Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiantrana ny Mahantra

Fiantrana ny Mahantra

FIANTRANA NY MAHANTRA

Fanomezan-javatra ho an’ireo sahirana. Tsy hita ao amin’ny Soratra Hebreo ny hoe “fiantrana ny mahantra”, nefa manome toromarika mazava momba izay tokony hataon’ny Israelita amin’ny mahantra ny Lalàna. Tokony halala-tanana amin’ny rahalahiny sahirana izy ireo, fa tsy ho mafy tanana aminy.—De 15:7-10.

Fiahiana ny mahantra tany Israely. Azo natao ny nihinana izay lany tamin’ny voaloboka sy ny vokatr’olona teny an-tsaha, saingy tsy azo natao ny nitondra nody. (De 23:24, 25) Tsy nahazo nijinja tanteraka ny sisin’ny sahany ny Israelita rehefa nijinja, ary tsy nahazo naka ny vokatra sy voaloboka ary oliva navelan’ny mpijinja sy mpioty izy ireo. Tokony havelany ho an’ny mpivahiny sy kamboty ray ary mpitondratena kosa izany.—Le 19:9, 10; De 24:19-21.

Isaky ny telo taona, dia tokony hitondra ny ampahafolon’ny vokatra azony tamin’iny taona iny ny Israelita, ka hametraka izany ao an-tanànany mba ho an’ny Levita, mpivahiny, kamboty, ary mpitondratena.—De 14:28, 29; jereo AMPAHAFOLON-KARENA.

Navela hiala sasatra tanteraka ny tany isaky ny 7 sy 50 taona (na Jobily), ka tsy nisy fijinjana. Nahazo nihinana tamin’izay vokatra naniry ho azy tamin’ireo taona sabata ireo ny mahantra, mbamin’ny tompon’ilay tany sy ny mpanompony ary ny olona nokaramainy. Izay vokatra efa voangon’ny Israelita anefa no nataony sakafo tamin’ny ankapobeny.—Ek 23:10, 11; Le 25:1-7, 11, 12, 20-22.

Mitovitovy amin’ny voalazan’ny Lalàna ny toro lalana resahin’ny boky hafa ao amin’ny Soratra Hebreo momba izay tokony hataon’ny Israely amin’ny mahantra. (Jb 31:16-22; Sl 37:21; 112:9; Oh 19:17; Mpto 11:1, 2) Sambatra sy hotahina izay miahy ny mahantra. (Sl 41:1, 2; Oh 22:9) Ho nankasitrahan’Andriamanitra indray ireo Israelita nivadika tamin’ny andron’i Isaia, raha nizara ny mofony tamin’ny noana, nampiantrano ny tsy nanan-kialofana, ary nampitafy an’izay nitanjaka. (Is 58:6, 7) Hoy i Jehovah momba ny olo-marina: “Nomeny ho an’ny noana ny sakafony, ary nampitafiany ny tsy manan-kitafy.”—Ezk 18:7-9.

Tsy tokony ho nisy nahantra ny Israelita, satria nampanantena ny hitahy ny vahoakany i Jehovah raha nankatò ny Lalàna izy ireo. Indrisy anefa fa tsy nankatò izy ireo sady tsy lavorary, ka nisy olo-mahantra foana teo aminy. (De 15:4, 5, 11) Zara raha nisy mpangataka tany Israely fahiny, matoa voalaza fa anisan’ny loza hanjo an’ireo ratsy fanahy ny hoe voatery hangataka ny zanany.—Sl 109:10; ampit. Sl 37:25; jereo MAHANTRA.

Noho ny antony ratsy. Tsy asa soa fotsiny ny fiantrana ny mahantra tamin’ny Jiosy tatỳ aoriana, fa fomba ahazoana famelan-keloka koa. Izao, ohatra, no nanazavan’izy ireo ny Ohabolana 11:4 (“Tsy hisy hilana ny harena amin’ny andro fahatezerana, fa ny fahamarinana kosa no hiaro ny olona tsy ho faty”), mifanaraka amin’ny voalazan’ny Talmoda: “Mamono afo midedadeda ny rano; toy izany koa fa mandrakotra fahotana ny fiantrana ny mahantra.” (Ny Rakipahalalana Jiosy, 1976, Boky I, p. 435) Tia sehoseho be anefa ny olona sasany nanome ho an’ny mahantra fony i Jesosy Kristy tetỳ an-tany, ka nomelohiny tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra ny fihetsik’izy ireo.—Mt 6:2-4.

Fiantrana ataon’ny Kristianina. Nampirisihina hivarotra ‘ny fananany ka hanome izany ho fiantrana ny mahantra’ ny ‘ondry vitsin’i’ Jesosy. (Lk 12:32, 33) Nasain’i Jesosy nanao toy izany koa ny tovolahy iray mpanankarena, sady hoy izy: “Andao hanara-dia ahy.” (Mt 19:16-22; Lk 18:18-23; jereo koa Jn 13:29.) Nasongadiny koa fa ‘izay ao am-po no tokony homena ho fiantrana ny mahantra.’ Mety ho ireo toetra tsara avy ao am-po no tiany holazaina, matoa nasongadiny avy eo ny rariny sy ny fitiavana.—Lk 11:39-42.

Fanampiana an’ireo sahirana. Niisa 3 000 teo ho eo ny Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy lasa Kristianina tamin’ny Pentekosta, ary mbola niampy izy ireo taoriana kelin’izay. Avy lavitra ny ankamaroany, nefa nanapa-kevitra ny hijanona elaela tao Jerosalema izy ireo mba hianatra bebe kokoa momba ilay fivavahany vaovao. Nisy famoriam-bola natao àry ho fanampiana azy ireo. Nivarotra ny fananany ny Kristianina sasany ary nanome ny vidin’izany ho an’ny apostoly mba hozaraina tamin’ireo nila fanampiana. “Ary niaraka teo daholo izay rehetra tonga mpino, ka niombonany avokoa ny zava-drehetra.” An-tsitrapo daholo anefa izany rehetra izany matoa nilaza tamin’i Ananiasy i Petera hoe: “Fony tsy namidy ny tany, tsy anao ihany ve ilay izy? Ary rehefa namidy, tsy mbola anao ihany ve, ka hanaovanao izay sitraponao?”—As 2:41-47; 4:4, 34, 35; 5:4.

Toa nihena ny fanampiana toy izany, tatỳ aoriana. Mbola nizarana sakafo ihany anefa ny mpitondratena sahirana teo anivon’ny fiangonana. Nanomboka nimenomenona tamin’ny Jiosy niteny hebreo ny Jiosy niteny grika, “satria natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy tamin’ny fizaran-tsakafo isan’andro.” Mba hamahana ilay olana, dia nasain’ny apostoly nifidy rahalahy fito nahafeno fepetra, “feno fanahy masina sy fahendrena”, ny fiangonana mba hizara sakafo. Nentina teo anatrehan’ny apostoly izy fito lahy. Nivavaka ny apostoly, ary avy eo nanendry azy ireo hanao ilay asa. Nitantana ny vola izy ireo, nividy entana, ary nandray an-tsoratra ny fitsinjarana sakafo. (As 6:1-6) Mbola nokarakaraina ny mpitondratena tamin’i Paoly nanoratra ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty, matoa nohazavainy hoe iza avy no mahafeno fepetra hahazo an’ilay fanampiana ara-bola.—1Ti 5:3-16.

Tsy ny mpitondratena ihany no nampian’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, fa ny mpiray finoana sahirana koa. An-tsitrapo tanteraka ireny fanampiana ireny, na dia nalamin’ireo lehilahy voatendry teo anivon’ny fiangonana aza.—As 11:28-30; Ro 15:25-27; 1Ko 16:1-3; 2Ko 9:5, 7; jereo FANAMPIANA.

Tsy izany no zava-dehibe indrindra. Ampirisihina ho tia mandray vahiny sy hizara amin’ny hafa ny Kristianina, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tokony hanome izay ilain’ny fianakaviany sy hanampy an’ireo rahalahiny sahirana koa anefa izy. (Ro 12:13; 1Ti 5:4, 8; Jk 2:15, 16; 1Jn 3:17, 18) Miahy ny mahantra ny tena mpivavaka. (Jk 1:27; 2:1-4) Nilaza i Kristy fa ny fanaovana soa amin’ny ‘iray amin’ny kely indrindra amin’ireo rahalahiny’ no mampiavaka ny “ondry” amin’ny “osy.” (Mt 25:31-46) Tsy ho fiantrana azy ireo fotsiny anefa no anaovan’ny “ondry” izany, fa ho fanekena ny toerana tanan’izy ireo koa.—Mt 10:40-42.

Tsy tokony himenomenona na halahelo na hahatsiaro ho voatery ny olona iray rehefa manome, raha tena te ho sambatra. “Ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.” (2Ko 9:7; As 20:35; 1Pe 4:9) Tsy ampy mba hahazoana fiainana mandrakizay koa ny fiantrana ny mahantra, ka tsy izany no tena nasongadin’i Jesosy Kristy.—Jn 17:3; 12:1-8.