Mpitoriteny 8:1-17

  • Fitondran’ny olombelona tsy lavorary (1-17)

    • Ankatoavy ny didin’ny mpanjaka (2-4)

    • Mampijaly ny fitondran’olombelona (9)

    • Rehefa tsy tonga dia sazina ny olona nanao ratsy (11)

    • Mihinana sy misotro dia mifalifaly (15)

8  Iza no mitovy amin’ny olon-kendry? Iza no mahay mamaha olana?* Hita eny amin’ny tarehin’ny olona hoe manam-pahendrena izy, ary lasa miramirana ilay endriny masiaka.  Hoy aho: “Ankatoavy ny didin’ny mpanjaka,+ satria nianiana tamin’Andriamanitra ianao.+  Aza maika hiala eo anatrehan’ny mpanjaka.+ Ary aza mikiry manao ratsy,+ fa azon’ny mpanjaka atao daholo ange izay tiany hatao e!  Ny mpanjaka mantsy no tompon’ny teny farany.+ Koa iza no afaka milaza aminy hoe: ‘Inona ity ataonao?’”  Tsy mba hisy zava-dratsy hanjo an’izay mankatò ny didy.+ Ary ho fantatry ny olona manana fo hendry ny fotoana mety sy izay tokony hatao.*+  Fa be loatra ny olana mahazo ny olombelona, ka tokony halaminy amin’ny fotoana mety sy araka ny tokony ho izy* daholo ny zava-drehetra.+  Na izay hitranga amin’ny hoavy aza tsy misy mahalala, koa mainka fa ny fomba hitrangan’izany!  Tsy misy olona manana fahefana amin’ny ainy* na mahavita mitazona ny ainy. Hoatr’izany koa fa tsy misy olona afaka mifidy ny andro ahafatesany.+ Tsy misy afa-miala tsy handeha hiady rehefa misy ady, dia hoatr’izany koa fa tsy ho afa-maina amin’ny vokatry ny ataony izay zatra manao ratsy.*  Efa hitako izany rehetra izany, ary nodinihiko daholo ny zavatra atao etỳ ambanin’ny masoandro. Nandritra izany fotoana izany, dia nifampitondra ny olona samy olona ka nijaly* ny vahoaka.+ 10  Hitako ny nandevenana ny ratsy fanahy, izany hoe ny olona nivezivezy nivoaka sy niditra tao amin’ny toerana masina. Vetivety anefa izy ireny dia hadino tao amin’ilay tanàna nanaovany ny asa ratsiny.+ Tsisy dikany koa izany. 11  Rehefa tsy tonga dia sazina amin’ny ratsy nataony ny olona,+ dia vao mainka mikiry manao ratsy ny fony.+ 12  Na dia manao ratsy injato aza ny mpanota, ary mbola ela velona ihany, dia fantatro fa ho tsara fiafara izay matahotra an’ilay tena Andriamanitra, satria matahotra Azy.+ 13  Ho ratsy fiafara kosa ny ratsy fanahy,+ ary tsy ho vitany koa ny hanalava ny androm-piainany izay toy ny aloka,+ satria izy tsy matahotra an’Andriamanitra. 14  Izao koa ny zavatra tsisy dikany* mitranga eto ambonin’ny tany: Misy olo-marina atao hoatran’ny hoe nanao ratsy,+ dia misy indray ratsy fanahy atao hoatran’ny hoe nanao ny tsara.+ Dia hoy aho: “Tsisy dikany koa izany.” 15  Nampirisihiko hifalifaly àry ny olona,+ satria tsy misy tsara noho ny hoe mihinana sy misotro dia mifalifaly, etỳ ambanin’ny masoandro. Izany no tokony hataony rehefa miasa mafy, mandritra ny androm-piainana+ nomen’Andriamanitra azy etỳ ambanin’ny masoandro. 16  Niezaka tamin’ny foko manontolo aho mba hanam-pahendrena sy handinika an’izay rehetra* atao etỳ ambonin’ny tany.+ Indraindray aza aho* tsy matory andro aman’alina mihitsy. 17  Dia nodinihiko ny zavatra rehetra nataon’ilay tena Andriamanitra, ka hitako fa tsy ho azon’ny olombelona izay mitranga etỳ ambanin’ny masoandro.+ Na miezaka mafy tahaka ny inona aza izy, dia tsy ho azony izany. Na dia miteny aza izy hoe manam-pahendrena ka mahalala an’izany, dia tsy tena azony izany.+

Fanamarihana

Na: “mahay manazava ny dikan’ny zavatra iray?”
Na: “ny fanapahan-kevitra mety.”
Na: “sy mila fanapahan-kevitra.”
Na: “fofonainy; rivotra.”
Na mety hoe “fa tsy mahavonjy ny ratsy fanahy ny ratsy ataony.”
Na: “voa; nahita faisana.”
Na: “ny zavatra mahasosotra.”
Na: “an’izay asa rehetra.”
Na mety hoe “misy olona.”