Salamo 145:1-21

  • Fiderana an’i Jehovah, ilay Mpanjaka tena miavaka

    • ‘Hanambara ny fahalehibeazanao aho’ (6)

    • “Manao soa amin’ny rehetra i Jehovah” (9)

    • “Hidera anao ireo tsy mivadika aminao” (10)

    • Maharitra mandrakizay ny fanjakan’i Jehovah (13)

    • Manome fahafaham-po ny rehetra ny tanan’i Jehovah (16)

Hira Fiderana nataon’i Davida. א [Alefa] 145  Hanandratra anao aho, ry Andriamanitro sady Mpanjakako+ ô,Ary hidera ny anaranao mandrakizay mandrakizay.+ ב [Beta]   Hidera anao tontolo andro+ aho;Hidera ny anaranao mandrakizay mandrakizay+ aho. ג [Gimela]   Tena miavaka i Jehovah, ka izy no mendrika hoderaina indrindra;+Tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany.+ ד [Daleta]   Hidera ny asanao ny taranaka fara aman-dimby;Hanambara ny asa nataonao tamin’ny herinao+ izy ireo. ה [He]   Ny haja amam-boninahitrao no horesahin’izy ireo,+Ary izaho kosa hisaintsaina an’ireo asa mahatalanjona nataonao. ו [Vao]   Hiresaka momba ny zavatra miavaka sy mampahatahotra nataonao* izy ireo,Ary izaho hanambara ny fahalehibeazanao. ז [Zaina]   Hiboiboika teny fiderana ny vavan’izy ireo rehefa mahatsiaro hoe lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao,+Ary hihoby izy ireo noho ianao manao ny rariny.+ ח [Heta]   Mangoraka* sy mamindra fo i Jehovah,+Sady tsy mora tezitra ary tena be fitiavana sy tsy mivadika.+ ט [Teta]   Manao soa amin’ny rehetra i Jehovah,+Ary hita amin’izay rehetra ataony fa mamindra fo izy. י [Yôda] 10  Hanome voninahitra anao ny asanao rehetra, Jehovah ô!+Ary hidera anao ireo tsy mivadika aminao.+ כ [Kafa] 11  Hanambara ny voninahitry ny fanjakanao+ izy ireo,Ary hiresaka momba ny herinao,+ ל [Lameda] 12  Mba hampahafantarana amin’ny olona ny asa nataonao tamin’ny herinao+Sy ny haja amam-boninahitry ny fanjakanao.+ מ [Mema] 13  Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao,Ary maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby ny fitondranao.+ ס [Sameka] 14  Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah,+Ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.+ ע [Aina] 15  Miandrandra anao ny maso rehetra;Manome azy ireo ny sakafony amin’ny fotoanany ianao.+ פ [Pe] 16  Manokatra ny tananao ianao,Ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.+ צ [Tsade] 17  Manao ny rariny i Jehovah amin’ny lalany rehetra.+Tsy mivadika koa izy, amin’izay rehetra ataony.+ ק [Kôfa] 18  Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah,+Dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.*+ ר [Resa] 19  Manome fahafaham-po ny fanirian’izay matahotra azy izy;+Henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka vonjeny.+ ש [Shina] 20  Miaro an’izay rehetra tia azy i Jehovah,+Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.+ ת [Tao] 21  Hidera an’i Jehovah ny vavako;+Aoka hidera ny anarany masina mandrakizay mandrakizay ny zavamananaina* rehetra.+

Fanamarihana

Na: “momba ny herinao.”
Na: “Miantra.”
Na: “amim-pahatsorana.”
Abt: “nofo.”