Ezekiela 20:1-49
20 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahadimy, tamin’ny taona fahafito, dia nisy anti-panahin’ny Israely tonga hanontany an’i Jehovah, ka nipetraka teo anoloako.
2 Dia niteny tamiko i Jehovah hoe:
3 “Ry zanak’olona, teneno amin’ireo anti-panahin’ny Israely ireo, hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Hanontany ahy ve no nahatongavanareo? ‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia tsy hamaly ny fanontanianareo aho.’”’+
4 “Vonona hitsara* azy ireo ve ianao? Vonona hitsara azy ireo ve ianao, ry zanak’olona? Ampahafantaro azy ny zavatra maharikoriko nataon’ny razambeny.+
5 Lazao aminy hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Tamin’ilay andro nifidianako ny Israely,+ dia nianiana* tamin’ny taranak’i Jakoba koa aho, ary nampahafantatra ny tenako tamin’izy ireo tany Ejipta.+ Nianiana taminy aho hoe: ‘Izaho no Jehovah Andriamanitrareo!’
6 Tamin’izay andro izay, dia nianiana aho fa hamoaka azy avy any Ejipta, mba hitondra azy any amin’ilay tany efa nofidiko* homena azy ireo, dia tany tondra-dronono sy tantely.+ Io no tsara tarehy indrindra amin’ny* tany rehetra.
7 Hoy ihany aho taminy: ‘Samia manary ny zavatra maharikoriko tompoinareo. Aza mandoto tena amin’ireo sampy maharikorikon’i* Ejipta.+ Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’+
8 “‘“Nikomy tamiko anefa izy ireo sady tsy nety nihaino ahy. Tsy nariany ny zavatra maharikoriko notompoiny, ary tsy nafoiny ireo sampy maharikorikon’i Ejipta.+ Nilaza àry aho fa ho tezitra be aminy, ary hanamparako ny hatezerako izy ireo, any Ejipta.
9 Nanao an’izany anefa aho noho ny anarako, mba tsy hozimbazimbaina eo amin’ireo firenena nisy azy ireo ny anarako.+ Nampahafantatra ny tenako tamin’izy ireo* teo imason’ireny firenena ireny mantsy aho, rehefa nitondra azy ireo* nivoaka avy tany Ejipta.+
10 Koa navoakako avy tany Ejipta izy ireo, dia nentiko tany an-tany efitra.+
11 “‘“Dia nomeko azy ireo ny lalàko ary nampahafantariko azy ny didim-pitsarako,+ mba ho velona foana izay olona manaraka an’izany.+
12 Nomeko azy ireo koa ny sabatako+ ho famantarana eo amiko sy amin’izy ireo,+ mba ho fantany fa izaho Jehovah no manamasina azy.
13 “‘“Nikomy tamiko anefa ny taranak’Israely, tany an-tany efitra.+ Tsy narahin’izy ireo ny lalàko, ary nolaviny ny didim-pitsarako, nefa ho velona izay olona manaraka an’izany. Nozimbazimbain’izy ireo tanteraka koa ny sabatako. Nilaza àry aho fa hanamparako ny hatezerako izy ireo, ka haripako tanteraka any an-tany efitra.+
14 Nanao an’izany aho noho ny anarako, mba tsy hozimbazimbaina eo amin’ireo firenena ny anarako, dia ireo firenena nahita ny namoahako azy ireo* avy tany Ejipta.+
15 Nianiana tamin’izy ireo koa aho tany an-tany efitra fa tsy hitondra azy any amin’ilay tany nomeko azy,+ dia ilay tany tondra-dronono sy tantely+ sady tsara tarehy indrindra amin’ny* tany rehetra.
16 Nolavin’izy ireo mantsy ny didim-pitsarako, tsy narahiny ny lalàko, ary nozimbazimbainy ny sabatako, noho izy ireo niraiki-po tamin’ireo sampiny maharikoriko.+
17 “‘“Niantra azy ireo anefa aho,* ka tsy naringako izy ireo ary tsy naripako tany an-tany efitra.
18 Hoy aho tamin’ny taranany tany an-tany efitra:+ ‘Aza manaraka ny fitsipiky ny razambenareo+ na mankatò ny didim-pitsarany, ary aza mandoto tena amin’ireo sampiny maharikoriko.
19 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Araho ny lalàko ary ankatoavy ny didim-pitsarako, dia ampiharo.+
20 Hamasino ny sabatako+ dia ho famantarana eo amiko sy aminareo izany, mba ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.’+
21 “‘“Nikomy tamiko anefa ny taranany.+ Tsy narahin’izy ireo ny lalàko ary tsy nankatoaviny sy tsy nampihariny ny didim-pitsarako, nefa ho velona izay olona manaraka an’izany. Nozimbazimbain’izy ireo koa ny sabatako. Nilaza àry aho fa ho tezitra be aminy, ary hanamparako ny hatezerako izy ireo, any an-tany efitra.+
22 Nifehy tena anefa aho,+ ary nanao zavatra aho noho ny anarako+ mba tsy hozimbazimbaina eo amin’ireo firenena izy io, dia ireo firenena nahita ny namoahako azy ireo.*
23 Nianiana tamin’izy ireo koa aho tany an-tany efitra fa haparitako any amin’ireo firenena izy ireo, ary haeliko any amin’ny tany samihafa.+
24 Tsy nampihatra ny didim-pitsarako mantsy izy ireo, fa nandika ny lalàko+ sy nanazimbazimba ny sabatako, ary nanompo* an’ireo sampy maharikoriko notompoin’ny razambeny.+
25 Navelako hanaraka fitsipika tsy mahasoa koa izy ireo, ary navelako hankatò didim-pitsarana izay tsy hahavelona azy.+
26 Navelako handoto azy ireo ny sorona nataony, rehefa nodorany tao anaty afo daholo ny zanany voalohany.+ Amin’izay dia haringako izy ireo, ka ho fantany fa izaho no Jehovah.”’
27 “Koa miresaha amin’ny taranak’Israely, ry zanak’olona, ka lazao hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Nanevateva ahy hoatr’izany koa ny razambenareo rehefa nivadika tamiko.
28 Nentiko tany amin’ilay tany efa nianianako homena azy izy ireo.+ Rehefa nahita ny havoana sy ny hazo be ravina rehetra anefa izy ireo,+ dia nanao sorona sy fanatitra mampahatezitra ahy. Teny izy ireo no nanao sorona mba ho hanitra mahafinaritra,* sy nandraraka fanatitra zava-pisotro.
29 Dia hoy aho taminy: ‘Fa maninona ianareo no mankany amin’io toerana avo io?’”’—Antsoina hoe Toerana Avo ilay izy hatramin’izao.+—
30 “Lazao amin’ny taranak’Israely hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Mandoto tena hoatran’ny nataon’ny razambenareo koa angaha ianareo, ka manompo an’ireo sampy maharikoriko notompoiny mba hivaro-tena* amin’ireny?+
31 Mbola mandoto tena ihany angaha ianareo hatramin’izao, ka manao sorona ho an’ny sampinareo maharikoriko rehetra sy mandoro ny zanakareo ao anaty afo?+ Koa izaho ve dia hamaly ny fanontanianareo, ry taranak’Israely ô?”’+
“‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia tsy hamaly ny fanontanianareo aho.+
32 Tsy ho tanteraka mihitsy koa ilay eritreritrareo hoe: “Andao isika hanao hoatran’ny ataon’ireo firenena, hoatran’ny ataon’ny vahoaka any amin’ny tany samihafa, izay manompo* vato aman-kazo.”’”+
33 “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘dia hanjaka aminareo aho. Dia hampiasa ny tanako matanjaka sy ny sandriko mahery aho mba hanafaizana anareo, ary hanamparako ny hatezerako ianareo.+
34 Havoakako avy any amin’ireo firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin’ireo tany nanaparitahana anareo. Hampiasa ny tanako matanjaka sy ny sandriko mahery aho amin’izay, sady hanampatra ny hatezerako.+
35 Dia hoentiko any amin’ny tany efitr’ireo firenena ianareo, ka any isika no hifandahatra eo amin’ny fitsarana.+
36 “‘Hifandahatra aminareo eo amin’ny fitsarana aho, hoatran’ny nataoko tamin’ny razambenareo tany an-tany efitr’i Ejipta’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.
37 ‘Hampandaloviko eo ambany tehin’ny mpiandry ondry+ ianareo, ka hotereko hanaja an’ilay fifanekena.*
38 Hesoriko eo aminareo anefa ireo mpikomy sy izay mandika ny lalàko.+ Fa havoakako avy any amin’ny tany nivahiniany izy ireo, nefa tsy hiditra ao amin’ny tanin’ny Israely.+ Dia tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah.’
39 “Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony aminareo, ry taranak’Israely ô: ‘Mandehana daholo manompo ny sampinareo maharikoriko.+ Aorian’izay anefa, na dia tsy mihaino ahy aza ianareo, dia tsy ho afaka hanazimbazimba ny anarako masina intsony, amin’ny sorona ataonareo sy ny sampinareo maharikoriko.’+
40 “‘Fa eo amin’ny tendrombohitro masina, eo amin’ny tendrombohitra avo iray any Israely’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, ‘no hanompoan’ny taranak’Israely manontolo ahy. Izy rehetra mihitsy no hanompo ahy any.+ Dia any aho no hankasitraka azy ireo. Any koa ianareo no hasaiko hitondra fanomezana sy hanome ny tsara indrindra* amin’ny fanatitra hatolotrareo ho ahy, dia ny zava-masina rehetra omenareo.+
41 Satria hanitra mahafinaritra* ny sorona ataonareo, dia hankasitraka anareo aho, rehefa avoakako avy any amin’ireo firenena ianareo ka angoniko avy any amin’ny tany nanaparitahana anareo.+ Dia hohamasinina eo aminareo aho, ary ho hitan’ireo firenena izany.’+
42 “‘Tsy maintsy ho fantatrareo fa izaho no Jehovah,+ rehefa entiko any amin’ny tanin’ny Israely+ ianareo, dia any amin’ilay tany nianianako homena ny razambenareo.
43 Any ianareo no hahatsiaro ny nataonareo sy ny zava-drehetra nataonareo handotoana ny tenanareo.+ Dia ho rikoriko ianareo* noho ny zava-dratsy rehetra vitanareo.+
44 Dia tsy maintsy ho fantatrareo, ry taranak’Israely ô, fa izaho no Jehovah rehefa manao an’izany aminareo aho noho ny anarako,+ fa tsy mamaly anareo araka ny zava-dratsy nataonareo na ny fanao ratsinareo’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”
45 Niteny tamiko indray i Jehovah hoe:
46 “Ry zanak’olona, mitodiha any amin’ny faritra atsimo ka mitenena amin’izay any atsimo, ary maminania amin’ny alan’ny faritra atsimo.
47 Lazao amin’ny ala any atsimo hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah. Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Handrehitra afo eo aminareo aho,+ ka ho levon’ny afo ny hazo rehetra mbola maitso sy ny hazo maina rehetra eo aminareo. Tsy hovonoina izany afo miredareda izany,+ ka ho may daholo ny tarehy rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.
48 Dia ho hitan’ny olona* rehetra fa izaho Jehovah no nandrehitra an’ilay afo, ka tsy hovonoina izany.”’”+
49 Ary hoy aho: “Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Izao ange no lazain’izy ireo momba ahy e: ‘Io ve izao tsy manao ankamantatra* fotsiny?’”
Fanamarihana
^ Na: “hilaza didim-pitsarana momba.”
^ Abt: “nanangan-tanana.”
^ Na: “notsikiloviko.”
^ Na: “Io no ravaky ny.”
^ Mety hisy ifandraisany amin’ny hoe “taim-biby” ilay teny hebreo tany am-boalohany. Teny fanambaniana izy io.
^ Izany hoe ny Israely.
^ Izany hoe ny Israely.
^ Izany hoe ny Israely.
^ Na: “sady ravaky ny.”
^ Abt: “ny masoko.”
^ Izany hoe ny Israely.
^ Abt: “nibanjina.”
^ Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”
^ Izany hoe hivavaka.
^ Na: “mivavaka amin’ny.”
^ Abt: “hataoko voafatotr’ilay fifanekena.”
^ Na: “ny voaloham-bokatra.”
^ Na: “mampitony.” Abt: “mitondra fitsaharana.”
^ Abt: “haharikoriko anareo ny tarehinareo.”
^ Abt: “nofo.”
^ Na: “ohabolana.”