Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 12

Mahaiza Miombom-pihetseham-po Amin’ny Hafa

Mahaiza Miombom-pihetseham-po Amin’ny Hafa

“Ianareo rehetra, ... miaraha ory.”—1 PET. 3:8.

HIRA 90 Andao Isika Hifampahery

HO HITANAO ATO *

1. Inona no ataon’ny olona mihevitra ny fihetseham-pontsika sy mitady izay hahasoa antsika, araka ny 1 Petera 3:8?

TIANTSIKA ny miaraka amin’ny olona mihevitra ny fihetseham-pontsika sy mitady izay hahasoa antsika. Miezaka mipetraka eo amin’ny toerantsika izy, izany hoe miezaka hahalala an’izay any an-tsaintsika sy any am-pontsika. Tonga dia fantany izay ilaintsika na dia mbola tsy miteny akory aza isika, ary manampy antsika izy. Tena tia sy mankasitraka ny olona ‘miara-ory’ * amintsika isika.—Vakio ny 1 Petera 3:8.

2. Nahoana no sarotra amin’ny olona sasany ny mangoraka?

2 Te hangoraka, na hahay hiombom-pihetseham-po amin’ny olona, isika satria Kristianina. Sarotra anefa izany indraindray. Nahoana? Voalohany, satria isika tsy lavorary. (Rom. 3:23) Tonga dia isika foana aloha no eritreretintsika. Mila miezaka mafy àry isika mba hihevitra ny hafa. Faharoa, mety tsy hahay hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa isika noho ny fomba nitaizana antsika na ny zavatra niainantsika taloha. Farany, mety hisy fiantraikany amintsika ny toetran’ny olona manodidina antsika. Betsaka mantsy no tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa amin’izao andro farany izao fa “tia tena.” (2 Tim. 3:1, 2) Inona no hanampy antsika hahay hiara-ory amin’ny olona na sarotra aza izany?

3. a) Inona no hanampy antsika hahay hiombom-pihetseham-po kokoa amin’ny olona? b) Inona no hodinihintsika ato?

3 Hahay hiombom-pihetseham-po kokoa amin’ny olona isika raha manahaka an’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Andriamanitra fitiavana i Jehovah ka mihevitra ny hafa. Izy àry no modely tsara indrindra amin’izany. (1 Jaona 4:8) Nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy i Jesosy. (Jaona 14:9) Nasehony tamin’izy tetỳ an-tany hoe ahoana no azon’ny olona ampisehoana fangorahana. Hodinihintsika ato hoe ahoana no nampisehoan’i Jehovah sy Jesosy an’izany ary ahoana no hanahafantsika azy ireo.

MANGORAKA I JEHOVAH

4. Ahoana no hahalalantsika hoe miombom-pihetseham-po amin’ny mpanompony i Jehovah, rehefa jerena ny Isaia 63:7-9?

4 Asehon’ny Baiboly hoe mihevitra ny fihetseham-pon’ny mpanompony i Jehovah. Eritrereto, ohatra, izay tsapany rehefa nijaly ny Israelita. Milaza ny Baiboly hoe: “Ory izy nandritra ny fahoriana rehetra nanjo an’ireo.” (Vakio ny Isaia 63:7-9.) Nilaza i Jehovah, tatỳ aoriana, hoe rehefa misy mampijaly ny vahoakany dia hoatran’ny hoe izy mihitsy no mijaly. Nampiasa an’i Zakaria izy mba hilaza tamin’ny mpanompony hoe: “Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.” (Zak. 2:8) Hita amin’izany hoe tena mangoraka ny vahoakany i Jehovah.

Nangoraka ny Israelita i Jehovah ka nafahany tsy ho andevo tany Ejipta izy ireo (Fehintsoratra 5)

5. Milazà zavatra nataon’i Jehovah mba hamonjena ny mpanompony nijaly.

5 Tsy hoe malahelo ny mpanompony mijaly fotsiny i Jehovah fa manao zavatra hanampiana azy ireo mihitsy. Tsapan’i Jehovah, ohatra, hoe nijaly be ny Israelita tamin’izy ireo andevo tany Ejipta, dia te hanamaivamaivana azy ireo izy. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Hitako mihitsy ny fahorian’ny oloko ... ary efa reko ny fitarainany. ... Fantatro tsara ny fijaliany. Hidina aho hanafaka azy eo an-tanan’ny Ejipsianina.” (Eks. 3:7, 8) Nangoraka ny vahoakany i Jehovah ka nafahany tsy ho andevo izy ireo. Nampijalin’ny fahavalony ny Israelita, ela be tatỳ aoriana, tamin’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Dia ahoana no nataon’i Jehovah? Nangoraka izy rehefa “nitaraina izy ireo noho ny nataon’ireo nampahory azy sy ireo nanositosika azy tetsy sy teroa.” Nalahelo indray izy ka te hanampy azy ireo. Naniraka mpitsara hamonjy ny Israelita àry izy.—Mpits. 2:16, 18.

6. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nihevitra ny fihetseham-pon’ny olona iray diso hevitra izy?

6 Mihevitra ny fihetseham-pon’ny mpanompony foana i Jehovah, na dia diso hevitra aza izy ireo indraindray. Eritrereto, ohatra, i Jona. Nirahiny hilaza didim-pitsarana tamin’ny Ninivita io mpaminany io. Nibebaka anefa izy ireo ka tsy naringany indray. Tsy faly àry i Jona. “Nirehitra ny fahatezerany” satria tsy tanteraka akory ny faminaniany. Nanampy an’i Jona hanova ny fomba fisainany i Jehovah, ary nanam-paharetana izy rehefa nanao an’izany. (Jona 3:10–4:11) Azon’i Jona ihany avy eo ilay zavatra tian’i Jehovah hampianarina azy. Izy mihitsy aza no nasain’i Jehovah nanoratra an’io tantara io mba hahasoa antsika.—Rom. 15:4. *

7. Inona no vokany rehefa mandinika an’izay nataon’i Jehovah tamin’ny mpanompony isika?

7 Rehefa mandinika an’izay nataon’i Jehovah tamin’ny mpanompony isika dia lasa matoky hoe mangoraka antsika izy. Fantany daholo izay manjo antsika sy izay iaretantsika tsirairay. “Mahalala tsara ny ao am-pon’ny zanak’olombelona” izy. (2 Tan. 6:30) Hainy koa izay rehetra any an-tsaintsika sy any am-pontsika lalina any, ary fantany ny fetran’ny vitantsika. ‘Tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika’ izy. (1 Kor. 10:13) Tsy mampahery be ve izany?

MANGORAKA I JESOSY

8-10. Inona no nahatonga an’i Jesosy hihevitra ny fihetseham-pon’ny olona?

8 Tena nangoraka ny olona i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany. Misy antony telo, fara fahakeliny, nahatonga azy ho hoatr’izany. Voalohany, nitovy tanteraka tamin’ny toetran’ny Rainy ny toetran’i Jesosy, araka ny efa hitantsika teo aloha. Tia olona izy, hoatran’ny Rainy. Nahafaly azy daholo ny zavaboary niarahany nanao tamin’i Jehovah. “Izay rehetra mombamomba ny zanak’olombelona” anefa no tena tiany. (Ohab. 8:31) Tia olona izy ka nihevitra ny fihetseham-pon’izy ireo.

9 Faharoa, mahita ny ao am-pon’ny olona i Jesosy, hoatran’i Jehovah. Fantany ny fihetseham-pon’ny olona sy ny antony anaovany zavatra. (Mat. 9:4; Jaona 13:10, 11) Rehefa nahita olona torotoro fo àry izy, dia nalahelo ka te hampahery azy ireo.—Isaia 61:1, 2; Lioka 4:17-21.

10 Fahatelo, i Jesosy mihitsy no niaina ny zava-tsarotra natrehin’ny olona. Toa nahantra, ohatra, ny fianakavian’i Jesosy. Niara-niasa tamin’i Josefa rainy koa izy ka tsapany hoe hoatran’ny ahoana izany manao asa vatana sy asa mafy izany. (Mat. 13:55; Mar. 6:3) Toa efa maty i Josefa rehefa nifarana ny fanompoan’i Jesosy. Azo inoana àry fa tsapany hoe mangidy izany maty havana izany. Fantany koa hoe hoatran’ny ahoana rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny resaka fivavahana ny ao an-trano. (Jaona 7:5) Nanampy an’i Jesosy hahatakatra ny olana atrehin’ny olona sy ny fihetseham-pon’izy ireo ny zavatra niainany sy ny zavatra hafa.

Entin’i Jesosy miala ny vahoaka ny lehilahy iray marenina mba hositraniny (Fehintsoratra 11)

11. Inona amin’ny nataon’i Jesosy no tena ahitana hoe niombom-pihetseham-po tamin’ny olona izy? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

11 Ny fahagagana nataon’i Jesosy no tena ahitana hoe miombom-pihetseham-po amin’ny olona izy. Tsy hoe nanao fahagagana izy satria nihevitra hoe adidiny izany. Nanao fahagagana kosa izy satria “nangoraka.” (Mat. 20:29-34; Mar. 1:40-42) Eritrereto, ohatra, izay tsapany rehefa nentiny niala ny vahoaka ny lehilahy iray marenina mba hositraniny, na rehefa natsangany tamin’ny maty ny zanaka lahitokan’ny vehivavy iray mpitondratena. (Mar. 7:32-35; Lioka 7:12-15) Niara-ory tamin’izy ireo i Jesosy ary te hanampy azy.

12. Ahoana no ahitana hoe niara-ory tamin’i Marta sy Maria i Jesosy, araka ny Jaona 11:32-35?

12 Niara-ory tamin’i Marta sy Maria i Jesosy. ‘Nirotsaka ny ranomasony’ rehefa hitany hoe nalahelo be izy mirahavavy satria maty i Lazarosy anadahiny. (Vakio ny Jaona 11:32-35.) Nahoana izy no nitomany? Tsy hoe satria izy namoy namana akaiky. Izy aza handeha hanangana an’i Lazarosy amin’ny maty. Nitomany kosa izy satria tsapany ny fahorian’ny namany.

13. Nahoana no mampahery antsika ny mahafantatra hoe miombom-pihetseham-po amin’ny hafa i Jesosy?

13 Tena mampahery ny mahafantatra hoe miombom-pihetseham-po amin’ny hafa i Jesosy. Tia azy isika rehefa mandinika ny fomba nifandraisany tamin’ny olona. (1 Pet. 1:8) Mampahery koa ny mahalala hoe efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy izao. Tsy ho ela dia hesoriny daholo izay mampijaly antsika. Efa olombelona i Jesosy taloha, ka mety tsara raha izy no hanamaivana ny olona amin’ny fahoriana entin’ny fitondran’i Satana. Sambatra isika satria manana Mpitondra “mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika.”—Heb. 2:17, 18; 4:15, 16.

TAHAFO I JEHOVAH SY JESOSY

14. Lasa te hiezaka hanao inona isika rehefa mijery ny Efesianina 5:1, 2?

14 Rehefa mieritreritra ny nataon’i Jehovah sy Jesosy isika, dia lasa te hangoraka kokoa. (Vakio ny Efesianina 5:1, 2.) Mahita ny any am-pon’ny olona izy ireo fa isika tsy mahita. Na izany aza, dia afaka miezaka mamantatra ny fihetseham-pon’ny olona sy izay ilainy isika. (2 Kor. 11:29) Tia tena ny olona eto amin’ity tontolo ity. Isika kosa miezaka mafy mba “hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny [tenantsika] ihany.”—Fil. 2:4.

(Fehintsoratra 15-19) *

15. Iza no tena mila mahay mangoraka?

15 Ny anti-panahy no tena mila mahay mangoraka. Fantany hoe mbola hatao ampamoaka ny amin’ny fomba hikarakarany ny ondrin’i Jehovah izy ireo. (Heb. 13:17) Mila mahazo tsara an’izay manjo an’ireo rahalahy sy anabavy ny anti-panahy raha te hanampy azy ireo. Inona no azony atao mba hampisehoana hoe mahay mangoraka izy?

16. Inona no ataon’ny anti-panahy mahay mangoraka, ary nahoana izany no tena ilaina?

16 Manokana fotoana iarahana amin’ny rahalahy sy anabavy ny anti-panahy mahay mangoraka. Mametraka fanontaniana izy, dia mihaino tsara sady manam-paharetana. Tena ilaina izany, indrindra rehefa misy olona te hamboraka ny ao am-pony nefa tsy hitany izay teny hilazana azy. (Ohab. 20:5) Raha vonona hanokana fotoana ho an’ny mpiara-manompo ny anti-panahy, dia hifampatoky kokoa sy ho mpinamana kokoa ary hifankatia kokoa izy ireo.—Asa. 20:37.

17. Inona ny toetra tian’ny rahalahy sy anabavy indrindra amin’ny anti-panahy? Manomeza ohatra.

17 Maro ny rahalahy sy anabavy milaza hoe mahay mangoraka no toetra tiany indrindra amin’ny anti-panahy. Hoy i Adelaide: “Mora amiko ny miresaka amin-dry zareo satria fantatro hoe ho azony tsara izay mahazo ahy. Rehefa avy miteny aho, dia hitako amin’ny zavatra lazainy hoe miombom-pihetseham-po amiko izy.” Tena mankasitraka ny anti-panahy koa ny rahalahy iray ary nilaza hoe: “Nanganohano ilay anti-panahy izay, rehefa nitantarako ny nanjo ahy. Tsy hohadinoiko mihitsy iny fotoana iny.”—Rom. 12:15.

18. Inona no azontsika atao mba hampisehoana hoe mahay miombom-pihetseham-po amin’ny olona isika?

18 Mazava ho azy fa tsy ny anti-panahy ihany no tokony hahay hiombom-pihetseham-po amin’ny olona. Afaka miezaka daholo isika rehetra. Ahoana no azontsika anaovana an’izany? Miezaha hahatakatra ny zavatra iainan’ny fianakavianao sy ny mpiara-manompo aminao. Fantaro izay manjo ny tanora ao amin’ny fiangonanareo, ny tsy salama, ny be taona, ary ireo maty havana. Anontanio hoe manao ahoana izy izao, dia henoy tsara izay lazainy. Ataovy tsapany hoe azonao tsara ny manjo azy, ary ataovy izay azonao atao mba hanampiana azy. Izany no hampisehoantsika hoe tiantsika tokoa izy ireo.—1 Jaona 3:18.

19. Nahoana no tsy voatery hitovy foana ny zavatra ataontsika rehefa manampy ny hafa?

19 Samy hafa ny fomba iatrehan’ny olona ny olana mahazo azy. Mora miresaka, ohatra, ny sasany fa ny hafa tsy tia mitantara an’ilay izy. Tsy voatery hitovy foana àry ny zavatra ataontsika rehefa manampy azy ireo. Tsy tokony hametraka fanontaniana mety hahasanganehana isika na dia te hanampy aza. (1 Tes. 4:11) Rehefa mamboraka ny any am-pony izy, dia mety tsy hitovy hevitra aminy isika. Tokony hekentsika anefa hoe izay no tsapany. Tokony ho mailaka hihaino isika fa tsy ho maika hiteny.—Mat. 7:1; Jak. 1:19.

20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Tsy amin’ny olona ao amin’ny fiangonana ihany isika no tokony hahay hiombom-pihetseham-po, fa amin’ny olona eny amin’ny faritany koa. Ahoana no azontsika ampisehoana an’io toetra io rehefa manao mpianatra? Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 130 Andao Hifamela

^ feh. 5 Mihevitra ny fihetseham-pon’ny olona i Jehovah sy Jesosy. Ho hitantsika ato hoe inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’izy ireo. Horesahintsika koa hoe nahoana isika no tokony hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa, ary ahoana no hanaovana an’izany.

^ feh. 1 FANAZAVANA: Ny hoe “miara-ory”, na miombom-pihetseham-po amin’ny olona, dia midika hoe miezaka mahatakatra ny fihetseham-pony sy miezaka mahatsapa an’izay tsapany.—Rom. 12:15.

^ feh. 6 Nangoraka ny mpanompony kivy sy natahotra koa i Jehovah. Eritrereto, ohatra, ny tantaran’i Hana (1 Sam. 1:10-20), Elia (1 Mpanj. 19:1-18), ary Ebeda-meleka (Jer. 38:7-13; 39:15-18).

^ feh. 65 SARY: Be dia be ny zavatra azontsika atao any am-pivoriana mba hampisehoana hoe mahay miombom-pihetseham-po amin’ny olona isika. 1) Anti-panahy tsara fanahy miresaka amin’ny mpitory iray sy ny mamany. 2) Rahalahy iray sy ny zanany vavy manampy anabavy be taona. 3) Anti-panahy roa mihaino tsara anabavy mila fanampiana.