Ohabolana 19:1-29
19 Aleo mahantra nefa tsy mivadika,+Toy izay tsisy saina sady mpandaingalainga.+
2 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny olona,+Ary manota izay maimaika loatra.*
3 Ny hadalan’ny olona ihany no manimba ny fiainany,Ka amin’i Jehovah no tezitra ny fony.
4 Ny harena no mahatonga ny olona ho be namana,Fa ny mahantra kosa, na ny namany aza handao azy.+
5 Tsy maintsy ho voasazy ny vavolombelona mandainga,+Ary tsy ho afa-maina ny olona efa tranon-dainga.+
6 Maro no mila sitraka amin’ny olona ambony,*Ary naman’izay tia manao fanomezana ny olona rehetra.
7 Na ny rahalahin’ny mahantra aza mankahala azy daholo,+Koa mainka moa fa ny namany!+
Mba mitalaho sy mangataka amin’ireny izy, saingy tsy misy mihaino azy.
8 Tia ny tenany izay miezaka hisaina tsara,*+
Ary hahomby* izay mihevitra hoe sarobidy ny* fahaiza-mandinika.+
9 Tsy maintsy ho voasazy ny vavolombelona mandainga,Ary ho ringana ny olona efa tranon-dainga.+
10 Tsy mendrika ny hanana fiainana mirenty ny tsisy saina,Ary vao mainka tsy mendrika ny hibaiko andriana ny mpanompo!+
11 Mahatsindry fo ny olona lalin-tsaina,+Ary voninahitra ho azy ny mamela* fahadisoana.*+
12 Hoatran’ny liona* mierona ny mpanjaka rehefa tezitra be,+Fa toy ny ando eo amin’ny ahitra kosa ny fankasitrahany.
13 Mitondra fahoriana ho an’ny rainy ny zanaka tsisy saina,+Ary toy ny tafo mitete tsy an-kijanona ny vehivavy tia ady.*+
14 Trano sy harena no lova avy amin’ny ray,Fa vady malina kosa no fanomezana avy amin’i Jehovah.+
15 Mahatonga torimaso lalina ny hakamoana,Ary ho noana ny olona malaina.+
16 Izay mankatò ny didy dia miaro ny ainy,+Fa ho faty kosa ny olona tsy mba miraharaha izay ataony.+
17 Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah,+Ka Izy no hamaly ny soa nataony.+
18 Faizo ny zanakao dieny mbola misy fanantenana,+Ary tandremo sao ho lasa tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany ianao.*+
19 Handoa sazy izay mora tezitra.Raha arovanao izy, dia ho voatery hiaro azy foana ianao.+
20 Henoy ny torohevitra ary raiso ny anatra,*+Mba ho hendry ianao amin’ny hoavy.+
21 Maro ny zavatra kasain’ny olona hatao,Fa ny fikasan’i* Jehovah ihany no ho tanteraka.+
22 Tian’ny olona izay be fitiavana sy tsy mivadika,+Ary aleo lasa mahantra toy izay lasa mpandainga.
23 Mitarika mankany amin’ny fiainana ny fahatahorana an’i Jehovah.+Hatory tsara izay matahotra Azy, fa tsy ho tratran’ny loza.+
24 Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo,Nefa na ny hampakatra an’ilay tanany ho ao am-bavany aza mahakamo azy.+
25 Kapohy ny mpanesoeso+ mba ho malina izay mbola tsy dia nahita fiainana.*+Ary anaro ny mahira-tsaina mba hitombo ny fahalalany.+
26 Izay mampijaly ny rainy sy mandroaka ny reniny,Dia zanaka mahamenatra sy manala baraka.+
27 Raha tsy mihaino anatra intsony ianao, anaka,Dia hiala amin’ny lalan’ny fahalalana.
28 Manao tsinontsinona ny rariny ny vavolombelona tsy misy ilana azy.+Ary amin’ny ratsy fanahy, dia mahafinaritra hoatran’ny misakafo ny manao ratsy.+
29 Didim-pitsarana no miandry ny mpanesoeso,+Ary hokapohina ny lamosin’ny tsisy saina.+
Fanamarihana
^ Abt: “mihazakazaka amin’ny tongony.”
^ Na: “olona tia manome.”
^ Na: “izay mitahiry.”
^ Abt: “hahita soa.”
^ Abt: “hanana fo.”
^ Na: “raha lalovany fotsiny ny.”
^ Na: “heloka.”
^ Na: “liona tanora.”
^ Na: “vady mimenomenona lava.”
^ Na: “Ary aza maniry ny hahafatesany.”
^ Na: “fifehezana; famaizana.”
^ Na: “hevitr’i.”
^ Na: “izay tanora fanahy.”