Joba 31:1-40

  • Niaro tena i Joba hoe tsy nivadika (1-40)

    • “Fifanekena tamin’ny masoko” (1)

    • Nangataka an’Andriamanitra handanja azy (6)

    • Tsy mpanitsakitsa-bady (9-12)

    • Tsy tia vola aman-karena (24, 25)

    • Tsy mpanompo sampy (26-28)

31  “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho,+ Koa hataoko ahoana indray no hijerijery* virjiny?+  2  Raha sanatria aho manao an’izany, dia inona no ho anjarako avy amin’ilay Andriamanitra any ambony,Dia ny lovako avy any amin’ilay Mahery Indrindra any amin’ny avo?  3  Tsy loza ve no miandry ny mpanao ratsy,Ary fahoriana no miandry ny mpisompatra?+  4  Tsy mahita ny lalako angaha Andriamanitra,+Ary tsy manisa ny diako rehetra angaha izy?  5  Efa nanao ny tsy marina* angaha aho? Maika handeha hamitaka ve ny tongotro?+  6  Aleo Andriamanitra handanja ahy amin’ny mizana marina,+Dia ho hitany fa tsy mivadika aho.+  7  Raha mivily any amin’ny tsy izy ny diako,+Na manaraka izay tian’ny masoko ny foko,+Na voaloto ny tanako,  8  Dia aoka aho hamafy, nefa olon-kafa no hihinana,+Ary aoka hisy hanongotra izay amboleko.*  9  Raha voasarika ho amin’ny vehivavy hafa ny foko,+Ka mamitsaka miandry+ eo am-baravaran’ny namako aho, 10  Dia aoka ny vadiko hanodina vato fikosoham-bary ho an’ny lehilahy hafa,Ary aoka hisy lehilahy hafa hanao firaisana aminy.*+ 11  Fa fitondran-tena mahamenatra izany,Ary fahadisoana tokony hahazoana sazy avy amin’ny mpitsara.+ 12  Ho afo mandoro sy mamotika tanteraka izany,+Ka ho levona hatramin’ny fakany* ny zavatra rehetra novokariko. 13  Raha tsy nomeko rariny ny mpanompolahiko sy ny mpanompovavikoRehefa nitaraina noho ny nataoko,* 14  Dia inona no hataoko rehefa mitsara ahy* Andriamanitra? Inona no havaliko azy rehefa manao ampamoaka izy?+ 15  Tsy Ilay nanamboatra ahy tao am-bohoka ihany ve no nanamboatra azy ireo koa?+ Tsy Iray ihany ve no namolavola anay talohan’ny nahaterahanay?*+ 16  Raha tsy nety nanome an’izay mba nirin’ny mahantra aho,+Na navelako hipitrapitra* ny mason’ny mpitondratena;+ 17  Raha nohaniko irery ny anjara sakafoko,Fa tsy nozaraiko tamin’ny kamboty;+ 18  —Efa hatramin’izaho mbola tanora mantsy no niara-lehibe tamiko ny kamboty* ka toy ny rainy aho,Ary efa hatramin’ny mbola kely* aho no mpitari-dalana ho an’ny mpitondratena.* 19  Raha toa aho nahita olona efa ho faty noho izy tsy nanana akanjo,Na nahita mahantra tsy nanan-damba hirakofana;+ 20  Raha tsy nitso-drano+ ahy izy*Rehefa nanafana ny tenany tamin’ny volon’ondriko; 21  Raha nambanako totohondry ny kamboty+Rehefa nila fanampiana tamiko* teo am-bavahadin’ny tanàna,+ 22  Dia aoka ny sandriko* hiala amin’ny soroko,Ary aoka ny tanako ho tapaka eo amin’ny kiho.* 23  Fa natahotra ny hiharan’ny loza avy amin’Andriamanitra aho,Ary tsy nahajoro teo anoloan’ny voninahiny. 24  Raha nitoky tamin’ny volamena aho,Na niteny tamin’ny volamena tena tsara hoe: ‘Ianao no ianteherako!’+ 25  Raha nifaly tamin’ny harem-be nananako+ aho,Satria nahazo fananana be dia be;+ 26  Raha nahita ny masoandro* mamirapiratra aho,Na ny volana kanto mamakivaky ny lanitra;+ 27  Ka voasarika mangingina ny foko,Ary nanoroka ny tanako ny vavako ka nivavaka tamin’ireny aho;+ 28  Dia fahadisoana tokony hahazoana sazy avy amin’ny mpitsara izany,Satria ho nanda an’ilay tena Andriamanitra any ambony aho. 29  Efa mba nibitaka ve aho rehefa ringana ny fahavaloko,+Na nifaly tamin’ny fahavoazany? 30  Tsy mba namela ny vavako hanota aho,Ka hoe hanozona azy sy haniry ny hahafatesany.+ 31  Tsy niteny ve ny olona tao an-tranolaiko hoe:‘Iza no mahita olona tsy voky tamin’ny sakafo* nomeny?’+ 32  Tsy nisy vahiny* voatery natory teny an-tokotany;+Nosokafako ho an’ny mpanao dia lavitra ny varavarako. 33  Efa mba nanarontsarona ny fandikan-dalàna nataoko ve aho, toy ny fanaon’olona,+Ka nanafina ny fahadisoako tao anaty paosin’akanjoko? 34  Efa mba natahotra an’izay mety hataon’ny vahoaka ve aho,Na nihorohoro noho ny fanesoan’ny mpiara-moninaKa nangina sy tsy sahy nivoaka ny trano? 35  Raha mba misy mihaino mantsy aho!+ Ho nosoniaviko tamin’ny anarako izay nolazaiko.* Aoka ilay Mahery Indrindra hamaly ahy!+ Raha mba nosoratan’ny mpiampanga ahy mantsy ny fiampangana ahy! 36  Dia ho nolanjaiko teo an-tsoroko izany,Ary ho nafatotro teo amin’ny lohako toy ny satroboninahitra. 37  Ho notateriko tamin’Andriamanitra ny diako tsirairay;Ho natoky tena hoatran’ny andriana aho rehefa nanatona azy. 38  Raha nitaraina momba ahy ny taniko,Ary niara-nitomany ny vava asa teo aminy; 39  Raha nohaniko ny vokatra teo aminy nefa tsy nandoa vola aho,+Na raha nanao izay hahakivy ny tompony aho;+ 40  Dia aoka ho tsilo no haniry eo fa tsy varimbazaha,Ary ahidratsy maimbo fa tsy vary orza.” Tapitra eto ny tenin’i Joba.

Fanamarihana

Na: “hanadaladala; hitsiriritra.”
Na mety hoe “niara-nandeha tamin’ny olona tsy marina.”
Na: “aoka ho fongotra ny taranako.”
Abt: “handohalika eo amboniny.”
Na: “Ka ho voaongotra.”
Na: “niady tamiko teny amin’ny fitsarana.”
Abt: “mitsangana.”
Abt: “tao an-kibo?”
Abt: “nandreraka.”
Abt: “efa hatrany an-kibon-dreniko.”
Abt: “azy.”
Abt: “izy.”
Abt: “ny andilany.”
Na mety hoe “Rehefa hitako fa nisy nanohana ahy.”
Na: “taolan-tsoroko.”
Na: “hiala amin’ny toerany; hiala amin’ny foto-tsandry.”
Abt: “hazavana.”
Abt: “hena.”
Na: “hafa firenena.”
Na: “Ity ny soniako.”