Salamo 147:1-20
147 Derao i Jah!*
Tsara ny mihira fiderana* ho an’ilay Andriamanitsika;Mahafinaritra erỳ sady mety tsara ny midera azy!+
2 Manorina an’i Jerosalema i Jehovah;+Angoniny ireo Israelita miparitaka.+
3 Manasitrana an’ireo torotoro fo* izy;Fonosiny ny ratran’izy ireo.
4 Voaisany ny kintana,Ary antsoiny amin’ny anarany avy+ izy rehetra.
5 Lehibe ilay Tompontsika sady tena mahery;+Mahira-tsaina tsy misy hoatr’izany izy.+
6 Asandratr’i Jehovah ny mpandefitra,+Fa atsipiny amin’ny tany kosa ny ratsy fanahy.
7 Manaova hira ho fisaorana an’i Jehovah;Manaova hira sady mitendre harpa mba hiderana an’ilay Andriamanitsika,
8 Dia Ilay manarona ny lanitra amin’ny rahona,Ilay mandatsaka orana ho an’ny tany,+Ilay mampitsiry ahitra+ eny an-tendrombohitra.
9 Omeny sakafo ny biby+Sy ny zana-goaika mikiakiaka mitady hanina.+
10 Tsy ny tanjaky ny soavaly+ no mahafinaritra azy,Ary tsy mampihontsina azy ny tongotra matanjaky ny olona.+
11 Fa ny olona matahotra azy+ no mahafinaritra an’i Jehovah,Dia ireo miandry hoe hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana.+
12 Omeo voninahitra i Jehovah, ry Jerosalema ô!
Derao ny Andriamanitrao, ry Ziona ô!
13 Manamafy ny bara hidin’ny vavahadin’ny tanànanao izy,Ary mitahy an’ireo zanakao ao aminao.
14 Ataony manjaka ao amin’ny faritra misy anao ny fiadanana,+Ary ataony voky varimbazaha faran’izay tsara*+ ianao.
15 Mandefa ny didiny etỳ an-tany izy,Ka mihazakazaka haingana ny teniny.
16 Mandrotsaka lanezy, izay toy ny volonondry, izy,+Ary manaparitaka lanezy manify toy ny lavenona.+
17 Atsipiny toy ny sombi-mofo ny havandra.*+
Iza no mahazaka ny hatsiaka entiny?+
18 Mandefa ny teniny izy dia mitsonika ireny.
Ataony mitsoka ny rivotra,+ dia mikoriana ny rano.
19 Milaza ny teniny amin’i Jakoba izy.Lazainy amin’i Israely ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany.+
20 Tsy nanao toy izany tamin’ny firenen-kafa+ izy;Tsy mahafantatra na inona na inona momba ny didim-pitsarany ireny.
Derao i Jah!*+
Fanamarihana
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.
^ Na: “mitendry mozika.”
^ Na: “kivy be; ketraka.”
^ Abt: “amin’ny matavy amin’ny varimbazaha.”
^ Na: “ranomandry.”
^ Na: “Haleloia!” “Jah” no fanafohezana an’ilay anarana hoe Jehovah.