Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 13

Mahaiza Mangoraka ny Olona eny Amin’ny Faritany

Mahaiza Mangoraka ny Olona eny Amin’ny Faritany

“Nangoraka an’ireo [izy] ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro.”—MAR. 6:34.

HIRA 70 Tadiavo Izay Mendrika

HO HITANAO ATO *

1. Inona no anisan’ny itiavantsika an’i Jesosy? Hazavao.

AZON’I Jesosy tsara ny olana atrehintsika olombelona tsy lavorary. Izany no anisan’ny itiavantsika azy. Nahay ‘niara-nifaly tamin’izay nifaly’ izy, ary ‘niara-nitomany tamin’izay nitomany’, tamin’izy tetỳ an-tany. (Rom. 12:15) “Faly be”, ohatra, izy sady “feno fanahy masina”, rehefa hitany hoe faly ny mpianany 70 satria nahomby ny fanompoan’izy ireo. (Lioka 10:17-21) Tamin’i Lazarosy maty kosa, dia “nalahelo mafy i Jesosy tao am-pony tao sady ory dia ory” satria hitany ny alahelon’ny olona akaiky an’i Lazarosy.—Jaona 11:33.

2. Ahoana no nahatonga an’i Jesosy hahay hangoraka ny olona?

2 Lavorary i Jesosy, nefa nahoana izy no nahay nangoraka sy namindra fo tamin’ny olona tsy lavorary? Ny antony lehibe indrindra dia hoe tia olona izy. Noresahintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe ‘tena tiany izay rehetra mombamomba ny zanak’olombelona.’ (Ohab. 8:31) Izany no nahatonga azy hahay tsara ny fomba fisainan’ny olona. Nilaza ny apostoly Jaona hoe “nahalala izay tao am-pon’ny olona” i Jesosy. (Jaona 2:25) Tena nangoraka izy! Tsapan’ny olona hoe tia azy i Jesosy ka nandray tsara ny hafatra momba an’ilay Fanjakana izy ireo. Mila miezaka mangoraka koa isika. Vao mainka isika hahita vokatra eny amin’ny fanompoana, arakaraka ny hanaovantsika an’izany.—2 Tim. 4:5.

3-4. a) Ahoana no fiheverantsika ny fanompoana raha mangoraka isika? b) Inona no hodinihintsika ato?

3 Fantatry ny apostoly Paoly hoe tsy maintsy mitory izy, ary fantatsika koa hoe tsy maintsy mitory isika. (1 Kor. 9:16) Raha mangoraka anefa isika, dia tsy hihevitra ny fitoriana ho adidy fotsiny. Tiantsika haseho kosa hoe mitory isika satria tena tia olona ary te hanampy azy ireo. Fantatsika fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa. 20:35) Raha izany no mahatonga antsika hitory, dia hahafinaritra antsika kokoa ny fanompoana.

4 Hodinihintsika ato hoe ahoana no ampisehoantsika fa mangoraka ny olona eny amin’ny faritany isika. Hojerentsika aloha izay azontsika ianarana avy amin’ny nataon’i Jesosy. Hijery fomba efatra hanahafana azy isika avy eo.—1 Pet. 2:21.

NANGORAKA I JESOSY REHEFA NITORY

Nampalahelo an’i Jesosy ny olona ka niresahany hafatra mampahery (Fehintsoratra 5-6)

5-6. a) Nangoraka an’iza i Jesosy? b) Nahoana i Jesosy no nangoraka ny olona nitoriany, araka ny Isaia 61:1, 2?

5 Nahay niombom-pihetseham-po tamin’ny olona i Jesosy. Reraka be, ohatra, izy sy ny mpianany indray mandeha satria nitory foana. “Tsy nanam-potoana hihinanan-kanina akory izy ireo” tamin’izay. Nentin’i Jesosy tany amin’ny “toerana mangina” àry ny mpianany mba ‘hiala sasatra kely.’ Nihazakazaka nialoha an-dry Jesosy anefa ny vahoaka. Inona no tsapan’i Jesosy sy nataony rehefa nahita azy ireo tany? “Nangoraka * an’ireo ... izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo. Ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.”—Mar. 6:30-34.

6 Hitanao ve hoe nahoana i Jesosy no nangoraka, izany hoe niombom-pihetseham-po tamin’ilay vahoaka? Tsapany hoe “toy ny ondry tsy misy mpiandry” izy ireo. Hitan’i Jesosy angamba fa nahantra ny sasany tamin’izy ireo, dia niasa mafy mba hamelomana ny vady aman-janany. Nisy koa angamba maty havana. Raha izany no izy, dia azon’i Jesosy tsara ny nahazo azy ireo. Noresahintsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha mantsy hoe efa niaina an’izany koa i Jesosy. Nangoraka ny olona izy ka lasa te hampahery azy ireo.—Vakio ny Isaia 61:1, 2.

7. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy?

7 Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jesosy? “Toy ny ondry tsy misy mpiandry” koa ny olona manodidina antsika. Miatrika olana isan-karazany izy ireo, ary atỳ amintsika ny zavatra ilainy. Tsy inona izany fa ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Apok. 14:6) Manahaka an’i Jesosy àry isika, ka mitory ny vaovao tsara satria isika ‘mangoraka ny olona ambany sy ny mahantra.’ (Sal. 72:13) Mampalahelo antsika ny olona ary te hanampy azy ireo isika.

AHOANA NO AZONTSIKA AMPISEHOANA HOE MANGORAKA ISIKA?

Fantaro izay ilain’ny olona tsirairay (Fehintsoratra 8-9)

8. Milazà fomba iray azontsika ampisehoana hoe mangoraka ny olona itoriantsika isika. Hazavao amin’ny ohatra.

8 Inona no hanampy antsika hangoraka ny olona itoriantsika? Mila mieritreritra isika hoe inona no tiantsika hataon’ny olona amintsika raha isika no eo amin’ny toerany. Raha manao an’izany isika dia ho haintsika izay tokony hatao aminy. * (Mat. 7:12) Andao isika handinika fomba efatra azontsika anaovana an’izany. Voalohany, eritrereto hoe inona no ilain’ny olona tsirairay. Mitovitovy amin’ny ataon’ny dokotera ny ataontsika rehefa mitory. Mieritreritra an’izay ilain’ny marary tsirairay ny dokotera mahay. Mametraka fanontaniana izy dia mihaino tsara rehefa mitantara an’izay tsapany ilay marary. Tsy tonga dia manome an’izay fanafody tonga ao an-tsainy izy, fa mety hasainy hanao analizy aloha ilay olona mba hahafahany mitsabo tsara an’ilay aretina. Hoatr’izany koa no tokony hataontsika eny amin’ny faritany. Tsy mety raha zavatra mitovy foana no lazaintsika amin’izay olona itoriantsika. Eritreretintsika kosa izay mahazo ny olona tsirairay sy ny heviny.

9. Inona no tsy tokony hoeritreretintsika? Inona kosa no tokony hataontsika?

9 Rehefa manompo ianao, dia aza tonga dia mieritreritra hoe efa fantatrao ny zavatra iainan’ilay olona sy izay inoany, ary ny antony inoany an’izany. (Ohab. 18:13) Mahaiza kosa mametraka fanontaniana, amin’izay izy miresaka. (Ohab. 20:5) Anontanio momba ny asany, ohatra, izy, na ny fianakaviany, na ny zavatra efa niainany, na ny fomba fiheviny raha tsy mampaninona ny manontany an’izany, any aminareo. Rehefa manontany azy hoatr’izany isika, dia mandrisika azy hiteny amintsika hoe nahoana izy no mila ny vaovao tsara. Afaka mieritreritra an’izay tena ilainy manokana isika amin’izay, ary afaka manampy azy tsara, hoatran’ny nataon’i Jesosy.—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 9:19-23.

Eritrereto hoe mety ho hoatran’ny ahoana ny fiainan’ny olona itorianao (Fehintsoratra 10-11)

10-11. Inona no fomba faharoa ampisehoantsika hoe mangoraka isika, araka ny 2 Korintianina 4:7, 8? Milazà fitantarana.

10 Faharoa, eritrereto hoe mety ho hoatran’ny ahoana ny fiainany. Tsy maintsy hoe misy zavatra itovizantsika aminy, satria tsy lavorary koa isika ary manana olana hoatran’ny olon-drehetra ihany. (1 Kor. 10:13) Fantatsika hoe sarotra be izao ny fiainana. Tsy hahavita hiaritra mihitsy isika raha tsy ampian’i Jehovah. (Vakio ny 2 Korintianina 4:7, 8.) Eritrereto anefa ny olona itoriantsika. Miady mafy amin’ny fiainana izy ireo nefa tsy mba manana an’i Jehovah! Hoatran’i Jesosy isika, ka mampalahelo antsika izy ireo ary tiantsika horesahina aminy ny “vaovao tsara momba ny zavatra tsara kokoa.”—Isaia 52:7.

11 Jereo ny tantaran’ny rahalahy iray atao hoe Sergey. Saro-kenatra be izy sady nitokantokana ary tsy nahay nilaza ny heviny. Nianatra Baiboly izy rehefa nandeha ny fotoana. Hoy izy: “Nianarako hoe mila mitory ny Kristianina, nefa nieritreritra aho hoe tsy hahavita an’izany mihitsy.” Nieritreritra momba ny olona mbola tsy naheno ny fahamarinana anefa izy, dia tonga saina hoe tsy maintsy ho mafy be ny fiainan’izy ireo satria tsy fantany i Jehovah. Nilaza izy hoe nahatonga azy hilamin-tsaina sy ho faly ny zavatra nianarany, ary tokony hahalala ny marina ao amin’ny Baiboly koa ny olona. Vao mainka àry izy nalahelo ny olon-kafa ka lasa sahy nitory kokoa. Izao no tsapany rehefa sahy nitory izy: “Gaga be aho fa lasa natoky tena kokoa rehefa nanao an’izany. Nanamafy ny finoako koa ilay izy.” *

Mety ho elaela vao handroso ny olona sasany (Fehintsoratra 12-13)

12-13. Nahoana isika no tokony hanam-paharetana rehefa mampianatra? Hazavao amin’ny ohatra.

12 Fahatelo, manàna faharetana amin’ny olona ampianarinao. Tadidio hoe mety ho mbola tsy nieritreritra momba ny fahamarinana sasany efa haintsika tsara izy. Betsaka koa ny olona resy lahatra tanteraka amin’izay inoany. Aminy angamba, dia efa anisan’ny kolontsainy ny fivavahany, ary io no mampifandray akaiky azy amin’ny havany sy ny mpiray tanàna aminy. Ahoana no azontsika anampiana ny olona toy izany?

13 Ity misy ohatra manazava an’izany: Ahoana no atao rehefa mila soloana vaovao ny tetezana iray efa antitra sady simbasimba? Matetika no mbola ampiasain’ny olona ilay tetezana mandritra ny fanorenana an’ilay vaovao. Azo arodana ilay taloha rehefa vita ilay vaovao. Hoatr’izany koa no ataontsika rehefa manampy olona. Tsy tonga dia asaintsika mandà an’izay ninoany “taloha” izy. Mila ampiantsika aloha izy mba hahafantatra sy ho tia an’ilay fahamarinana “vaovao”, izany hoe ny fampianarana ao amin’ny Baiboly, izay mbola tsy fantany mihitsy. Amin’izay izy vao ho vonona handa an’izay ninoany taloha. Mety ho elaela ny manampy olona hiova hevitra hoatr’izany.—Rom. 12:2.

14-15. Ahoana no azontsika anampiana an’izay tsy mahafantatra hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olona? Manomeza ohatra.

14 Raha manam-paharetana isika dia tsy hanantena mihitsy hoe vao mitory amin’ny olona dia ho azony sy hekeny avy hatrany izay fahamarinana torintsika. Raha mangoraka kosa isika, dia hanampy azy tsikelikely amin’ny alalan’ny Baiboly mba hampisaintsainana azy. Ahoana, ohatra, no hampisaintsainantsika ny olona hoe eto an-tany ny Paradisa ary hiaina mandrakizay ao isika? Betsaka no tsy mahalala an’izany. Mety hieritreritra izy hoe rehefa maty ny olona dia vita hatreo ny aminy, na hoe mankany an-danitra ny tsara fanahy. Ahoana no azo anampiana ny olona mino an’izany?

15 Mitantara ny fomba anazavany an’izany ny rahalahy iray. Vakiny aloha ny Genesisy 1:28, dia anontaniany ilay olona hoe taiza no tian’Andriamanitra hipetrahan’ny olombelona, ary tiany ho hoatran’ny ahoana ny fiainan’izy ireo. Matetika ilay olona no miteny hoe teto an-tany, ary tian’Andriamanitra ho sambatra ny olombelona. Vakin’ilay rahalahy avy eo ny Isaia 55:11, dia anontaniany izy hoe niova ve ny fikasan’Andriamanitra. Matetika ilay olona no mamaly hoe tsy niova. Vakiny amin’izay ny Salamo 37:10, 11, ary manontany izy hoe hanao ahoana ny fiainana amin’ny hoavy. Hoatr’izany no ataony rehefa mampisaintsaina olona, ary efa betsaka no nampiany hahalala hoe mbola tian’Andriamanitra hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny tsara fanahy.

Zavatra kely fotsiny dia mety hampahery be, ohatra hoe manoratra taratasy (Fehintsoratra 16-17)

16-17. Raha misaintsaina ny Ohabolana 3:27 isika, dia inona ny zavatra sasany azontsika ampisehoana hoe mangoraka isika? Milazà fitantarana.

16 Fahefatra, mitadiava fomba ampisehoana hoe mihevitra an’ilay olona ianao. Tsy mety aminy ve, ohatra, ny fotoana ahatongavanao? Afaka miala tsiny ianao ary milaza hoe hiverina amin’ny fotoana mety kokoa. Ahoana indray raha manao zavatra ilay olona ary mila fanampiana kely? Ary raha tsy afaka mivoaka ny trano izy satria marary na efa be taona nefa mila olona hirahina? Mety ho afaka manampy ianao rehefa sendra an’ireo.—Vakio ny Ohabolana 3:27.

17 Hoatran’ny hoe zavatra kely fotsiny no nataon’ny anabavy iray nefa nahita vokatra tsara izy. Nanoratra taratasy ho an’ny fianakaviana iray maty zanaka izy satria nalahelo azy ireo. Nasiany andinin-teny mampahery avy ao amin’ny Baiboly tao. Inona no vokatr’izany tamin’ilay fianakaviana? Nilaza ny renin’ilay zaza hoe kivy be izy tamin’izay. Izao no namaliany an’ilay taratasy: “Tsy ho azonao an-tsaina mihitsy hoe tena nanampy anay ilay taratasinao. Misaotra be dia be anao fa tena nampahery anay ilay izy. In-20 aho, fara fahakeliny, no namaky an’ilay taratasinao omaly. Tsy nampoiziko hoe hampahery be anay ilay izy. Te hisaotra anao amin’ny fonay manontolo izahay, satria tsara fanahy ianao sady nahatsiaro anay.” Azo antoka hoe hahita vokatra tsara koa isika rehefa mipetraka eo amin’ny toeran’ny olona mijaly, ary manao zavatra mba hanampiana azy.

TADIDIO HOE VOAFETRA NY ANJARA ASANAO

18. Ahoana no tokony hiheverantsika ny anjara asantsika amin’ny fanompoana, rehefa jerena ny 1 Korintianina 3:6, 7?

18 Mazava ho azy fa te hahay handanjalanja foana isika rehefa mieritreritra ny anjara asantsika amin’ny fanompoana. Manampy ny olona hahalala an’Andriamanitra fotsiny isika fa tsy hoe isika no manao ny zava-drehetra. (Vakio ny 1 Korintianina 3:6, 7.) I Jehovah no mitaona ny olona hanatona azy. (Jaona 6:44) Arakaraka ny toe-pon’ny tsirairay kosa ny hoe hanaiky izy na handa ny vaovao tsara. (Mat. 13:4-8) Tadidio hoe tsy nandray ny hafatra notorin’i Jesosy ny ankamaroan’ny olona nefa izy no Mpampianatra nahay indrindra teto an-tany. Tsy tokony ho kivy àry isika raha betsaka no tsy mihaino ny fitoriantsika.

19. Inona no vokany rehefa mangoraka isika eny amin’ny fanompoana?

19 Rehefa mangoraka ny olona eny amin’ny faritany isika dia mandray soa, ary vao mainka ho tiantsika ny fanompoana. Ho tsapantsika kokoa hoe mahasambatra ny manome. Raha mangoraka koa isika, dia ho mora kokoa amin’ny olona manana “toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay” ny handray ny vaovao tsara. (Asa. 13:48) “Koa dieny mbola misy fotoana azontsika anaovan-tsoa, dia aoka isika hanao soa amin’ny rehetra.” (Gal. 6:10) Ho faly isika amin’izay, satria manome voninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra.—Mat. 5:16.

HIRA 64 Mahafaly ny Asa Fijinjana

^ feh. 5 Rehefa mangoraka ny olona eny amin’ny faritany isika dia lasa faly kokoa, ary matetika no mahita vokatra kokoa. Nahoana? Hojerentsika ato hoe ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy. Handinika fomba efatra azontsika ampisehoana an’io toetra io eny amin’ny fanompoana koa isika.

^ feh. 5 FANAZAVANA: Ny hoe mangoraka eto, dia midika hoe malahelo olona mijaly na nampijalina, ka te hanao izay rehetra azo atao mba hanampiana azy.

^ feh. 8 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Miezaha ho Tsara Fanahy Amin’ny Olona Itorianao”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2014.