra anefa izy ireo, ary “manao fanompoana masina ho azy andro aman’alina ao amin’ny tempoliny.” Azo antsoina hoe mpanompon’Andriamanitra koa àry izy ireo. Asehon’ilay fahitana ao amin’ny Apokalypsy sy ilay fanoharan’i Jesosy fa hisy mpanompo toy izany mandritra ny fanatrehany be voninahitra. Hanompo an’ireo rahalahin’i Jesosy Kristy izy ireo, hanampy azy, ary hanohana azy amim-pitiavana.—Ap 7:9-15; Mt 25:31-40.

Mpanampy amin’ny fanompoana eo anivon’ny fiangonana. Noresahin’i Paoly ny fepetra takina amin’ireo “mpiandraikitra” (episkôpôi) eo anivon’ny fiangonana, sy amin’ireo “mpanampy amin’ny fanompoana” (diakônôi). (1Ti 3:1-10, 12, 13) Nadika fotsiny hoe ‘mpanompo’ ny diakônôs indraindray. (Mt 20:26; 22:13) Ny Kristianina rehetra anefa no ‘mpanompon’Andriamanitra.’ Misy heviny manokana àry eto ny hoe diakônôi, ary mifandray amin’ny rafitra sy lamina eo anivon’ny fiangonana izany. Samy manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana ny “mpiandraikitra” na “anti-panahy” sy ny “mpanampy amin’ny fanompoana.” Misy anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana isaky ny fiangonana, amin’ny ankapobeny.—Fi 1:1; As 20:17, 28.

Tsy andraikitry ny mpanampy amin’ny fanompoana ny mampianatra sy miandry ny andian’ondry, raha ampitahaina ny fepetra takina amin’izy ireo sy amin’ny mpiandraikitra sy ny anarana iantsoana azy avy. Tsy voatery hahay hampianatra ny mpanampy amin’ny fanompoana. Manampy ny mpiandraikitra kosa izy ireo, araka ny hevitry ny hoe diakônôs, mba hahafahan’ireo mpiandraikitra mifantoka amin’ny fampianarana sy ny fiandrasana ny andian’ondry.

Diniho, ohatra, ny nataon’ireo apostoly rehefa nisy olana ny fizarana (ara-bakiteny: ny fanompoana na diakônia) sakafo isan’andro ho an’ireo Kristianina sahirana tany Jerosalema. Nilaza ny apostoly fa “tsy mety raha hamela ny tenin’Andriamanitra” izy ireo mba handamina an’ilay olana. Hoy àry izy ireo tamin’ny mpianatra: “Mitadiava fito lahy eo aminareo, dia izay tsara laza sady feno fanahy masina sy fahendrena, mba hotendrenay ho amin’izany raharaha tsy maintsy hatao izany, fa izahay kosa hifantoka amin’ny vavaka sy ny fanompoana [diakôniai], dia ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.” (As 6:1-6) Izany no toro lalana ho an’ny fiangonana. Tsy midika anefa izany hoe tsy nahafeno fepetra ho “anti-panahy” (presbyterôi) ireo fito lahy voafidy ireo. Raharaha manokana mantsy ilay izy ka nilana fitandremana, satria nisy nahatsapa hoe navakavahana noho ny fiaviany. Nilana “fanahy masina sy fahendrena” koa ilay izy, satria nahakasika ny fiangonana manontolo. Mety ho “anti-panahy” àry izy fito lahy ireo, fa niantsoroka vetivety ny andraikitry ny “mpanampy amin’ny fanompoana” fotsiny. Raharaha “tsy maintsy hatao” ilay izy, nefa tsy zava-dehibe hoatran’ny “fanompoana, dia ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.”

Nahay nanavaka ny apostoly teo hoe inona no raharaha lehibe kokoa. Azo inoana fa toy izany koa ireo mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana tany ivelan’i Jerosalema, rehefa nanome andraikitra an’ireo “mpanampy amin’ny fanompoana.” Maro ny andraikitra tsotsotra nosahanin’izy ireo. Anisan’izany ny fividianana fitaovana nampiasaina tamin’ny fanaovana dika mitovy ny Soratra Masina, na ny fanaovana an’ilay dika mitovy mihitsy.

Tsy nisy afaka nanakiana ny fiangonana, raha lehilahy nahafeno fepetra no notendrena ho mpanampy amin’ny fanompoana. Nahazo sitraka tamin’Andriamanitra koa ilay fiangonana, ary tsy ratsy laza. (Ampit. 1Ti 3:10.) Tokony hadio fitondran-tena sy hanana finoana matanjaka ireo mpanampy amin’ny fanompoana, mba hahay handanjalanja, hanao ny marina, hanao tsara ny andraikiny, ary ho azo ianteherana. Mahazo “laza tsara ho an’ny tenany, sady afaka miteny amim-pieritreretana madio momba ny finoany an’i Kristy Jesosy”, ireo manompo amin’ny fomba tsara.—1Ti 3:13.

Mpitondra eto an-tany. Avelan’Andriamanitra hitondra ireo fanjakana eto an-tany, mandra-pahatongan’ilay fotoana hanafoanany azy ireo. Ny Fanjakan’i Kristy irery no hitondra aorian’izay. (Da 2:44; Ap 19:11-21) Manasoa ny vahoaka ireny fanjakana ireny, satria manao lalana sy sekoly, ohatra, ary mampiasa polisy sy mpamono afo. Mamoaka lalàna koa izy ireo mba hanasaziana mpangalatra, mpamono olona, ary mpandika lalàna hafa. Azo lazaina hoe “mpanompon’Andriamanitra” (mpanompo na diakônôi) àry izy ireo, rehefa manasoa vahoaka sy mampihatra ara-drariny an’ireny lalàna ireny. Raha sazin’ny fanjakana ny olona mandika azy ireny, na dia Kristianina aza izy, dia toy ny hoe sazy avy amin’Andriamanitra izany. Halan’Andriamanitra mantsy ny fanaovan-dratsy rehetra. Toy ny hoe mpanompon’Andriamanitra koa ny fanjakana raha miaro ny Kristianina amin’ireo mpandika lalàna. Hataon’Andriamanitra ampamoaka àry ny mpitondra ka hosaziny, raha manampatra fahefana sy manery ny Kristianina handika ny lalàny. Manohitra an’Andriamanitra mantsy izy amin’izay, ka tsy azo lazaina intsony hoe mpanompony.—Ro 13:1-4.

Mpanompo sandoka. Misy olona mihambo ho mpanompon’Andriamanitra nefa mpihatsaravelatsihy fotsiny. Mpanompon’i Satana izy ireny, raha ny marina, ary manohitra an’Andriamanitra. Voatery niaro ny fiangonan’i Korinto tamin’ny olona toy ireny i Paoly, satria nanakorontana an’ilay fiangonana izy ireny. Hoy izy: “Apostoly sandoka ireny, mpiasa mamitaka, ka miseho ho toy ny apostolin’i Kristy. Ary tsy mahagaga izany fa i Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe àry raha miseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony, nefa araka izay ataon’izy ireo ihany no hiafarany.”—2Ko 11:13-15.

Imbetsaka ny Soratra Masina no milaza fa hisy mpanompo sandoka. Nilaza tamin’ireo mpiandraikitra tany Efesosy, ohatra, i Paoly fa rehefa lasa izy, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo anivon’ny fiangonana. Tsy hiantra ny ondry ireny, ary hanolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy. (As 20:29, 30) Nampitandrina ny amin’ireny mpivadi-pinoana ireny i Paoly. (2Te 2:3-12; 1Ti 4:1-5; 2Ti 3:1-7; 4:3, 4) Niresaka momba azy ireny koa i Petera (2Pe 2:1-3) sy Jesosy Kristy, izay nilaza fa haringana izy ireny.—Mt 13:24-30, 36-43; jereo LEHILAHY MPANDIKA LALÀNA.