Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazòny Hamirapiratra Hatrany ny ‘Fanantenanao Famonjena’!

Hazòny Hamirapiratra Hatrany ny ‘Fanantenanao Famonjena’!

Hazòny Hamirapiratra Hatrany ny ‘Fanantenanao Famonjena’!

‘Tafio ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.’​—1 TESALONIANA 5:8.

1. Amin’ny ahoana “ny fanantenana ny famonjena” no manampy olona iray hiaritra?

AFAKA manampy olona iray haharitra hatrany, na dia ao anatin’ny tarehin-javatra faran’izay sarotra aza, ny fanantenana ny ho voavonjy. Ny olona iray vaky sambo, izay mitsinkafona eny ambonin’ny lakan’aina, dia afaka miaritra mandritra ny fotoana lava kokoa raha fantany fa efa an-dalana ny mpamonjy azy. Torak’izany koa fa, nandritra ny an’arivony taona maro, dia nanohana lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana izay nandia fotoan-tsarotra, ny fanantenana “ny famonjen’i Jehovah”, ary tsy nitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana na oviana na oviana io fanantenana io. (Eksodosy 14:13; Salamo 3:8; Romana 5:5; 9:33). Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny “fiarovan-doha”, izay anisan’ny fiadiana ara-panahin’ny Kristianina, “ny fanantenana ny famonjena”. (1 Tesaloniana 5:8; Efesiana 6:17). Eny, miaro ny fahaizantsika misaina ny fatokisantsika ny famonjen’Andriamanitra, ka manampy antsika hahonon-tena na dia eo aza ny fahoriana sy ny fanoherana ary ny fakam-panahy.

2. Amin’ny ahoana avy no hoe fototra iorenan’ny fanompoam-pivavahana marina “ny fanantenana ny famonjena”?

2 “Ny fanantenana momba ny hoavy dia tsy mba nampiavaka ny tontolo mpanompo sampy”, dia ilay tontolo nanodidina ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, hoy ny The International Standard Bible Encyclopedia. (Efesiana 2:12; 1 Tesaloniana 4:13). Tapany fototra amin’ny fanompoam-pivavahana marina anefa “ny fanantenana ny famonjena”. Fa nahoana moa? Voalohany, dia satria mifandray amin’ny anarana manokan’i Jehovah ny famonjeny ny mpanompony. Nivavaka toy izao i Asafa mpanao salamo: “Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay”. (Salamo 79:9; Ezekiela 20:9). Ankoatra izany, dia tena ilaina ny fatokisana ireo fitahiana nampanantenain’i Jehovah, mba hananana fifandraisana tsara aminy. Toy izao no nilazan’i Paoly izany: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6). Ambonin’izany, dia nohazavain’i Paoly fa antony fototra nahatongavan’i Jesosy teto an-tany ny famonjena an’izay mibebaka. Izao no nambarany: “Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota”. (1 Timoty 1:15). Ary ny apostoly Petera dia niresaka ny famonjena ho ‘ny anton’ny finoantsika’ na ny vokany farany entin’ny finoantsika. (1 Petera 1:9). Mazava fa mety ny manantena famonjena. Inona marina anefa no atao hoe famonjena? Ary inona no takina mba hahazoana azy io?

Inona no atao hoe famonjena?

3. Karazam-pamonjena nanao ahoana no azon’ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny andro fahiny?

3 Ao amin’ny Soratra Hebreo, ny hoe “famonjena” dia midika hoe fanafahana amin’ny fampahoriana, na amin’ny fahafatesana aloha loatra noho ny herisetra ataon’ny sasany. Nilaza toy izao, ohatra, i Davida, rehefa niantso an’i Jehovah hoe “Mpamonjy”: “Andriamanitra vatolampiko, (...) fandosirako; ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ny fampahoriana Hianao. Miantso an’i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko.” (2 Samoela 22:2-4). Fantatr’i Davida fa mihaino i Jehovah rehefa mitaraina aminy ny mpanompony mahatoky.​—Salamo 31:22, 23; 145:19.

4. Fanantenana fiainana ho avy manao ahoana no nananan’ireo mpanompon’i Jehovah talohan’ny andro kristianina?

4 Nanana fanantenana momba ny fiainana ho avy koa ireo mpanompon’i Jehovah talohan’ny andro kristianina. (Joba 14:13-15; Isaia 25:8; Daniela 12:13). Raha ny marina, dia maro amin’ireo fampanantenana fanafahana hita ao amin’ny Soratra Hebreo no faminaniana manambara famonjena lehibe kokoa, eny, famonjena mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Isaia 49:6, 8; Asan’ny Apostoly 13:47; 2 Korintiana 6:2). Tamin’ny andron’i Jesosy, dia Jiosy maro no nanantena fiainana mandrakizay, saingy tsy nety nanaiky an’i Jesosy ho ilay fitaovana hanatanterahana izany fanantenany izany izy ireo. Hoy i Jesosy tamin’ireo mpitarika ara-pivavahana tamin’ny androny: “Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.”​—Jaona 5:39.

5. Midika ho inona, amin’ny farany, ny famonjena?

5 Tamin’ny alalan’i Jesosy, dia nahariharin’Andriamanitra ny zavatra rehetra tafiditra amin’ny famonjena. Mahafaoka ireto zavatra manaraka ireto ny famonjena: fanafahana amin’ny fanapahan’ny ota, ny fanandevozan’ny fivavahan-diso, izao tontolo izao eo ambany fifehezan’i Satana, ny tahotra olona, ary na dia ny tahotra ny fahafatesana aza. (Jaona 17:16; Romana 8:2; Kolosiana 1:13; Apokalypsy 18:2, 4). Ho an’ireo mpanompon’Andriamanitra mahatoky, dia tsy midika fotsiny ho fanafahana amin’ny fampahoriana sy ny fijaliana ny famonjen’Andriamanitra, fa midika koa ho fahafahana hiaina mandrakizay, amin’ny farany. (Jaona 6:40; 17:3). Nampianatra i Jesosy fa, ho an’ny “ondry vitsy”, ny famonjena dia midika ho fitsanganana ho amin’ny fiainana any an-danitra mba hiara-manapaka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana. (Lioka 12:32). Ho an’ny sisa amin’ny olombelona kosa, ny famonjena dia midika ho famerenana azy ireo ho amin’ilay fiainana lavorary sy ilay fifandraisana amin’Andriamanitra nananan’i Adama sy i Eva tao amin’ny saha Edena, talohan’ny nanotany. (Asan’ny Apostoly 3:21; Efesiana 1:10). Fiainana mandrakizay ao anatin’ny toe-piainana paradisa toy izany no fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ho an’ny olombelona. (Genesisy 1:28; Marka 10:30). Ahoana anefa no hetezan’ny famerenana ho amin’ny toe-piainana toy izany?

Ny avotra​Fototry ny famonjena

6, 7. Inona no anjara asan’i Jesosy eo amin’ny famonjena antsika?

6 Tsy mety hisy famonjena mandrakizay raha tsy amin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Kristy. Nahoana? Hazavain’ny Baiboly fa rehefa nanota i Adama, dia ‘namidiny’ ho andevon’ny ota ny tenany sy ny taranany rehetra ho avy, anisan’izany isika. Nila avotra àry ny olombelona raha ta hanana fanantenana azo antoka. (Romana 5:14, 15; 7:14). Hanome avotra ho an’ny olombelona rehetra Andriamanitra, ary tandindon’izany ireo sorona biby natao teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. (Hebreo 10:1-10; 1 Jaona 2:2). I Jesosy no nahatanteraka ireny sary ara-paminaniana ireny tamin’ny alalan’ny sorona nataony. Nanambara toy izao ilay anjelin’i Jehovah, talohan’ny hahaterahan’i Jesosy: “Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.”​—Matio 1:21; Hebreo 2:10.

7 Naterak’i Maria virjiny tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy, ary tsy nandova ota avy tamin’i Adama izy, amin’ny maha Zanak’Andriamanitra azy. Izany, sy ny nisehoany ho nahatoky tamin’ny fomba lavorary, dia nahatonga ny fiainany hanana ilay vidiny ilaina mba hanavotana ny olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Jaona 8:36; 1 Korintiana 15:22). Tsy toy ny olona hafa rehetra i Jesosy fa tsy voaheloka ho faty noho ny ota. Matoa tonga teto an-tany izy, dia “mba (...) hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro”. (Matio 20:28). Noho ny nanaovany izany, dia tsara toerana mba hanome famonjena ho an’ireo rehetra mahafeno ny fepetra takin’Andriamanitra i Jesosy efa tafatsangana tamin’ny maty sy nomena fiandrianana.​—Apokalypsy 12:10.

Inona no takina mba hahazoana famonjena?

8, 9. a) Inona no navalin’i Jesosy rehefa nanontany azy momba ny famonjena ny mpanapaka tanora iray nanankarena? b) Ahoana no nanararaotan’i Jesosy an’iny fotoana iny mba hampianarana ny mpianany?

8 Indray mandeha, dia nanontany an’i Jesosy toy izao ny mpanapaka isiraelita iray, izay mbola tanora ary nanankarena: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?” (Marka 10:17). Io fanontaniany io dia mety ho taratr’ilay fisainana nanjaka teo amin’ny Jiosy tamin’ny androny, dia ny hoe mitaky ny hanaovana asa soa sasany Andriamanitra, ary afaka mahazo famonjena avy amin’Andriamanitra ny olona iray rehefa ampy ny vitany amin’ireo asa soa ireo. Nety ho noho ny fitiavan-tena anefa no anton’izany karazana fandavan-tena ivelany izany. Tsy nanome fanantenana azo antoka momba ny famonjena ny asa toy izany, satria tsy misy olombelona tsy lavorary ho afaka hahatratra marina ny fari-pitsipik’Andriamanitra.

9 Ho valin’ny fanontanian’ilay lehilahy, dia nampahatsiahy azy tsotra fotsiny i Jesosy hoe tokony hankatò ny didin’Andriamanitra izy. Nanome toky an’i Jesosy haingana ilay mpanapaka tanora, ka nilaza fa efa notandremany hatry ny fony izy mbola kely izany. Nahatonga an’i Jesosy ho tia azy izany valin-teniny izany, ka hoy i Jesosy taminy: “Diso zavatra iray loha hianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.” Niala tamin’alahelo anefa ilay tovolahy, “satria nanana harena be”. Nantitranterin’i Jesosy tamin’ny mpianany, avy eo, fa sakana tsy hahazoana famonjena ny fifikirana tafahoatra amin’ny fananan’ity tontolo ity. Mbola nanampy teny i Jesosy hoe tsy misy olona afaka mahazo famonjena amin’ny fiezahan’ny tenany manokana. Nanome toky azy ireo toy izao anefa i Jesosy: “Raha amin’ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.” (Marka 10:18-27; Lioka 18:18-23). Ahoana no hetezan’ny famonjena?

10. Fepetra inona avy no tsy maintsy fenointsika mba hahazoana famonjena?

10 Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny famonjena, fa tsy tonga ho azy. (Romana 6:23). Misy fepetra fototra sasany tsy maintsy fenoin’ny tsirairay mba hahazoany io fanomezana io. Hoy i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Nanampy teny toy izao ny apostoly Jaona: “Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana”. (Jaona 3:16, 36). Mazava fa mitaky finoana sy fankatoavana amin’ny tsirairay izay manantena hahazo famonjena mandrakizay, Andriamanitra. Ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra hanaiky ny avotra ka hanaraka ny dian’i Jesosy.

11. Ahoana no ahafahan’ny olona tsy lavorary mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah?

11 Koa satria tsy lavorary isika, dia tsy fironana voajanahary ao amintsika ny mankatò, ary tsy ho vitantsika mihitsy ny hankatò amin’ny fomba lavorary. Izany no antony nanomezan’i Jehovah avotra mba hanaronana ny fahotantsika. Na izany aza anefa, dia tsy maintsy milofo hatrany mba hiaina mifanaraka amin’ny lalan’Andriamanitra isika. Tsy maintsy mitandrina ny didin’Andriamanitra isika, araka ny tenin’i Jesosy tamin’ilay mpanapaka tanora nanankarena. Ny fanaovana izany dia tsy vitan’ny hoe ahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra fa mitondra fifaliana lehibe koa, satria “tsy mavesatra ny didiny”, fa ‘mamelombelona’ kosa aza. (1 Jaona 5:3; Ohabolana 3:1, 8, Fandikan-teny Katolika). Tsy mora anefa, na izany aza, ny mihazona hatrany ilay fanantenana famonjena.

‘Miezaha mafy hiaro ny finoana’

12. Amin’ny ahoana no manatanjaka Kristianina hahatohitra fakam-panahy haloto fitondran-tena ny fanantenana famonjena?

12 Naniry hanoratra tamin’ireo Kristianina tany am-boalohany mahakasika “ny famonjena iombonan[’izy ireo]”, i Joda mpianatra. Voatery nanoro hevitra an’ireo rahalahiny mba ‘hiezaka mafy hiaro ny finoana’ anefa izy, noho ilay rivo-piainana nahazo vahana, izay nanjakan’ny fitondran-tena ratsy. Eny, mba hahazoana famonjena, dia tsy ampy ny manam-pinoana, sy ny mifikitra amin’ny tena finoana kristianina, ary ny mankatò rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra. Tsy maintsy matanjaka ny fifikirantsika amin’i Jehovah, mba hanampy antsika hanohitra fakam-panahy sy fitaomana haloto fitondran-tena. Na izany aza, dia nanimba ny toe-panahin’ny kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany ny fanaranam-po tafahoatra tamin’ny firaisana, ny firaisana mamoafady, ny tsy fanajana fahefana, ny fisaraham-bazana, ary ny fisalasalana. Mba hanampiana azy ireo hiady tamin’ny fironana toy izany, dia nampirisika an’ireo Kristianina namany i Joda mba hitadidy tsara ny zava-kendren’izy ireo, tamin’ny filazana hoe: “Ry malala, (...) ataovy izay handrosoanareo amin’ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin’ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra, miandry ny famindrampon’i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.” (Joda 3, 4, 8, 19-21). Afaka nanatanjaka azy ireo teo amin’ny ady nataony mba hitoerana ho madio ara-pitondran-tena ny fanantenana hahazo famonjena.

13. Ahoana no azontsika ampisehoana fa tsy diso ny zava-kendren’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory isika?

13 Antenain’i Jehovah Andriamanitra hanana fitondran-tena fakan-tahaka ireo homeny famonjena. (1 Korintiana 6:9, 10). Tsy midika ho fitsarana ny hafa anefa ny fifikirana mafy amin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena nomen’Andriamanitra. Tsy isika no manapaka ny amin’izay ho fiafarana mandrakizay ho an’ny mpiara-belona amintsika. Anjaran’Andriamanitra kosa izany, araka ny nolazain’i Paoly tamin’ireo Grika tany Atena, manao hoe: “Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny”, dia i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 17:31; Jaona 5:22). Raha miaina mifanaraka amin’ny finoana ny avotr’i Jesosy isika, dia tsy ho voatery hatahotra andro fitsarana ho avy. (Hebreo 10:38, 39). Ny zava-dehibe dia izao: Tsy azontsika atao na oviana na oviana ny “hanaiky ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory [ny fihavanantsika aminy indray amin’ny alalan’ny avotra] nefa ho diso ny zava-kendren’izy io”, amin’ny famelana ny tenantsika halaim-panahy hanana fisainana sy fitondran-tena tsy mety. (2 Korintiana 6:1, NW ). Rehefa manampy ny hafa hahazo famonjena koa isika, dia asehontsika amin’izany fa tsy diso ny zava-kendren’ny famindram-pon’Andriamanitra isika. Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa?

Firesahana amin’ny hafa momba ilay fanantenana famonjena

14, 15. Iza no notendren’i Jesosy hitory ny vaovao tsara momba ny famonjena?

14 Nanoratra toy izao i Paoly raha nanonona ny tenin’i Joela mpaminany: “Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo no hovonjena”. Avy eo, dia hoy ny teny nanampiny: “Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?” Andininy vitsivitsy eo aorian’io, dia nasehon’i Paoly fa tsy tonga ho azy akory ny finoana, fa “avy amin’ny tori-teny”, izany hoe avy amin’ny “tenin’i Kristy”.​—Romana 10:13, 14, 17; Joela 3:5.

15 Iza no hitondra “ny tenin’i Kristy” any amin’ireo firenena? Ny notendren’i Jesosy hanao io asa io dia ireo mpianany​—ireo efa nampianarina an’io ‘teny’ io. (Matio 24:14; 28:19, 20; Jaona 17:20). Rehefa mandray anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra isika, dia manao indrindra araka izay nosoratan’ny apostoly Paoly, rehefa nanonona indray kosa ny tenin’i Isaia izy, manao hoe: “Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!” Na dia maro aza no tsy mandray ny vaovao tsara entintsika, dia mbola ‘tsara tarehy’ foana eo imason’i Jehovah ny tongotsika.​—Romana 10:15; Isaia 52:7.

16, 17. Miasa ho amin’ny zava-kendrena roa sosona inona avy ny asa fitoriantsika?

16 Misy zava-kendrena lehibe roa ny fanefana an’io asa nanirahana io. Voalohany, dia tsy maintsy torina ny vaovao tsara mba hankalazana ny anaran’Andriamanitra sy mba hahafantaran’ireo maniry ho voavonjy hoe aiza no tokony hitodihana. Takatr’i Paoly io lafiny amin’ilay asa nanirahana io. Hoy izy: “Fa izao no nandidian’ny Tompo anay: ‘Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany Hianao’.” Noho izany, dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fitondrana ny hafatra momba ny famonjena any amin’ny olona ny tsirairay amintsika, amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika.​—Asan’ny Apostoly 13:47; Isaia 49:6.

17 Faharoa, dia mametraka ny fototra hiorenan’ny fitsarana marin’Andriamanitra ny fitoriana ny vaovao tsara. Nilaza toy izao momba izany fitsarana izany i Jesosy: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy”. Rehefa ‘ho tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’olona’ vao hatao ny fitsarana sy ny fanavahana. Na izany aza anefa, ny asa fitoriana dia manome ho an’ny olona ankehitriny fahafahana hahafantatra ireo rahalahy ara-panahin’i Jesosy, ka hanao zavatra ho fanohanana azy ireo, mba hahazoana famonjena mandrakizay.​—Matio 25:31-46.

Hazòny ilay “fahatokiana be ny amin’ny fanantenana”

18. Ahoana no ahafahantsika mihazona ny ‘fanantenantsika famonjena’ hamirapiratra hatrany?

18 Ny fandraisantsika anjara amim-pahavitrihana amin’ny asa fitoriana koa dia fomba iray hanampiana antsika hihazona ny fanantenantsika hamirapiratra hatrany. Izao no nosoratan’i Paoly: “Mbola irinay hianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany”. (Hebreo 6:11). Enga anie àry ny tsirairay amintsika mba hanao “ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha”, ka hitadidy fa “Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika”. (1 Tesaloniana 5:8, 9). Aoka horaisintsika am-po koa izao fananaran’i Petera izao: “Sikino ny sainareo, dia mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo”. (1 Petera 1:13). Izay rehetra manao izany dia hahita fa ho tanteraka amin’ny fomba feno ny ‘fanantenany famonjena’!

19. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Mandra-pahatongan’izany, ahoana no tokony hiheverantsika ny fotoana sisa tavela ho an’ity fandehan-javatra ity? Ahoana no ahafahantsika mampiasa io fotoana io mba hahazoan’ny tenantsika sy ny hafa famonjena? Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no tsy maintsy hazonintsika hamirapiratra hatrany ny ‘fanantenantsika famonjena’?

• Mahafaoka inona ny hoe famonjena?

• Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana famonjena, izay fanomezana?

• Manatanteraka inona, mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra, ny asa fitoriantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Tsy fanafahana amin’ny fandringanana fotsiny akory no atao hoe famonjena