Deoteronomia 17:1-20

  • Tsy tokony hisy kilema ny sorona (1)

  • Ny tokony hatao amin’ny mpivadi-pinoana (2-7)

  • Rehefa misy raharaham-pitsarana sarotra (8-13)

  • Toromarika ho an’ny mpanjaka (14-20)

    • Tsy maintsy adikan’ny mpanjaka ny Lalàna (18)

17  “Aza atao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitrao ny omby na ondry manan-takaitra na misy kilema, satria maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao izany.+  “Andeha hatao hoe misy lehilahy na vehivavy eo aminareo, ao amin’ny iray amin’ny tanàna homen’i Jehovah Andriamanitrao anao, ka manao izay ratsy eo imason’i Jehovah sady mivadika amin’ny fifanekena nataon’Andriamanitra.+  Dia lasa manompo andriamani-kafa izy ary miankohoka amin’ireny, na amin’ny masoandro, na amin’ny volana na amin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ nefa zavatra tsy mba nandidiako izany.+  Rehefa misy milaza aminao momba an’izany, na henonao izany, dia tokony hanadihady tsara ianao. Raha voaporofo fa nisy nanao+ an’izany zava-maharikoriko izany tokoa eo amin’ny Israely,  dia avoahy ho eny am-bavahadin’ny tanàna ilay lehilahy na vehivavy nanao an’izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.+  Olona roa na telo no mijoro ho vavolombelona,+ vao azo vonoina ho faty ny olona mendrika ho faty. Tsy azo vonoina ho faty noho ny tenin’ny vavolombelona iray ihany izy.+  Ny tanan’ireo vavolombelona no hamono azy voalohany, dia izay vao ny tanan’ny olona rehetra. Esory eo aminao ny ratsy.+  “Raha misy raharaham-pitsarana sarotra loatra aminao ao amin’ny iray amin’ny tanànanao, na momba ny fandatsahan-dra+ izany, na fampakarana raharaha any amin’ny fitsarana, na herisetra, na fifandirana hafa, dia mandehana miakatra any amin’ilay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrao.+  Mankanesa any amin’ny Levita mpisorona sy any amin’ilay mpitsara+ miasa amin’izany fotoana izany ka anontanio izy ireo, dia holazainy aminao ny didim-pitsarana.+ 10  Dia tanteraho izay didim-pitsarana lazainy aminao eo amin’ilay toerana fidin’i Jehovah. Tanteraho tsara daholo izay asainy ataonao. 11  Ankatoavy izay lalàna asehony anao sy izay didim-pitsarana lazainy aminao.+ Araho foana ny didim-pitsarana holazainy aminao, fa aza mivily miankavanana na miankavia.+ 12  Hovonoina ho faty ny olona sahisahy ratsy ka tsy mihaino an’ilay mpisorona manompo an’i Jehovah Andriamanitrao, na tsy mihaino an’ilay mpitsara.+ Esory eo amin’ny Israely ny ratsy.+ 13  Dia haheno an’izany ny olona rehetra ka hatahotra, ary tsy ho sahisahy ratsy intsony.+ 14  “Rehefa miditra ao amin’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao anao ianao, ary maka an’ilay izy ho anao sady mipetraka ao, ka miteny hoe: ‘Andeha aho hanendry mpanjaka hifehy ahy, hoatran’ny ataon’ny firenena rehetra manodidina ahy’,+ 15  dia izay mpanjaka fidin’i Jehovah Andriamanitrao ihany no tsy maintsy hotendrenao hifehy anao.+ Olona avy amin’ny rahalahinao no hotendrenao ho mpanjaka, fa tsy azonao tendrena hifehy anao ny hafa firenena tsy rahalahinao. 16  Tsy tokony hampitombo ny isan’ny soavaliny anefa izy,+ na handefa olona hiverina any Ejipta mba hahazoana soavaly betsaka kokoa.+ Niteny taminareo mantsy i Jehovah hoe: ‘Aza miverina amin’io lalana io intsony ianareo.’ 17  Tsy tokony hanambady maro koa izy, sao ho voafitaka ny fony.+ Ary tsy tokony hanangona volafotsy sy volamena be dia be ho azy izy.+ 18  Rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, dia tsy maintsy adikany ao anaty boky* ity Lalàna ity, mba hampiasainy, ka ataony mitovy amin’ilay Lalàna tehirizin’ny Levita mpisorona ilay izy.+ 19  “Hotehiriziny any aminy foana izy io, ary hovakiny amin’ny andro rehetra iainany,+ mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny, sy hianarany hankatò an’izay rehetra voalazan’io Lalàna io sy ireto fitsipika ireto.+ 20  Amin’izay dia tsy hanandra-tena ho ambony noho ny rahalahiny izy, fa hanaraka foana ny didy ka tsy hivily hiankavanana na hiankavia. Dia haharitra eo amin’ny fitondrana izy ka hanjaka eo amin’ny Israely izy sy ny taranany.

Fanamarihana

Na: “horonam-boky.”