Ho An’ny Romanina 5:1-21

  • Nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy (1-11)

  • Maty noho ny nataon’i Adama, fa ho velona noho ny nataon’i Kristy (12-21)

    • Niely tamin’ny olona rehetra ny ota sy ny fahafatesana (12)

    • Fanamarinana nataon’ny olona iray (18)

5  Koa satria nambara hoe olo-marina isika ankehitriny noho isika mino,+ dia mila mihavana amin’Andriamanitra foana isika,* amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.+  Tamin’ny alalan’i Kristy no nahatonga antsika ho afaka hanatona an’Andriamanitra, sy hanehoana an’izany hatsaram-panahy miavaka izany, ary efa anehoana an’izany isika izao.+ Aoka àry isika hifaly* noho ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra.  Ary tsy izany ihany fa aoka koa isika hifaly* ao anatin’ny fahoriana,+ satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga fiaretana.+  Ny fiaretana indray mahatonga antsika hankasitrahan’Andriamanitra,+ ny fankasitrahan’Andriamanitra kosa mahatonga antsika hanana fanantenana,+  ary ny fanantenana tsy mba mandiso fanantenana,+ satria efa natao ao am-pontsika ny fitiavan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanahy masina nomena antsika.+  Fa tamin’isika mbola nalemy,+ dia maty ho an’ny ratsy fanahy i Kristy, tamin’ny fotoana voatondro.  Mahalana vao misy manaiky ho faty ho an’ny olo-marina, na dia mety hisy vonona ho faty ho an’ny olona tsara fanahy ihany aza.  Nasehon’Andriamanitra anefa hoe tiany isika, satria tamin’isika mbola mpanota, dia maty ho antsika i Kristy.+  Ankoatra izany, dia efa nambara hoe olo-marina isika izao noho ny ran’i Kristy,+ ka matoky fa hovonjena amin’ny alalany mba tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra.+ 10  Fa tamin’isika mbola fahavalo no nampihavanina tamin’Andriamanitra, tamin’ny nahafatesan’ny Zanany.+ Vao mainka àry isika matoky hoe hovonjena, amin’izao isika efa mihavana aminy izao, satria velona i Kristy. 11  Ary tsy izany ihany fa mifaly koa isika satria mifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, ilay nahatonga antsika ho afaka hihavana amin’Andriamanitra izao.+ 12  Koa tahaka ny nidiran’ny ota teo amin’izao tontolo izao noho ny nataon’ny lehilahy iray, ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana,+ ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra...+ 13  Fa tamin’ny mbola tsy nisy ny Lalàna, dia efa teo amin’izao tontolo izao ny fahotana. Tsy misy olona ampangaina ho manota anefa rehefa tsy misy lalàna.+ 14  Na izany aza, dia nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy ny fahafatesana. Nanjakan’ny fahafatesana ihany koa aza izay tsy nanao fahotana hoatran’ny nataon’i Adama, izay misy itovizana amin’ilay ho avy.+ 15  Tsy mitovy anefa ny vokatry ny heloka sy ny vokatry ny fanomezana. Raha ny heloky ny lehilahy iray no nahafaty olona maro, dia vao mainka nitondra soa be dia be* ho an’ny maro ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’Andriamanitra, sy ny fanomezany maimaim-poana, ary ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’ny lehilahy iray,+ dia i Jesosy Kristy.+ 16  Ary tsy mitovy amin’ny vokatry ny fahotan’ny lehilahy iray+ ny vokatr’ilay fanomezana maimaim-poana. Fanamelohana no vokany rehefa notsaraina ny lehilahy iray noho ny heloka nataony,+ fa ilay fanomezana nomena noho ny heloky ny olona maro kosa nahatonga ny olombelona hambara ho marina.+ 17  Ny heloky ny lehilahy iray, izany hoe noho ny nataony, no nahatonga ny fahafatesana hanjaka.+ Koa vao mainka ho velona sy hanjaka+ àry ireo nanehoana hatsaram-panahy lehibe* sy nomena fanomezana maimaim-poana be dia be, noho ny nataon’ny olona iray, dia Jesosy Kristy.+ Izany fanomezana izany dia ny nanambarana azy ireo hoe olo-marina.+ 18  Heloka iray àry no nahatonga ny karazan’olona rehetra homelohina.+ Hoatr’izany koa fa ny fanamarinana nataon’ny olona iray no nahatonga ny karazan’olona rehetra+ hambara hoe olo-marina ka hahazo fiainana.+ 19  Fa rehefa tsy nankatò ny lehilahy iray, dia olona maro no lasa mpanota.+ Dia hoatr’izany koa fa rehefa nankatò ny olona iray, dia olona maro no lasa olo-marina.+ 20  Ary tonga ny Lalàna mba hampisehoana fa be dia be ny heloka.+ Arakaraka ny habetsahan’ny ota anefa, dia vao mainka koa lehibe ny hatsaram-panahy miavaka. 21  Inona no tanjona amin’izany? Mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota sy ny fahafatesana+ no hanjakan’ny hatsaram-panahy miavaka. Amin’izay dia hambara hoe olo-marina ny olona, ka hahazo fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.+

Fanamarihana

Na mety hoe “dia mihavana amin’Andriamanitra isika.”
Na mety hoe “Faly isika.”
Na mety hoe “faly isika.”
Na: “soa tondraka.”
Na: “hatsaram-panahy miavaka.”